FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/99 p. 1
  • Hajao Fatratra ny Anarana Kanton’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hajao Fatratra ny Anarana Kanton’i Jehovah
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
  • Mitovitovy Aminy
  • Nahoana isika no tokony hahafantatra ny anaran’Andriamanitra
    Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay
  • “Hohamasinina Anie ny Anaranao!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2020
  • Nanamasina ny Anarany i Jehovah
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Ampahafantaro ny Anaran’Andriamanitra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1999
km 8/99 p. 1

Hajao Fatratra ny Anarana Kanton’i Jehovah

1 Nanala baraka ny anaran’Andriamanitra i Satana, fony izy nitarika ireo ray aman-drenintsika voalohany hanota. Nilaza an-kolaka ny Devoly fa nandainga tamin’i Adama i Jehovah. (Gen. 3:1-5). Koa satria misy ifandraisany amin’ny fahaizan’Andriamanitra hanatanteraka ny teniny ny anarany, dia ny fanendrikendrehana ratsy indrindra io nolazain’i Satana io. Tamin’ny fanatanterahan’i Jehovah miandalana ny fikasany dia nanadio ny anarany tamin’ny fanalam-baraka izy ka nanao azy io ho anarana kanto. — Isaia 63:12-14.

2 Isika no vahoaka ‘nantsoin’i Jehovah tamin’ny anarany’. (Asa. 15:14, 17, NW). Izany dia manome antsika fahafahana hampiseho izay tsapantsika momba ny fanamasinana azy io. Hitantsika ho kanto marina tokoa ny anaran’i Jehovah, noho izy io mampiseho ny hatsaram-po, ny hatsaram-panahy, ny fitiavana, ny famindram-po, ary ny fahamarinana rehetra. Feno tahotra miharo fanajana isika noho ny halehiben’ny anarana be voninahitr’Andriamanitra. (Sal. 8:1; 99:3; 148:13). Tokony ho voatosika hanao inona isika?

3 Hanamasina ny anaran’Andriamanitra: Tsy azo hamasinina mihoatra noho izay efa maha masina azy ny anaran’Andriamanitra, kanefa amin’ny alalan’ny fahadiovam-pitondran-tenantsika sy ny fitoriantsika ilay Fanjakana, dia afaka mampiseho isika fa hajaintsika fatratra io anarana io. Aoka isika hihiaka hoe: “Miderà an’i Jehovah, miantsoa ny anarany, ampahafantaro any amin’ny firenena ny asany. Ampahatsiarovy fa efa misandratra ny anarany.” (Isaia 12:4). Ahoana no azontsika anaovana izany?

4 Afaka manararaotra ny fahafahana rehetra isika mba hanambarana ny anaran’i Jehovah sy izay rehetra asehon’izy io. Na ara-potoana na tsy ara-potoana, na isan-trano na isaky ny fivarotana, eny an-dalana na an-telefaonina, dia manome voninahitra an’i Jehovah ny asa fitoriantsika. Rehefa mahita olona liana izay mihaino isika, dia tokony hanao fotoana hentitra mba hiverenana hitsidika sy hampianarana azy bebe kokoa momba an’i Jehovah. Midika izany fa tsy maintsy manaja ireny fotoana ireny isika ary maneho fikirizana eo amin’ny fiezahantsika hanomboka fampianarana Baiboly any an-tokantrano. Mahafaly fa isan-taona, dia olona ana hetsiny maro no manjary mahalala sy manaja ary manamasina ilay anarana kanton’i Jehovah.

5 Ny fandraisantsika anjara amin’ny fo manontolo amin’ny asa fanamasinana ny anaran’Andriamanitra dia mampiseho mazava ny toerana tanantsika ny amin’ilay raharaha napoitran’i Satana tao Edena. Izany no asa ambony indrindra sy mendri-kaja indrindra azontsika atao. Aoka isika hanaja fatratra ilay anarana kanton’i Jehovah ary hidera azy io amin-jotom-po! — 1 Tant. 29:13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara