Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Septambra
Herinandron’ny 6 Septambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
17 min: “Miasa Amin’ny Fananana Zava-kendrena ve Ianao?” Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary araho fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Asio firesahana ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 88-89. Ampirisiho ny rehetra mba hanao ezaka mitohy sy hanao ny fanompoany amin’ny fomba feno sy mitohy.
18 min: “Ry Ray Aman-dreny — Omeo Ohatra Tsara ny Zanakareo”. Teny fampidirana fohy ataon’ny loholona iray, arahina fiaraha-midinika momba ilay lahatsoratra, ataon’ny rahalahy roa izay raim-pianakaviana. Maneho fiahiana izy ireo momba ny fomba hiarovana ny zanany amin’ireo toetra ratsy miantefa aminy any an-tsekoly sy ao amin’ny televiziona ary avy amin’ireo havana tsy Vavolombelona sy ny hafa. Miresaka momba ny fihetsika tsy misy fanajana, ny fiteny sy ny fisehoana ankapoben’izao tontolo izao, ary ny fialam-boly tsy madio, ireo rahalahy. Rehefa avy mamelabelatra momba ny ilana hanomezana ohatra tsara izy ireo, dia miresaka momba ny fomba hampitomboana bebe kokoa ny hafanam-po ho amin’ny fianaram-pianakaviana sy ho amin’ny fivorian’ny kôngregasiôna ary ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha. — Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 1999, pejy 8-22, sy ny Mifohaza! (frantsay) 22 Septambra 1991, pejy 8-9.
Herinandron’ny 13 Septambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: Inona no Nataontsika Tamin’ny Taon-dasa? Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Mandiniha hevitra misongadina avy amin’ny tatitry ny kôngregasiôna tamin’ny taom-panompoana 1999. Manomeza teny fiderana noho ireo zava-bita tsara. Mariho ireo lafiny mety hilana fihatsarana. Mifantoha amin’izay nataon’ny kôngregasiôna teo amin’ny fanatrehana fivoriana sy ny fitarihana fampianarana Baiboly. Mamera tanjona azo tratrarina ho amin’ny taona ho avy.
20 min: “Inona no Holazainao Amin’ny Hindoa Iray?” Fanontaniana sy valiny. Antitrantero ny soa azo amin’ny fanorenana marimaritra iraisana amin’ny olona iray, ary mariho ireo lafiny izay azo inoana fa hitoviantsika hevitra amin’ny Hindoa iray. Asehoy ny fomba ahafahana manamboatra ireo fomba fampiseho anoloran-kevitra, mba hitoriana amin’ny olona avy amin’ny fivavahana rehetra. Manaova fampisehoana voaomana tsara ny amin’ny hitoriana amin’ny Hindoa iray. Raha mila fanazavana fanampiny momba ny Hindoisma, dia jereo ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 21 sy ny boky L’humanité à la recherche de Dieu, toko faha-5.
Herinandron’ny 20 Septambra
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy zavatra hita teny am-pitoriana.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
18 min: “Izao no Midika ho Fiainana Mandrakizay”. Lahateny sy fampisehoana ny fomba fanolotra ny boky Fahalalana. Mampiasà hevitra ao amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 1996, pejy 4. Asehoy ny hasarobidin’ny fanazavana raketin’ilay boky sy ny fomba ahafahan’izy io manova ny fiainan’ny olona. Ampirisiho ny rehetra hitondra ilay boky sy hanolotra azy amin’ny fahafahana rehetra.
Herinandron’ny 27 Septambra
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoany tamin’ny Septambra. Ampirisiho ny rehetra hanao fandaharana mba handraisana anjara feno amin’ny fizarana gazety mandritra ny Oktobra. Jereo indray ny sasany amin’ireo fanoloran-kevitra hita ao amin’Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 1996, pejy 8, momba ny fanomanana fomba fampiseho. Amin’ny fampiasana ireo gazety farany dia milazà hevitra tsara azo resahina sasany ary manaova fampisehoana fohy iray na roa.
15 min: Valin’ireo Fanontanianareo. Lahateny ataon’ny loholona iray.
15 min: “Miitatra ny Fanompoam-pivavahana Marina any Eoropa Atsinanana”. Tarihin’ny Loholona iray amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny. Milazà fitantarana na porofon’ny fitomboana any amin’ireo tany voaresaka, araka ny tatitra natao vao haingana tao amin’ny Diary.