Famerenana An-tsoratra Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika
Famerenana tsy misy fijerena boky, miorina amin’ireo hevitra voadinika tamin’ireo anjara natao tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Teokratika nanomboka ny herinandron’ny 1 Janoary ka hatramin’ny 23 Aprily 2001. Mampiasà taratasy hafa hanoratana ny valiny ho an’ny fanontaniana betsaka araka izay azo atao ao anatin’ny fotoana omena hanaovana izany.
[Fanamarihana: Mandritra ny famerenana an-tsoratra, dia ny Baiboly ihany no azo ampiasaina mba hamaliana ireo fanontaniana rehetra. Natao ho an’ny fikarohanao manokana ny fanondroam-pejy eo aorian’ireo fanontaniana. Mety tsy hiseho miaraka amin’ny fanondroana rehetra momba Ny Tilikambo Fiambenana ny nomeraon’ny pejy sy ny fehintsoratra.]
Valio hoe Marina na Diso ireto fanambarana manaraka ireto:
1. Tsy tokony havelantsika hanakana antsika tsy hahita ny fanaovan-dratsy lehibe ny fihetseham-po. Na izany aza, dia afaka manahaka an’i Josefa isika ka hamindra fo sy hamela ny olona iray nanota tamintsika nefa nibebaka. (Gen. 42:21; 45:4, 5) [wMG 1/1/99 p. 31 feh. 2-3]
2. Ankoatra ny fitanisany tetirazana, dia famerenana ny ao amin’ny bokin’ny Samoela sy ny Mpanjaka fotsiny ny Tantara Voalohany. [si p. 75 feh. 1]
3. Tsy miresaka afa-tsy “antikristy” iray monja, izay mbola ho avy, ny Baiboly. [rs p. 60]
4. Nampiseho fanetren-tena i Jesosy tamin’ny fanekena ilay fanendrena tsy manam-paharoa ho tonga tetỳ an-tany, avy tany amin’ny faritry ny lanitra, ka tonga olombelona ambany, ambany kokoa noho ny anjely. (Fil. 2:5-8; Heb. 2:7) [wMG 1/2/99 p. 6 feh. 3]
5. Hamarinin’ny arkeolojia ny nanafihan’i Sisaka ny Joda sy ny namaboany “ny rakitry ny tranon’i Jehovah sy ny rakitry ny tranon’ny mpanjaka”. (2 Tant. 12:9) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/5/88 p. 26 feh. 4.]
6. Tsy nanao batisa zazakely ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany. [rs p. 88]
7. Tsy tokony hanompo an’Andriamanitra amin’ny fanantenana valisoa ny olona iray. [wMG 15/4/99 p. 16 feh. 1]
8. Rehefa niresaka ny amin’ny ‘fitahian’i Jehovah’ na ny “zava-bitany” (NW ) i Davida, araka ny voasoratra ao amin’ny Salamo 103:2, dia ny zavatra hita maso noforonin’i Jehovah no tao an-tsainy. [wMG 15/5/99 p. 21 feh. 5-6]
9. Ny tempoly naorin’i Solomona sy i Zerobabela ary i Heroda, ary koa ilay tabernakely namboarin’i Mosesy, dia samy mampiseho zavatra iray ihany. [si p. 87 feh. 16]
10. Tsy nandray soa firy tamin’ireo tetirazana hita ao amin’ny Tantara Voalohany ny kongregasiona kristianina tany am-boalohany. [si p. 78 feh. 23]
Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:
11. Nahoana ny didim-pitsaran’i Jehovah no nitambesatra tamin’ny ankohonan’i Ahaba? (1 Mpanj. 16:31; 2 Mpanj. 9:7, 26) [si p. 74 feh. 34]
12. Araka ny asehon’ny Matio 24:45-51, inona no mampiavaka an’ireo izay manjary mivadi-pinoana? [rs p. 260]
13. Lesona mampieritreritra inona, mahakasika ny tanjaka, no azontsika raisina avy amin’izay nitranga tamin’i Ozia, mpanjakan’ny Joda? (2 Tant. 26:15-21) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/12/99 p. 26 feh. 1-2.]
14. Tsy nanorina fombafomba i Jesosy rehefa nanasa ny tongotry ny apostoliny, fa nanome antsika fianarana mafonja inona? (Jaona 13:4, 5) [wMG 1/3/99 p. 31 feh. 1]
15. Nahoana ilay fitantarana ao amin’ny 1 Tantara 14:8-17 no nahaliana tamin’ny andron’i Isaia, ary nahoana no tokony hahaliana ny Fivavahana Lazaina fa Kristianina koa izy io amin’izao andro izao? (Isaia 28:21) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/9/91 p. 21 feh. 2-3.]
16. Lafiny inona avy tamin’ny fivavahana tamin’i Bala no nanintona ny Isiraelita maro? [wMG 1/4/99 p. 29 feh. 3-6]
17. Fianarana azo ampiharina inona no azo raisina avy tamin’izay nataon’i Hezekia mba hiarovana sy hampitomboana ny tahirin-dranon’i Jerosalema? (2 Tant. 32:3, 4) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/8/96 p. 6 feh. 1-2.]
18. Amin’ny ahoana ny ohatr’i Josia no mampahery ny tanora amin’izao andro izao mba hanompo an’Andriamanitra sy hanohitra mafy ny fanompoam-pivavahana diso? (2 Tant. 34:3, 8, 33) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/11/90 p. 5 feh. 2.]
19. Azo lazaina ve hoe Jiosy tsy nahatoky avokoa ireo rehetra nijanona tany Babylona, ary fianarana azo ampiharina inona no azo raisina avy amin’izany? (Ezra 1:3-6) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/4/86 p. 8 feh. 4, 7.]
20. Araka ny 2 Tantara 5:13, 14, inona no mampiseho fa nihaino ilay hira fiderana nataon’ny vahoakany i Jehovah, ary nahafaly azy ilay izy? [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/5/94 p. 10 feh. 7.]
Omeo ny teny na ny fitambaran-teny ilaina mba hamenoana ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
21. Ny olona iray manome torohevitra ny Kristianina iray hafa dia tsy maintsy mahazo antoka fa miorina amin’ny __________________________ araka an’Andriamanitra izay lazainy fa tsy amin’ny __________________________ sy __________________________’olombelona. (Kol. 2:8) [wMG 15/1/99 p. 22 feh. 1]
22. Tsy ho azo atao ny hitoetra ho __________________________ mandritra ny ady __________________________. (Matio 12:30; 2 Tes. 1:8) [rs p. 284]
23. Toy ny tsilo izay afaka misakana ny zana-kazo tsy hihalehibe, dia toy izany koa fa afaka misakana ny olona iray tsy handroso ho amin’ny fahamatorana ara-panahy ny __________________________ tsy voafehy sy ny hery mamitaky ny __________________________. (Matio 13:19, 22) [wMG 15/3/99 p. 22 feh. 5]
24. Ny hoe “atao batisa [mba ho faty, NW ]”, araka ny lazain’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 15:29 dia midika hoe miditra ao amin’ny fomba fiaina iray izay hitarika ho amin’ny __________________________, sahala amin’ny an’i Kristy, ary avy eo dia __________________________ ho amin’ny fiainana ara-panahy sahala aminy. [rs p. 90]
25. Mba hahombiazan’ny Kristianina marina iray eo amin’izay nahalavoan’i Solomona, dia tsy tokony hanana __________________________ na __________________________ mihitsy izy eo amin’ny fanompoam-pivavahana atolony, ary hanaraka ny tenin’i __________________________ mba ho ‘tia an’i Jehovah Andriamaniny amin’ny fony rehetra’. (Matio 22:37; 1 Tant. 28:9) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 1/9/86 p. 19 feh. 17-18.]
Fanteno izay valin-teny marina ao amin’ny tsirairay amin’ireto fanambarana manaraka ireto:
26. Ny 2 Mpanjaka 17:5, 6 dia mitantara ny fomba nanafihan’i (Tiglato-Pilesera; Salmanazara V; Esara-Hadona) ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely tany avaratra, sy ny nanombohany nanao fahirano an’i Samaria nandritra ny telo taona. Latsaka teo an-tanan’ny Asyrianina ihany i Samaria tamin’ny farany tamin’ny (740; 607; 537) al.f.i. [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo wMG 15/5/88 p. 27 feh. 1.]
27. Mitantara zava-niseho tao Jerosalema taorian’ny nanombohan’ny sesitany tany Babylona ny toko faha-25 amin’ny bokin’ny 2 Mpanjaka. Manondro tsy mivantana izany fa i (Daniela; Ezekiela; Jeremia) no nanoratra ilay boky ary vita tany amin’ny (580; 537; 455) al.f.i. ny fanoratana azy io. (2 Mpanj. 25:27) [Famakiana Baiboly isan-kerinandro; jereo si p. 64 feh. 3.]
28. Araka ny lazain’ny Eksodosy 4:11, dia “mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba” i Jehovah Andriamanitra amin’ny heviny hoe (izy no tompon’andraikitra amin’ireo fahasembanana mahazo ny olona; manendry olona samy hafa ho amin’ny tombontsoam-panompoana izy; navelany hiseho teo amin’ny olombelona ny kilema ara-batana). [wMG 1/5/99 p. 28 feh. 2]
29. Ilay fe-potoana nisy 70 taona voalaza ao amin’ny 2 Tantara 36:17-23 dia nifarana tamin’ny (537; 607; 677) al.f.i. [si p. 84 feh. 35]
30. Roa ihany ny firesahana mivantana momba ny fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana ao amin’ny Baiboly. Izy roa dia (mampiseho azy ireo amin’ny endriny tsara; mampiseho azy ireo amin’ny endriny ratsy; tsy milaza na inona na inona momba ny fankalazana fitsingerenan’ny andro nahaterahana). (Gen. 40:20-22; Matio 14:6-10) [rs p. 257]
Ampifanandrifio amin’ireo fanambarana voatanisa eto ambany ireto andinin-teny manaraka ireto:
Eks. 21:22, 23; Ohab. 25:11; Rom. 12:2; 2 Pet. 3:15, 16; Apok. 16:13, 14
31. Tokony ho vonona hanao ezaka isika mba hanova ny fisainantsika sy hameno ny saintsika amin’ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra. [wMG 1/4/99 p. 22 feh. 2]
32. Rehefa manome torohevitra, dia zava-dehibe ny hifidianana tsara izay teny hambara. [wMG 15/1/99 p. 23 feh. 1]
33. Nilaza i Jehovah fa hampamoahina ny olona iray nitera-pahavoazana ho an’ny zaza iray mbola any am-bohoka. [rs p. 158]
34. Ny fitaoman’i Satana Devoly no manosika ny firenena ho amin’ny tarehin-javatra maneran-tany izay hitarika azy ireny hiady amin’Andriamanitra. [rs p. 284]
35. Ny fanolanana ny Soratra Masina mba hifanitsy amin’ny hevitsika manokana dia mety hitera-pahavoazana maharitra. [rs p. 85]