Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 10 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra sy ny Mifohaza! 8 Novambra, eny amin’ny faritaninareo. Ataovy toy ny tena izy mihitsy izany. Na gazety iray ihany aza no resahina, dia atolory miaraka izy ireo, amin’ireo fampisehoana ireo. Hazavao ao amin’ny iray amin’ireo fampisehoana ireo ny fomba hamatsiana ara-bola ny asantsika maneran-tany.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana p. 2, na ny Mifohaza! p. 5.
15 min: ‘Miomàna Ianareo.’a Asao ny mpanatrika hilaza izay ataony, mba tsy hahatonga ny fanahiana sy ny fialam-bolin’ity tontolo ity handanilany foana ny fotoana tsara hanaovana zavatra ara-panahy.
20 min: Ahoana no Hifidiananao ny Namanao? Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Mivavaha, pejy 47-49. Asao ny mpanatrika hanazava ny toro lalan’ny Baiboly tokony harahintsika rehefa mifidy namana, ka ny fanontaniana sy ny andinin-teny voatonona eo amin’ny fehintsoratra 13 no ampiasaina.
Herinandron’ny 17 Novambra
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manadinadìna mpitory roa na telo, ary asao izy hitantara izay zavatra nahaliana hitany, rehefa nampiasa ny zavatra atolotra amin’ity volana ity, teny am-pitoriana. Mety ho nanomboka fampianarana Baiboly ny sasany tamin’izy ireo.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana.
18 min: “Mamelombelona ny Teny Fiderana.”b Milazà hevitra avy ao amin’ny boky Fahasambaram-pianakaviana, pejy 49, 50, fehintsoratra 21. Asao izay nahazo teny fiderana nampahery azy, mba hanazava fohifohy ny momba izany.
Herinandron’ny 24 Novambra
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty. Manaova fampisehoana roa, miorina amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra sy Mifohaza! 8 Novambra. Azo atao ny mampiasa andinin-teny hafa ankoatra ny ao amin’ny fanoloran-kevitra ao amin’ny pejy 4. Na gazety iray ihany aza no resahina, dia atolory miaraka izy ireo, amin’ireo fampisehoana ireo. Asehoy ao amin’ny iray amin’ireo fampisehoana ireo ny fomba fanolorana gazety eny amin’ny fitateram-bahoaka, na eny amin’ny toerana hafa mety hanaovana izany.
10 min: Valin’ny Fanontanianareo. Ataon’ny anti-panahy lahateny ny fanontaniana voalohany. Mampahatsiahy ny anti-panahy rehetra izy amin’ny farany, mba handinika ilay fanazavana eo amin’ny fanontaniana faharoa.
23 min: “Miezaha ho Tonga Sakaizan’i Jehovah.”c Ny fanontaniana efa ao ampiasaina. Asao ny mpanatrika hanazava ireo andinin-teny. Ampiomano mialoha ny mpitory iray na roa, mba hilaza izay nanampy azy ireo hanatsara ny fianarany samirery ny Baiboly.
Herinandron’ny 1 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Novambra. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Desambra. Jereo vetivety ny iray na roa amin’ireo fomba azo anolorana ireo boky ireo. Hazavao ny fomba ahitan’ny mpitory hevitra hafa ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra.
15 min: Mianara ho Tia Manome. Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2003, pejy 26-30.
20 min: Mahaiza Mampianatra ny Hafa. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jona 2000, pejy 16, 17, fehintsoratra 9-13. Ny hahay hampianatra no tanjontsika voalohany indrindra rehefa manao fanompoana. Miankina amin’ny fahaizantsika mampianatra sy mandrisika ny olona hanao zavatra, no hahavitantsika manampy ireo olona toy ny ondry, rehefa mampita ny hafatra momba ilay Fanjakana. Iaraho midinika ireto fanontaniana ireto: 1) Inona no maha samy hafa ny fitoriana sy ny fampianarana? 2) Nahoana no misy miahotra mitarika fampianarana Baiboly? 3) Ahoana no ahafahantsika manatsara ny fahaizantsika mampianatra? 4) Ahoana no ahazoantsika antoka fa takatry ny olona ampianarintsika izay ianarany? 5) Tanjona inona no tokony hanampiantsika ilay mpianatra mba hotratrariny?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.