Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Septambra: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Oktobra: Famandrihana amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Novambra: Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika? na Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Desambra: Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay.
◼ Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, na izay notendreny, dia tokony hanamarina ny kaontin’ny kôngregasiôna amin’ny 1 Septambra, na haingana araka izay azo atao aorian’izay. Manaova fampandrenesana ho an’ny kôngregasiôna rehefa vita ilay izy, aorian’ny famakiana ny tatitra manaraka.
◼ Ampahatsiahivina ireo loholona mba hanaraka ireo toromarika nomena ao amin’ny pejy faha-21-23 amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 1991, momba ireo olona voaroaka na niala an-tsitrapo izay mety haniry horaisina indray.
◼ Ireo izay mifandray amin’ny kôngregasiôna iray dia tokony handefa ny taratasy famandrihana rehetra amin’ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, na vaovao na fanavaozana, anisan’izany ny famandrihan’ny tenany manokana, amin’ny alalan’ny kôngregasiôna.
◼ Ny Fikambanana dia tsy mikarakara ny fanafarana zavatra vita an-tsoratra alefan’ny mpitory isam-batan’olona. Ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha dia tokony hampanao fampandrenesana isam-bolana, alohan’ny handefasan’ny kôngregasiôna ny fanafarany zavatra vita an-tsoratra isam-bolana atỳ amin’ny Fikambanana. Amin’izay, izay rehetra maniry hanafatra zavatra vita an-tsoratra ho an’ny tenany dia hampahafantatra izany an’ilay rahalahy mpikarakara ny boky. Tadidio hoe zavatra vita an-tsoratra inona avy no anisan’ireo zavatra hafarana manokana.
◼ Ny Fivoriamben’ny Distrika sy Niraisam-pirenena 1998 “Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra”, dia tena fitahiana tokoa ho an’ny rehetra nanatrika. Anisan’ireo nanatrika ny misionera sy ny mpanompo iraisam-pirenena niisa 2 764, izay afaka nitsidika ny taniny noho ny fanomezana tamim-pahalalahan-tanana avy tamin’ireo kôngregasiôna. Tena ankasitrahana be dia be ny fanohanana an’io fandaharana io. Tamin’ny fifaranan’ireo fivoriambe ireo, ny ambin’ilay vola nomena ho an’io zava-kendrena io, dia hampiasaina mba hanohanana ny asa fitoriana maneran-tany.