FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/04 p. 3-6
  • Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2005

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2005
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Lohatenikely
  • Toromarika
  • FANDAHARANA
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 11/04 p. 3-6

Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2005

Toromarika

Toy izao ny fandaharana harahina rehefa mitarika ny Sekolin’ny Fanompoana, mandritra ny taona 2005.

LOHARANON-KEVITRA: Ireo anjara dia hiorina amin’ny Baiboly Masina [bi2], Ny Tilikambo Fiambenana [w], Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana [be], “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” [si], ary Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina [rs].

Tokony hanomboka ARA-POTOANA amin’ny hira sy vavaka ary teny fohy fiarahabana tonga soa ilay sekoly. Toy izao manaraka izao no fizotrany:

ZAVATRA TANDREMANA: 5 minitra. Hamelabelatra ny zavatra tandremana miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana ny mpiandraikitra ny sekoly, na ny mpanome torohevitra mpanampy, na anti-panahy mahay hafa. (Azo ampanaovina mpanampy amin’ny fanompoana mahay izy io raha tsy ampy ny anti-panahy.) Tokony hampidirina ao amin’ilay famelabelarana ireo efajoro ao amin’ilay anjara, raha tsy misy fanamarihana manokana. Tsy hatao ny fanazaran-tena fa anjaran’ny tsirairay ny manao azy io samirery. Afaka mampiasa azy io koa ireo rahalahy rehefa hanome torohevitra mitokana ho an’ilay mpianatra.

ANJARA No. 1: 10 minitra. Tokony hataon’ny anti-panahy na mpanampy amin’ny fanompoana izy io, ary hiorina amin’ny Tilikambo Fiambenana, na Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, na “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa.” Tokony ho lahateny fampianarana 10 minitra tsy misy famerenana am-bava ity anjara ity. Tsy ny hamelabelatra ilay zavatra ianarana fotsiny no tokony ho zava-kendrena, fa ny hifantoka amin’ny lafiny azo ampiharina amin’ilay fanazavana dinihina, ka hanasongadina izay zavatra tena ilain’ny fiangonana. Ny loha hevitra ato amin’ny fandaharana no tokony hampiasaina. Tokony hamita azy io ara-potoana ny rahalahy asaina manao ity lahateny ity. Mety homena torohevitra mitokana izy, raha ilaina.

HEVITRA MISONGADINA AO AMIN’NY BAIBOLY: 10 minitra. Tokony hampihatra ireo hevitra amin’ny zavatra ilaina eo an-toerana ny anti-panahy na ny mpanampy amin’ny fanompoana mahay iray, mandritra ny enina minitra voalohany. Azony atao ny mamelabelatra ny toko rehetra nasaina novakina nandritra ny herinandro. Tsy tokony ho famintinana fotsiny ireo toko nasaina novakina izy io. Ny tena zava-kendrena dia ny hanampy ny mpanatrika hahatakatra hoe nahoana ilay fanazavana no mahasoa, ary ahoana no andraisan’izy ireo soa avy amin’izany. Tokony hitandrina ilay mpandahateny mba tsy hihoatra ilay enina minitra natokana ho an’ny tapany voalohany. Tokony hatokany handraisan’ny mpanatrika anjara ny efatra minitra farany. Tokony hasaina hanome valin-teny fohy (tsy mihoatra ny 30 segondra) ny mpanatrika ny amin’izay hevitra nahaliana azy tao amin’ny famakiana Baiboly, sy ny soa noraisiny tamin’izany. Hasain’ny mpiandraikitra ny sekoly hankany amin’ny kilasiny avy ireo mpianatra, avy eo.

ANJARA No. 2: 4 minitra. Vakiteny ataon’ny rahalahy iray izy ity. Hiorina amin’ny Baiboly mazàna ilay vakiteny. Indray mandeha isam-bolana dia fanazavana avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana no hanaovana io anjara io. Tokony hamaky ilay anjara nanendrena azy ilay mpianatra nefa tsy hanisy teny fampidirana na famaranana. Hiovaova isan-kerinandro ny habetsahan’ny zavatra hovakina nefa tsy tokony hihoatra ny efatra minitra. Tokony hijery ilay zavatra hovakina aloha ilay mpiandraikitra ny sekoly vao manendry ilay mpianatra. Amin’izay izy dia ho afaka hampifanaraka izany amin’ny taona sy ny fahaizan’ilay rahalahy. Ny tena hifantohan’ilay mpiandraikitra ny sekoly dia ny hanampy ny mpianatra hahatakatra izay vakiny, hiteny misosa tsara, hanao fanamafisan-kevitra mety tsara, hanovaova feo, hiato araka ny tokony ho izy, ary hiteny tsotra, tsy amboamboarina.

ANJARA No. 3: 5 minitra. Anabavy no hanao azy io. Hifidy ny faritra hampiasainy ny mpianatra hanao ity anjara ity na homena iray avy ao amin’ny lisitra ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy faha-82. Tokony ho ilay foto-kevitra nomena no hampiasain’ilay mpianatra, ary hataony toy ny tena eny amin’ny saha ilay famelabelarana sady azo ampiharina eo amin’ny faritanin’ny fiangonana. Raha tsy voalaza ilay lahatsoratra hakana hevitra, dia mila manao fikarohana ao amin’ireo boky navoakan’ny mpanompo mahatoky sy malina ilay mpianatra mba hitadiavana fanazavana hanaovana ity anjara ity. Tokony ho anjara misy lahatsoratra hakana hevitra no homena an’ireo mpianatra vaovao. Ny zavatra tena hifantohan’ilay mpiandraikitra ny sekoly dia ny fomba hamelabelaran’ilay mpianatra ny foto-kevitra, ny fomba hanampiany ny tompon-trano hisaintsaina izay voalazan’ny Soratra Masina sy hahatakatra ny hevi-dehibe amin’ilay fanazavana. Tokony hahay hamaky teny ilay mpianatra hasaina hanao ity anjara ity. Hanendry mpanampy iray ny mpiandraikitra ny sekoly.

ANJARA No. 4: 5 minitra. Tokony hamelabelatra ilay loha hevitra nomena ilay mpianatra. Raha tsy voalaza ilay lahatsoratra hakana hevitra, dia mila manao fikarohana ao amin’ireo boky navoakan’ny mpanompo mahatoky sy malina izy mba hitadiavana fanazavana hanaovana ity anjara ity. Azo atao ho toy ny lahateny ity anjara ity, raha rahalahy no manao azy. Tokony hatao toy ny Anjara No. 3 kosa izy io, raha anabavy no manao azy. Azon’ny mpiandraikitra ny sekoly omena rahalahy ny Anjara No. 4, rehefa hitany fa mety ny hanaovana izany. Ny rahalahy ihany no tokony hotendrena hanao ny loha hevitra misy kintana kely, ary lahateny no hanaovany azy.

FAHARETANY: Tokony ho vita ara-potoana ny anjara rehetra, sy ny fanamarihana ataon’ny mpanome torohevitra. Tokony hatsahatra amin’ny fomba voalanjalanja ireo Anjara No. 2 ka hatramin’ny No. 4, rehefa tapitra ny fotoanany. Tokony homena torohevitra mitokana ireo rahalahy manao ny lahateny fanokafana momba ny zavatra tandremana, na ny Anjara No. 1, na ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, raha mihoatra ny fotoanany. Tokony hanaja ny fotoana nomena azy ny rehetra. Haharitra 45 minitra ny fandaharana manontolo. Tsy ao anatin’izany ny hira sy ny vavaka.

TOROHEVITRA: 1 minitra. Hanao fanamarihana mahasoa momba ny lafiny tsara iray tamin’ny famelabelarana ny mpiandraikitra ny sekoly, isaky ny mahavita ny anjarany ny mpianatra tsirairay. Tsy tokony hihoatra ny iray minitra anefa izany. Tsy ampy ny hilazana hoe “tena tsara.” Mila misarika ny saina ho amin’ny antony voafaritra tsara nahatonga io lafiny iray io handaitra kosa izy. Mbola hisy torohevitra tsara mety homena mitokana aorian’ny fivoriana na amin’ny fotoana hafa, raha mila izany ny mpianatra tsirairay.

MPANOME TOROHEVITRA MPANAMPY: Ankoatra ilay mpiandraikitra ny sekoly, dia mety hifidy anti-panahy mahay iray, raha misy, ireo anti-panahy mba ho mpanome torohevitra mpanampy. Raha maromaro ny anti-panahy ao amin’ny fiangonana, dia anti-panahy mahay hafa no hanao azy io amin’ny taona manaraka. Hanome torohevitra mitokana an’ireo rahalahy manao ny Anjara No. 1 sy ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly izy, raha ilaina izany. Tsy voatery hanome torohevitra izy aorian’ny lahateny tsirairay ataon’ny anti-panahy namany na mpanampy amin’ny fanompoana. Hihatra mandritra ny 2005 ity fandaharana ity, ary mety mbola hisy fiovana.

TARATASIN-TOROHEVITRA: Ao amin’ny boky.

FAMERENANA AM-BAVA: 30 minitra. Hanao famerenana am-bava ny mpiandraikitra ny sekoly, isaky ny roa volana. Hisy fandinihana ny zavatra tandremana sy ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, voalaza etsy ambony, alohan’izy io. Hifototra amin’ny zavatra nodinihina tamin’ny sekoly nandritra ny roa volana lasa ny famerenana am-bava, tafiditra amin’izany ilay herinandro hitsahina. Araho ny toromarika hita ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Desambra 2003, pejy 6, raha manatrika fivoriamben’ny faritra na fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra ny fiangonana, amin’ny herinandro hanaovana ny famerenana am-bava.

FANDAHARANA

3 Jan. Famakiana Baiboly: Josoa 16-20 Hira 6

Zavatra Tandremana: Mora Azon’ny Hafa (be p. 226 § 1–p. 227 § 1)

No. 1: Andriamanitra no Atahory (be p. 272 § 1–p. 273 § 1)

No. 2: Josoa 16:1–17:4

No. 3: Nahoana no Tsy Ampy ny Mamaky Baiboly Fotsiny? (rs p. 268 § 2-3)

No. 4: Ny Harenanao ve no Ahitana fa Tia An’Andriamanitra Ianao?

10 Jan. Famakiana Baiboly: Josoa 21-24 Hira 100

Zavatra Tandremana: Hazavao Ireo Teny Tsy Fantatra (be p. 227 § 2–p. 228 § 1)

No. 1: Ampahafantaro ny Anaran’Andriamanitra (be p. 273 § 2–p. 274 § 1)

No. 2: Josoa 23:1-13

No. 3: Miorina Amin’ny Baiboly sy Mampahafantatra ny Anaran’Andriamanitra ny Fivavahana Marina (rs p. 268 § 4-5)

No. 4: Mety ve ny Mivavaka Amin’i Jesosy?

17 Jan. Famakiana Baiboly: Mpitsara 1-4 Hira 97

Zavatra Tandremana: Omeo ny Fanazavana Ilaina (be p. 228 § 2-3)

No. 1: Manasongadina ny Toetrany ny Anarany (be p. 274 § 2-5)

No. 2: Mpitsara 2:1-10

No. 3: Tena Mino An’i Jesosy Kristy ny Fivavahana Marina (rs p. 269 § 1)

No. 4: Ahoana no Hiarovanao Tena Amin’ny Clip Manimba?

24 Jan. Famakiana Baiboly: Mpitsara 5-7 Hira 47

Zavatra Tandremana: Ny Asan’ny Fo (be p. 228 § 4–p. 229 § 1)

No. 1: “Tilikambo Mafy” ny Anaran’Andriamanitra (be p. 274 § 6–p. 275 lohatenikely)

No. 2: Mpitsara 6:25-35

No. 3: Inona no Tokony ho Herin’ny Baiboly eo Amin’ny Safidy Ataontsika?

No. 4: Tsy Fanarahana Fombafomba ny Fivavahana Marina, fa Fomba Fiaina (rs p. 269 § 2)

31 Jan. Famakiana Baiboly: Mpitsara 8-10 Hira 174

Zavatra Tandremana: Mampiana-javatra ny Mpihaino (be p. 230 § 1-6)

No. 1: Ny Filazana An’i Jesosy (be p. 275 lohatenikely–p. 276 § 1)

No. 2: w 15/1/03 p. 19-20 § 16-18

No. 3: Mifankatia ny Olona ao Amin’ny Fivavahana Marina, ary Tsy Anisan’izao Tontolo Izao (rs p. 269 § 3-4)

No. 4: Tsy Fananana Harena Fotsiny ny hoe Matimatin-karena

7 Feb. Famakiana Baiboly: Mpitsara 11-14 Hira 209

Zavatra Tandremana: Hampiana-javatra ny Lahateny Raha Manao Fikarohana Isika (be p. 231 § 1-3)

No. 1: Asongadino fa Mpanavotra i Jesosy (be p. 276 § 2-3)

No. 2: Mpitsara 12:1-15

No. 3: Nahoana no Miray Saina ny Vavolombelon’i Jehovah?

No. 4: Mazoto Mitory ny Fanjakan’Andriamanitra ny Tena Kristianina (rs p. 270 § 1)

14 Feb. Famakiana Baiboly: Mpitsara 15-18 Hira 105

Zavatra Tandremana: Manazava ny Soratra Masina (be p. 231 § 4-5)

No. 1: Asongadino fa Mpisoronabe sy Lohan’ny Fiangonana i Jesosy (be p. 277 § 1-2)

No. 2: Mpitsara 15:9-20

No. 3: aRaha Misy Milaza Aminao hoe: ‘Rehefa Mino An’i Jesosy Ianao, Tsy Mampaninona Izay Fiangonana Misy Anao’ (rs p. 272 § 3)

No. 4: Nahoana no Tsy Manao Hipnotisma ny Kristianina?

21 Feb. Famakiana Baiboly: Mpitsara 19-21 Hira 53

Zavatra Tandremana: Fanazavana ny Hevitry ny Teny (be p. 232 § 1)

No. 1: Asongadino fa Mpanjaka i Jesosy (be p. 277 § 3-4)

No. 2: w 1/2/03 p. 17-18 § 18-21

No. 3: bRaha Misy Milaza Aminao hoe: ‘Inona no Mahatonga Anao Hilaza fa Iray Ihany ny Fivavahana Marina?’ (rs p. 272 § 4)

No. 4: Inona no Sasany Amin’ireo “Zava-dalin’Andriamanitra”? (1 Kor. 2:10)

28 Feb. Famakiana Baiboly: Rota 1-4 Hira 120

Zavatra Tandremana: Mampisaintsaina Amin’ny Andinin-teny (be p. 232 § 2-4)

Famerenana Am-bava

7 Mar. Famakiana Baiboly: 1 Samoela 1-4 Hira 221

Zavatra Tandremana: Mifidiana Fanazavana Handraisan’ny Mpihaino Soa (be p. 233 § 1-5)

No. 1: I Kristy no Ataovy ho Fanorenana (be p. 278 § 1-4)

No. 2: 1 Samoela 2:1-11

No. 3: Tsy Nofo Aman-dra Intsony i Jesosy Rehefa Niakatra Tany An-danitra (rs p. 166 § 2-4)

No. 4: Nahoana ny Kristianina no Tsy Mijery Tonon’andro?

14 Mar. Famakiana Baiboly: 1 Samoela 5-9 Hira 151

Zavatra Tandremana: Mampiasa Izay Asaina Velabelarina (be p. 234 § 1–p. 235 § 3)

No. 1: Ity Filazantsaran’ny Fanjakana Ity (be p. 279 § 1-4)

No. 2: 1 Samoela 5:1-12

No. 3: Nahoana no Niseho Tamin’ny Vatana Ara-nofo i Jesosy? (rs p. 166 § 5–p. 167 § 3)

No. 4: Ahoana no Hanatsarana ny Fifandraisantsika Amin’i Jehovah?

21 Mar. Famakiana Baiboly: 1 Samoela 10-13 Hira 166

Zavatra Tandremana: Fahaiza-mampiasa Fanontaniana (be p. 236 § 1-5)

No. 1: Hazavao hoe Inona Ilay Fanjakana (be p. 280 § 1-5)

No. 2: 1 Samoela 10:1-12

No. 3: Ahoana no Tokony Hitondran’ny Kristianina ny Havany Tsy Mitovy Finoana Aminy?

No. 4: Hitovy Amin’i Kristy Ireo Hatsangana mba Hiara-manjaka Aminy (rs p. 167 § 5–p. 168 § 4)

28 Mar. Famakiana Baiboly: 1 Samoela 14-15 Hira 172

Zavatra Tandremana: Fanontaniana mba Hampidirana Hevi-dehibe (be p. 237 § 1-2)

No. 1: Hazavao fa Mahakasika ny Fiainantsika Ilay Fanjakana (be p. 281 § 1-4)

No. 2: w 15/3/03 p. 19-20 § 17-21

No. 3: Nahoana no Mandoa Hetra ny Kristianina?

No. 4: Inona no Soa Horaisin’ny Olombelona Rehefa Hatsangana ny Maty? (rs p. 168 § 5–p. 169 § 1)

4 Apr. Famakiana Baiboly: 1 Samoela 16-18 Hira 27

Zavatra Tandremana: Fanontaniana mba Hampisaintsainana (be p. 237 § 3–p. 238 § 2)

No. 1: Nahoana no Zava-dehibe Amin’ny Kristianina ny Fianarana? (w 15/3/03 p. 10 § 1–p. 11 § 5)

No. 2: 1 Samoela 17:41-51

No. 3: Nahoana Ireo Hatsangana Amin’ny Maty no Tsy Hotsaraina Noho ny Zavatra Nataony Taloha? (rs p. 170 § 2)

No. 4: Manampy Antsika ho Tia ny Tsara sy Hankahala ny Ratsy, ny Fieritreretana ny ho Vokatry ny Ataontsika

11 Apr. Famakiana Baiboly: 1 Samoela 19-22 Hira 73

Zavatra Tandremana: Fanontaniana mba Hahafantarana ny Fihetseham-pon’ny Olona (be p. 238 § 3-5)

No. 1: Inona no Azon’ny Tanora Atao mba Handrosoana Ara-panahy? (w 1/4/03 p. 8-10)

No. 2: 1 Samoela 20:24-34

No. 3: Nahoana ny Fanetren-tena no Toetra Manintona?

No. 4: Inona no Dikan’ny hoe ho Velona Indray eto An-tany Ireo ‘Sisa Amin’ny Maty’? (rs p. 170 § 3–p. 171 § 3)

18 Apr. Famakiana Baiboly: 1 Samoela 23-25 Hira 61

Zavatra Tandremana: Fanontaniana mba Hanamafisan-kevitra (be p. 238 § 6–p. 239 § 1)

No. 1: Matokia An’i Jehovah Amin’ny Fonao Manontolo (w 1/11/03 p. 4-7)

No. 2: w 1/5/03 p. 17 § 11-14

No. 3: Iza no Hitsangana eto An-tany? (rs p. 171 § 4–p. 172 § 2)

No. 4: Nahoana Andriamanitra no Nanao Fifanekena Tamin’i Abrahama?

25 Apr. Famakiana Baiboly: 1 Samoela 26-31 Hira 217

Zavatra Tandremana: Fanontaniana mba Hanalana Sarona ny Fomba Fisaina Diso (be p. 239 § 2-4)

Famerenana Am-bava

2 Mey Famakiana Baiboly: 2 Samoela 1-3 Hira 91

Zavatra Tandremana: Fampitahana sy Fampitoviana Hoenti-mampianatra (be p. 240 § 1–p. 241 § 1)

No. 1: Tsy mba Hahazoana Asa Fotsiny no Antony Hianarana (w 15/3/03 p. 11 § 6–p. 14 § 6)

No. 2: 2 Samoela 2:1-11

No. 3: Maharitra An-taonany Maro Ireo Zava-mitranga Mifandray Amin’ny Fanatrehan’i Kristy (rs p. 276 § 1-2)

No. 4: Ireo Soa Maro Raisintsika Rehefa Manao ny Marina

9 Mey Famakiana Baiboly: 2 Samoela 4-8 Hira 183

Zavatra Tandremana: Mampiasà Ohatra (be p. 241 § 2-4)

No. 1: Tena Miahy ny Tanora i Jehovah (w 15/4/03 p. 29 § 3–p. 31 § 3)

No. 2: 2 Samoela 5:1-12

No. 3: Inona no Notanterahin’ny Fifaneken’ny Lalàna?

No. 4: Tsy Hita Maso ny Fiverenan’i Kristy (rs p. 277 § 1-3)

16 Mey Famakiana Baiboly: 2 Samoela 9-12 Hira 66

Zavatra Tandremana: Ohatra avy ao Amin’ny Baiboly (be p. 242 § 1-2)

No. 1: Voamarik’i Jehovah ve Izay Ataonao? (w 1/5/03 p. 28-31)

No. 2: 2 Samoela 9:1-13

No. 3: Ny Fomba Hiverenan’i Jesosy sy ny Hevitry ny hoe Hahita Azy ny Maso Rehetra (rs p. 277 § 5–p. 278 § 4)

No. 4: Nahoana no Lazaina hoe Velona ny Tenin’Andriamanitra? (Heb. 4:12)

23 Mey Famakiana Baiboly: 2 Samoela 13-15 Hira 103

Zavatra Tandremana: Ho Azon’ny Olona ve Ilay Izy? (be p. 242 § 3–p. 243 § 1)

No. 1: Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Diarin’i Noa? (w 15/5/03 p. 4-7)

No. 2: 2 Samoela 13:10-22

No. 3: Inona no Hevitry ny Jaona 11:25, 26?

No. 4: Ireo Fisehoan-javatra Nampifandraisina Tamin’ny Fanatrehan’i Kristy (rs p. 279 § 2-6)

30 Mey Famakiana Baiboly: 2 Samoela 16-18 Hira 132

Zavatra Tandremana: Fanoharana avy Amin-javatra Mahazatra (be p. 244 § 1-2)

No. 1: Arovy ny Sainao, Manaova Zavatra Amim-pahendrena (w 15/7/03 p. 21-23)

No. 2: w 15/5/03 p. 16-17 § 8-11

No. 3: Tsy Takina Amin’ny Kristianina ny Sabata (rs p. 362 § 1–p.363 § 2)

No. 4: Nahoana no Tsy Fahalemena ny Fanetren-tena?

6 Jona Famakiana Baiboly: 2 Samoela 19-21 Hira 224

Zavatra Tandremana: Fanoharana Mety Tsara Amin’ny Mpihaino (be p. 244 § 3–p. 245 § 4)

No. 1: Fantaro ny Anton’ny Fananarana (w 1/10/03 p. 20 § 1–p. 21 § 6)

No. 2: 2 Samoela 19:2-11

No. 3: Ahoana no Hidiran’ny Kristianina ao Amin’ny Fitsaharan’Andriamanitra?

No. 4: Tsy Milaza ny Baiboly hoe Nitandrina ny Sabata i Adama (rs p. 363 § 3–p. 364 § 1)

13 Jona Famakiana Baiboly: 2 Samoela 22-24 Hira 74

Zavatra Tandremana: Fahaiza-mampiasa Zavatra Hita Maso (be p. 247 § 1-2)

No. 1: Maneke Hampianarina, Ambeno ny Vavanao (w 15/9/03 p. 21 § 1–p. 22 § 4)

No. 2: 2 Samoela 24:10-17

No. 3: Tsy Nizara ny Lalàn’i Mosesy ho Tapany “Ara-pombafomba” sy “Ara-pitondran-tena” i Jesosy (rs p. 364 § 2-3)

No. 4: Inona avy no Tafiditra Amin’ny hoe Tafasaraka Amin’izao Tontolo Izao?

20 Jona Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 1-2 Hira 2

Zavatra Tandremana: Nampiasa Zavatra Hita Maso i Jesosy (be p. 247 § 3)

No. 1: Mahaiza Mianina Amin’izay Anananao (w 1/6/03 p. 8-11)

No. 2: w 1/6/03 p. 12-13 § 1-4

No. 3: Inona no Mampiavaka ny Didy Fahafolo ao Amin’ny Didy Folo?

No. 4: Nofoanana Niaraka Tamin’ny Lalàn’i Mosesy ny Didy Folo (rs p. 365 § 1-2)

27 Jona Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 3-6 Hira 167

Zavatra Tandremana: Ny Fomba Hampiasana Zavatra Hita Maso (be p. 248 § 1-3)

Famerenana Am-bava

4 Jolay Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 7-8 Hira 194

Zavatra Tandremana: Mampiasà Sarintany, Fandaharana Amin’ny Fivoriambe, ary Video (be p. 248 § 4–p. 249 § 2)

No. 1: Tiavo Ireo Zokiolona Mpiray Finoana Aminao (w 1/9/03 p. 30-31)

No. 2: 1 Mpanjaka 8:1-13

No. 3: Ahoana no Nandresen’i Jesosy An’izao Tontolo Izao?

No. 4: Nahoana no Mbola Misy Fitsipika Ara-pitondran-tena, na dia Foana aza ny Didy Folo? (rs p. 365 § 3–p. 366 § 1)

11 Jolay Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 9-11 Hira 191

Zavatra Tandremana: Fahaiza-mampiasa Zavatra Hita Maso Rehefa Betsaka Kokoa no Iresahana (be p. 249 § 3–p. 250 § 1)

No. 1: Porofo fa Tetỳ An-tany i Jesosy Kristy (w 15/6/03 p. 4-7)

No. 2: 1 Mpanjaka 9:1-9

No. 3: Inona no Dikan’ny Sabata, ho An’ny Kristianina? (rs p. 366 § 2–p. 367 § 4)

No. 4: Azo Ialana ny Zava-mahadomelina, Raha Mankatò ny Toro Lalan’ny Baiboly

18 Jolay Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 12-14 Hira 162

Zavatra Tandremana: Nahoana no Ilaina ny Fahaizana Mampisaintsaina? (be p. 251 § 1-3)

No. 1: Ny Eritreritra sy ny Atao ary ny Vokany (w 15/1/03 p. 30 § 1-3)

No. 2: 1 Mpanjaka 12:1-11

No. 3: Manampy Antsika Hiatrika Fitsapana ny Finoana

No. 4: Iza no Lazain’ny Baiboly fa Olo-masina? (rs p. 347 § 1–p. 348 § 2)

25 Jolay Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 15-17 Hira 158

Zavatra Tandremana: Inona no Hanombohana Azy? (be p. 251 § 4–p. 252 § 3)

No. 1: Ahoana no ‘Hamantarana Izay Sitrapon’i Jehovah’? (w 1/12/03 p. 21 § 3–p. 23 § 2)

No. 2: w 15/7/03 p. 19 § 15-17

No. 3: Nahoana Isika no Tsy Mivavaka Amin’ny Olo-masina? (rs p. 348 § 3–p. 349 § 2)

No. 4: Ahoana no Ampiononan’ny Fanahy Masina ny Kristianina?

1 Aog. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 18-20 Hira 207

Zavatra Tandremana: Rahoviana no Mandefitra? (be p. 252 § 4–p. 253 § 2)

No. 1: Mandehana Mendrika An’i Jehovah, ry Tanora (w 15/10/03 p. 23 § 1-6)

No. 2: 1 Mpanjaka 18:1-15

No. 3: Afaka Mamokatra Be ny Kristianina Rehetra

No. 4: Ny Marina Momba ny Fankamasinana Relìka sy Sarin’ny “Olo-masina” (rs p. 349 § 3–p. 350 § 3)

8 Aog. Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 21-22 Hira 92

Zavatra Tandremana: Mametraha Fanontaniana, Manomeza Antony (be p. 253 § 3–p. 254 § 2)

No. 1: Vahaolana Maharitra Amin’ny Fahantrana (w 1/8/03 p. 4-7)

No. 2: 1 Mpanjaka 21:15-26

No. 3: Tsy Afaka Tanteraka Amin’ny Ota ny Tena “Olo-masina” (rs p. 350 § 4)

No. 4: Nahoana Isika no Tokony ho Be Herim-po, ary Ahoana no Hananantsika Izany?

15 Aog. Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 1-4 Hira 16

Zavatra Tandremana: Porofo Marim-pototra Miorina Mafy Amin’ny Tenin’Andriamanitra (be p. 255 § 1–p. 256 § 2)

No. 1: Efa Nahazo Maimaim-poana Ianareo, koa Manomeza Maimaim-poana (w 1/8/03 p. 20-22)

No. 2: 2 Mpanjaka 3:1-12

No. 3: Nahoana no Tena Ela Velona ny Olona Talohan’ny Safodrano?

No. 4: Tsy Milaza ny Baiboly fa ho Voavonjy ny Olona Rehetra (rs p. 126 § 2)

22 Aog. Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 5-8 Hira 193

Zavatra Tandremana: Manomeza Porofo Fanampiny (be p. 256 § 3-5)

No. 1: Mianara Mandanjalanja (w 1/8/03 p. 29-31)

No. 2: w 1/8/03 p. 19 § 18-22

No. 3: Ho Voavonjy ve ny Olona Rehetra Amin’ny Farany? (rs p. 127 § 1)

No. 4: Inona no Toetra Tsaran’i Jona Tokony Hotahafintsika?

29 Aog. Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 9-11 Hira 129

Zavatra Tandremana: Manomeza Porofo Ampy (be p. 257 § 1-4)

Famerenana Am-bava

5 Sept. Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 12-15 Hira 175

Zavatra Tandremana: Fiezahana Hanohina ny Fo (be p. 258 § 1-5)

No. 1: Mitady An’i Jehovah Amim-pikirizana ve Ianao? (w 15/8/03 p. 25-28)

No. 2: 2 Mpanjaka 12:2-13

No. 3: Nahoana Isika no Mikatsaka Fahalemem-panahy?

No. 4: Ho Voavonjy “ny Karazan’olona Rehetra” (rs p. 127 § 2)

12 Sept. Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 16-18 Hira 203

Zavatra Tandremana: Fanovozana ny ao Am-pon’ny Olona (be p. 259 § 1-3)

No. 1: Inona no Tsaroan’ny Olona Momba An’i Jesosy? (w 15/8/03 p. 6 § 5–p. 8 § 6)

No. 2: 2 Mpanjaka 16:10-20

No. 3: Milaza ny Baiboly fa Tsy Hovonjena Mihitsy ny Olona Sasany (rs p. 128 § 1-3)

No. 4: Ahoana no Ahafantarantsika Tsara Izay Ankasitrahan’ny Tompo?

19 Sept. Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 19-22 Hira 89

Zavatra Tandremana: Entano ny Mpihaino mba Hanana Fihetseham-po Tsara (be p. 259 § 4–p. 260 § 1)

No. 1: “Hazòny Hatrany ny Modelin’ny Teny Mahasoa” (w 1/1/03 p. 29 § 3–p. 30 § 4)

No. 2: 2 Mpanjaka 19:20-28

No. 3: Tsy Marina ny hoe Voavonjy Indray Mandeha, dia Voavonjy Mandrakizay (rs p. 128 § 4-7)

No. 4: Inona no Ianarantsika avy Amin’ireo Rahalahintsika Kristianina Tany Smyrna Fahiny?

26 Sept. Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 23-25 Hira 84

Zavatra Tandremana: Ampio ny Hafa Hatahotra An’Andriamanitra (be p. 260 § 2-3)

No. 1: Ny Baiboly sy ny Kanônany—Fizarana 1 (si p. 299-300 § 1-6)

No. 2: w 15/8/03 p. 20 § 6-10

No. 3: Be Fanantenana Isika Raha ny Amin’ny Hoavy

No. 4: Nahoana no Tokony Haseho Amin’ny Atao ny Finoana? (rs p. 129 § 1-4)

3 Okt. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 1-4 Hira 51

Zavatra Tandremana: Zava-dehibe Amin’i Jehovah ny Fitondran-tenantsika (be p. 260 § 4–p. 261 § 1)

No. 1: Ny Baiboly sy ny Kanônany—Fizarana 2 (si p. 300-302 § 7-16)

No. 2: 1 Tantara 4:24-43

No. 3: Ahoana no Ahafantarana fa Tena Misy ny Devoly? (rs p. 373 § 1–p. 374 § 1)

No. 4: Tia Antsika Isam-batan’olona i Jehovah

10 Okt. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 5-7 Hira 195

Zavatra Tandremana: Ampio ny Hafa Handini-tena (be p. 261 § 2-4)

No. 1: Ny Baiboly sy ny Kanônany—Fizarana 3 (si p. 302-305 § 17-26)

No. 2: 1 Tantara 5:18-26

No. 3: Inona no Fantatsika Momba ny “Andron’i Jehovah”?

No. 4: Tsy ny Ratsy ao Anatin’ny Olona Fotsiny i Satana (rs p. 374 § 2-4)

17 Okt. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 8-11 Hira 201

Zavatra Tandremana: Ampio ny Hafa Hankatò Amin’ny Fo (be p. 262 § 1-4)

No. 1: Ny Soratra Hebreo ao Amin’ny Soratra Masina—Fizarana 1 (si p. 305-306 § 1-5)

No. 2: 1 Tantara 10:1-14

No. 3: Tsy Andriamanitra no Namorona ny Devoly (rs p. 375 § 1)

No. 4: Rehefa Mifandray Amin’iza Isika no Tokony Hahay Handanjalanja?

24 Okt. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 12-15 Hira 80

Zavatra Tandremana: Miaraha Miasa Amin’i Jehovah mba Hanohinana ny Fon’ny Olona (be p. 262 § 5)

No. 1: Ny Soratra Hebreo ao Amin’ny Soratra Masina—Fizarana 2 (si p. 306-307 § 6-9)

No. 2: w 1/11/03 p. 10-11 § 10-13

No. 3: Inona no Tena Dikan’ny hoe Mandeha Amin’ny Anaran’i Jehovah?

No. 4: Nahoana no Tsy Naringan’Andriamanitra avy Hatrany i Satana Taorian’ny Nikomiany? (rs p. 375 § 2–p. 376 § 1)

31 Okt. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 16-20 Hira 129

Zavatra Tandremana: Ny Fomba Hamitana Anjara na Lahateny Ara-potoana (be p. 263 § 1–p. 264 § 4)

Famerenana Am-bava

7 Nov. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 21-25 Hira 215

Zavatra Tandremana: Fananarana Mandaitra (be p. 265 § 1–p. 266 § 1)

No. 1: Ny Soratra Hebreo ao Amin’ny Soratra Masina—Fizarana 3 (si p. 307-310 § 10-16)

No. 2: 1 Tantara 22:1-10

No. 3: Aza Hamaivanina ny Fahefan’ny Devoly (rs p. 376 § 2–p. 377 § 1)

No. 4: cAhoana no Hanamafisana ny Fatoram-panambadiana?

14 Nov. Famakiana Baiboly: 1 Tantara 26-29 Hira 35

Zavatra Tandremana: Mananatra Noho ny Fitiavana (be p. 266 § 2-4)

No. 1: Ny Soratra Hebreo ao Amin’ny Soratra Masina—Fizarana 4 (si p. 310-312 § 17-25)

No. 2: 1 Tantara 29:1-9

No. 3: Nahoana no Enjehina ny Mpanompon’i Jehovah?

No. 4: Hifarana Tsy ho Ela ny Fitaoman-dratsin’i Satana (rs p. 377 § 2–p. 378 § 2)

21 Nov. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 1-5 Hira 46

Zavatra Tandremana: Fananarana Miorina Amin’ny Baiboly (be p. 267 § 1-2)

No. 1: Ny Soratra Hebreo ao Amin’ny Soratra Masina—Fizarana 5 (si p. 312-314 § 26-31)

No. 2: 2 Tantara 1:18–2:9

No. 3: Fantaro ny Anton’ny Fananarana

No. 4: dFahotana Daholo ve Rehefa Firaisana Ara-nofo? (rs p. 343 § 1–p. 344 § 2)

28 Nov. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 6-9 Hira 106

Zavatra Tandremana: Sahy Miteny (be p. 267 § 3-4)

No. 1: Ny Soratra Grika Kristianina ao Amin’ny Soratra Masina—Fizarana 1 (si p. 315-316 § 1-7)

No. 2: w 1/12/03 p. 15-16 § 3-6

No. 3: Ahoana no Ampisehoantsika fa Miravoravo Amin’i Jehovah Isika?

No. 4: eInona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Firaisan’ny Samy Lehilahy na Samy Vehivavy? (rs p. 344 § 4–p. 345 § 2)

5 Des. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 10-14 Hira 116

Zavatra Tandremana: Nahoana no Tena Ilaina ny Mampahery? (be p. 268 § 1-3)

No. 1: Ny Soratra Grika Kristianina ao Amin’ny Soratra Masina—Fizarana 2 (si p. 316-317 § 8-16)

No. 2: 2 Tantara 12:1-12

No. 3: Nahoana Isika no Mila ny Hatsaram-panahy Tsy Manam-paharoan’Andriamanitra?

No. 4: Ireo Fiovana Tsy Maintsy Atao mba Hampifaliana An’Andriamanitra (rs p. 345 § 2–p. 346 § 1)

12 Des. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 15-19 Hira 182

Zavatra Tandremana: Ampahatsiahivo ny Zavatra efa Nataon’i Jehovah (be p. 268 § 4–p. 269 § 2)

No. 1: Ny Soratra Grika Kristianina ao Amin’ny Soratra Masina—Fizarana 3 (si p. 317-319 § 17-25)

No. 2: 2 Tantara 19:1-11

No. 3: Nahoana no Mety Hanota ny Olona Lavorary? (rs p. 119 § 1–p. 120 § 2)

No. 4: Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Fianakavian’i Jesosy?

19 Des. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 20-24 Hira 186

Zavatra Tandremana: Resaho ny Fomba Nanampian’i Jehovah ny Vahoakany (be p. 269 § 3-5)

No. 1: Ny Soratra Grika Kristianina ao Amin’ny Soratra Masina—Fizarana 4 (si p. 319-320 § 26-32)

No. 2: w 15/12/03 p. 16-17 § 13-15

No. 3: Ireo Soa Azo Rehefa Mahay Mianina

No. 4: Nahoana Isika no Tokony Hiaiky fa Misy ny Fahotana? (rs p. 121 § 1–p. 122 § 2)

26 Des. Famakiana Baiboly: 2 Tantara 25-28 Hira 137

Zavatra Tandremana: Asehoy fa Mahafaly Anao Izay Ataon’Andriamanitra Ankehitriny (be p. 270 § 1–p. 271 § 2)

Famerenana Am-bava

[Fanamarihana ambany pejy]

a Raha ampy ny fotoana dia diniho ny fomba hamaliana ny olona miziriziry amin’ny heviny na manohitra, sns., mba hifanaraka amin’izay fahita eny amin’ny faritany.

b Raha ampy ny fotoana dia diniho ny fomba hamaliana ny olona miziriziry amin’ny heviny na manohitra, sns., mba hifanaraka amin’izay fahita eny amin’ny faritany.

c Natao ho an’ny rahalahy ihany.

d Natao ho an’ny rahalahy ihany.

e Natao ho an’ny rahalahy ihany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara