Famerenana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina am-bava amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 25 Aogositra 2003. Hanao famerenana maharitra antsasak’adiny ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 7 Jolay ka hatramin’ny 25 Aogositra 2003 izy io. [Fanamarihana: Mila manao fikarohana ianao mba hahitana ny valiny, raha tsy misy loharanon-kevitra aorian’ilay fanontaniana.—Jereo ny Sekolin’ny Fanompoana, p. 36, 37.]
ZAVATRA TANDREMANA
1. Inona no soa azo amin’ny fijerena ilay olona eo amin’ny masony rehefa manao fanompoana? [be p. 125, feh. 1, 2; p. 125 faritra voafefy]
2. Raha manjary matahotahotra ianao rehefa hanao fanompoana, inona no hanampy anao? [be p. 128, feh. 4, 5]
3. Inona no hanampy anao hiteny tsotra, toy ny miresaka andavanandro, rehefa manao lahateny eny amin’ny lampihazo? [be p. 129, feh. 2; p. 129 faritra voafefy]
4. Inona no tokony ho vokatr’ireo toro lalana ao amin’ny Levitikosy 16:4, 24, 26, 28; Jaona 13:10; ary Apokalypsy 19:8 eo amin’ny fisehoantsika ivelany, ary nahoana izany no zava-dehibe? [be p. 131, feh. 3; p. 131 faritra voafefy]
5. Inona no atao hoe olona maotina sy ‘mahonon-tena’? (1 Tim. 2:9, 10) [be p. 132, feh. 1]
ANJARA No. 1
6. Na dia tsy maintsy manana faharetana sy mifandefitra aza ny Kristianina, inona no tsy leferin’izy ireo mihitsy? (Kol. 3:13) [wMG 15/7/01 p. 22, feh. 6, 7]
7. Marina sa Diso: Isa feno ny isa milaza filaharana. Hazavao. [si p. 282, feh. 24, 25]
8. Inona no antony madio indrindra hamakiantsika ny Tenin’Andriamanitra, ary nahoana izany no tena ilaina? [be p. 24, feh. 1]
9. Ahoana no ‘hitahirizan’ny hendry fahalalana’? (Ohab. 10:14) [wMG 15/7/01 p. 27, feh. 4, 5]
10. Nahoana no mendri-komarihina ny fahazarana tsara nananan’i Joba? (Joba 1:1, 8; 2:3) [wMG 1/8/01 p. 20, feh. 4]
FAMAKIANA BAIBOLY ISAN-KERINANDRO
11. Ahoana no nahafahan’ireo anisan’ny filan-kevi-pitantanana “nifanara-kevitra” fa tsy voatery hoforana ireo mpino jentilisa vao ho voavonjy? (Asa. 15:25)
12. Nahoana i Paoly no nanatanteraka izay nangatahin’ny Filan-kevi-pitantanana taminy momba ny fepetra sasany notakin’ny Lalàn’i Mosesy, nefa efa nofoanan’i Jehovah izany lalàna izany? (Asa. 21:20-26) [wMG 15/6/00 p. 14, feh. 10]
13. Inona no fiampangana lainga natao tamin’ny apostoly Paoly, izay mampahatsiahy antsika ny amin’ny zava-dratsy nolazaina momba ny Vavolombelon’i Jehovah tato ho ato? (Asa. 24:5, 6) [wMG 15/12/01 p. 22, feh. 7–p. 23, feh. 2]
14. Ohatra tsara inona no navelan’i Paoly, momba ny fitoriana ilay Fanjakana, na dia nambenana tao amin’ny trano nitokana aza izy nandritra ny roa taona? (Asa. 28:30, 31)
15. Nahoana no lazaina hoe “voatendrin’Andriamanitra” ny “fahefana lehibe”, ary inona no tokony ho vokatr’izany eo amin’ny Kristianina? (Rom. 13:1, 2) [wMG 1/8/00 p. 4, feh. 5]