Vaovao Teôkratika
◼ Armenia: Ny tatitra tamin’ny Desambra dia nampiseho fa mpitory 4 741 no nandany 16 ora avy tamin’ny antsalany teny amin’ny fanompoana. Io tampon’isa vaovao amin’ny mpitory io dia ahitana fitomboana 17 isan-jato, raha oharina amin’ny salanisa tamin’ny taon-dasa.
◼ Silia: Noraisina tamin-kafanam-po ilay ora takina vaovao amin’ny mpisava lalana, araka ny porofoin’ny fisian’ny tampon’isa ambony indrindra tamin’ny Janoary, satria mpisava lalana maharitra 4 351 no namerina tatitra. Afa-tsy izany koa, dia nisy mpisava lalana mpanampy 5 175, ary isa tsara indrindra tamin’ity taom-panompoana ity izany.
◼ Ukraine: Ny 12 isan-jaton’ireo mpitory 100 129 nanao tatitra tamin’ny Janoary, dia tao amin’ny endri-panompoana manontolo andro. Misy mpisava lalana maharitra 5 516 any Ukraine — tampon’isa faha-27 nisesy — ary mpitory 6 468 no mpisava lalana mpanampy.