Inona no Holazainao Amin’ny Hindoa Iray?
1 Araka ny mety ho fantatrao, dia misy Hindoa maro mipetraka any amin’ny tany maro samihafa, anisan’izany ny eto amintsika. Midika izany fa na ho ela na ho haingana, dia mety ho sendra Hindoa iray ianao, mandritra ny fanompoanao. Raha sendra izany ianao, ahoana no fomba hitondranao ilay fitsidihana?
2 Tadidio ireto hevitra ireto: Ireo misionera izay nahita vokatra tsara tamin’ny fitoriana tamin’ny Hindoa, dia nilaza fa tsy ilaina ny manao fianarana lalina momba ny Hindoisma mba hitoriana amin’ny fomba mandaitra. Ny fampisehoana ny fahamarinana amin’ny fomba voalanjalanja sy tsotra, dia mahatonga ny olona handray tsara, matetika. Mangataha mba hiresaka amin’ny loham-pianakaviana aloha. Raha mandray tsara izy, dia ho mora kokoa ny hitoriana amin’ny mpianakavy hafa. Eo am-piandohana, dia halaviro ny milaza fa mitondra hafatra iray ambony noho izay inoan’ilay tompon-trano ianao, na hoe maniry hiresaka ny amin’ilay hany Andriamanitra marina, na ny amin’ilay soratra masina tranainy indrindra ianao. Koa satria Hindoa maro no mihevitra ny Baiboly ho bokin’ny tandrefana, dia afaka mandrodana ny fitsarana an-tendrony toy izany ianao, amin’ny fanazavana fa tsy mampandroso ny fanjanahan-tany, na ny fahambonian’ny firazanana iray oharina amin’ny iray hafa izy io.
3 Ampiasao ireo fitaovana mety indrindra: Misy bokikely roa nomanina manokana ho an’ny Hindoa. Ny Pourquoi adorer Dieu en amour et en vérité? sy ny Nos problèmes — Qui nous aidera à les résoudre?, dia misy amin’ny teny goujrati sy frantsay. Ny bokikely “Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra” sy Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? dia hita ho mandaitra koa, rehefa mitory amin’ny hindoa ianao. Ny fampiasana ny bokikely Takina sy ny boky Fahalalana dia ahitana vokatra tsara mba hitarihana fampianarana Baiboly.
4 Manorena marimaritra iraisana: Tsy sarotra ny mahita marimaritra iraisana amin’ny Hindoa. Mino izy ireo fa miaina amin’ny fotoana ahitana ny fara tampon’ny faharatsiana isika izao. Mino koa izy ireo fa hanesotra ireo zava-manahirana eo amin’izao tontolo izao, amin’ny alalan’ny loza lehibe, harahin’ny vanim-potoana hanjakan’ny fahamarinana, Andriamanitra. Hitanao fa azo ampifandraisina mora foana amin’ny fampianaran’ny Baiboly momba ny andro farany sy ny fahoriana lehibe ary ny tontolo vaovao ho avy, izany finoana izany. Koa satria mihevitra ny fiainana ho fitohitohizan-java-manahirana izay tsy ahitana vahaolana ny ankamaroan’ny Hindoa, dia liana amin’ny foto-kevitra momba ny fiainam-pianakaviana, sy ny heloka bevava, sy ny fiarovana, ary izay mitranga eo amin’ny fahafatesana, izy ireo. Ireto misy santionany amin’ny fomba fampiseho izay azonao andramana.
5 Mety hanintona ny raim-pianakaviana izao manaraka izao:
◼ “Mitsidika olona izay manahy ny amin’ny toetran’ny fiainam-pianakaviana any amin’ny tany maro amin’izao andro izao aho. Inona no heverinao fa hihazona ny fianakaviana ho tafaray? [Avelao izy hamaly.] Mahafantatra izay lazain’ny soratra masina hindoa momba ny fianakaviana ny olona sasany, nefa tsy nanana fahafahana mihitsy hampitaha azy io amin’izay lazain’ny Baiboly momba io foto-kevitra io. Tiako ny hanazava aminao ity hevitra ato amin’ny Kolosiana 3:12-14 ity.” Rehefa voavaky ilay andinin-teny, dia asehoy an’ilay tompon-trano ny toko faha-15 amin’ny boky Fahalalana, ary milazà toy izao: “Hahafaly ahy ny handany fotoana kely hiaraha-mamaky ity toko ity aminao.”
6 Mety hahaliana ny tanora iray izao manaraka izao:
◼ “Tsy isalasalana fa mino an’Andriamanitra ianao. Araka ny hevitrao, tompoko, inona no fikasan’Andriamanitra ho antsika?” Avelao izy hamaly. Avy eo, dia vakio ny Genesisy 1:28, ary milazà toy izao: “Faritra maro amin’ny tany no be mponina loatra sy feno zava-manahirana. Mihevitra ve ianao, tompoko, fa ho vonona hanampy antsika hamaha ny olana mahazo antsika ny Mpamorona?” Aorian’ilay valin-teny, dia jereo ny zavatra vita an-tsoratra iray mifanentana amin’izany.
7 Mahazoa vokatra tsara: Nanatona anabavy iray nitory teny an-tsena ny lehilahy hindoa iray 22 taona, ka nangataka fampianarana Baiboly. Nanazava tamin’ilay anabavy izy fa valo taona talohan’izao, dia nandre tsy nahy ny resaka ara-baiboly nifanaovan’ny reniny sy io anabavy io izy. Na dia nampiaiky volana azy aza ireo valin-tenin’ny Baiboly azo ampiharina, mahakasika ny zava-manahirana ny olombelona, dia tsy liana kosa ny reniny. Nihevitra ilay tovolahy fa kely loatra izy tamin’izay ka tsy afaka nanaraka samirery ny fahamarinana. Olon-dehibe izy izao, ary naniry ny hianatra bebe kokoa. Tsy nandany fotoana ilay tovolahy, ka tao anatin’ny 23 andro monja, dia nahavita ny fianarany ny boky Fahalalana, ary nangataka ny hatao batisa izy, efa-bolana monja taorian’ny nihaonany tamin’ilay anabavy tany an-tsena!
8 Nanomboka fianarana tamin’ny lehilahy hindoa iray hitany tao anaty lamasinina ny rahalahy iray. Nanan-java-nanahirana teo amin’ny fanambadiany ilay lehilahy. Nisotro loatra koa izy. Nanaiky ny hitsidihan’ilay Vavolombelona sy hiresahany momba ny torohevitry ny Baiboly ny amin’ny fiainam-pianakaviana ilay lehilahy. Nanintona azy ireo fampianarana ara-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly, ka nanaiky ny hianatra izy. Nanomboka niara-nanatrika ny fivoriana izy sy ny fianakaviany. Tatỳ aoriana, dia nizara ny fahamarinana tamin’ny namany sy ny fianakaviany izy ireo. Hatramin’izao, dia nanaiky ny fahamarinana ny enina aminy!
9 Sitrapon’Andriamanitra ny hoe “tokony ho voavonjy ny karazan’olona rehetra ary ho tonga amin’ny fahalalana araka ny marina ny fahamarinana”. (1 Tim. 2:4, NW). Voafaoka amin’izany ireo lehilahy sy vehivavy ao amin’ny fivavahana tsy kristianina iray, toy ny Hindoisma. Raha misy Hindoa ao amin’ny faritaninareo, nahoana raha mitsidika azy ireo haingana sy mampiasa ny sasany amin’ireo fanoloran-kevitra ato amin’ity lahatsoratra ity?