Tahirizo
Fomba Fanolorana Boky sy Bokikely
Ampiasao ireto fanoloran-kevitra ireto, rehefa manomana ny fomba ametrahana ny zavatra atolotra amin’ny volana ianao.
Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
“Mieritreritra momba an’i Jesosy ny olona maro, amin’izao fotoanan’ny Krismasy izao. Noho ny zava-dratsy be dia be eran-tany anefa, dia mety hanontany tena ny olona sasany raha tena miahy antsika i Jesosy. Ahoana no hevitrao momba izany?” Avelao izy hamaly. Sokafy eo amin’ny toko 24 ilay boky, ary resaho vetivety ny antony nahatongavan’i Jesosy teto an-tany. Vakio avy eo ny Jaona 15:13, ary asongadino ny fitiavana lalina nasehon’i Jesosy. Aza hadinoina ny milaza fa tohanana amin’ny fanomezana an-tsitrapo ny asantsika maneran-tany.
“Rehefa misy resaka momba an’i Jesosy Kristy, dia olona maro no mieritreritra azy ho toy ny zazakely, na olona mijaly efa ho faty. Ny nahaterahany sy ny nahafatesany fotsiny no eritreretin’izy ireo. Tsy voamarika akory matetika ireo zavatra mahatalanjona nolazainy sy nataony nandritra ny fiainany. Misy fiantraikany eo amin’ny olona rehetra anefa ny zavatra nataony. Noho izany, dia mila mianatra momba ireo zavatra mahatalanjona nataony ho antsika isika.” Vakio ny Jaona 17:3. Sokafy eo amin’ny pejy voalohany misy ny teny fampidirana ilay boky, ary vakio ny fehintsoratra fahefatra.
“Indro, Havaoziko ny Zavatra Rehetra”
“Efa mba nanontany tena ve ianao raha hanao zavatra ihany Andriamanitra, amin’izao faharatsiana be dia be eto an-tany izao? [Avelao izy hamaly.] Hazavain’ny Baiboly fa haringana tsy ho ela ny ratsy fanahy. [Vakio ny Salamo 92:7.] Raha izany no izy, iza no afaka hanome tari-dalana tsara sy hiaro antsika? [Vakio ny Salamo 145:20.] Tsy ho voavonjy àry isika, raha tsy mifandray tsara amin’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona antsika. Tokony hoeritreretintsika ireo fitahiana ampanantenainy ho an’ny olona rehetra mankatò.” Azonao sokafana eo amin’ny fehintsoratra 49 sy 50 avy eo ilay bokikely, mba hanazavana izay hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny olona.
Inona no Takin’Andriamanitra Amintsika?
“Heverinao ve fa nataon’Andriamanitra hiaina ao anatin’ny zava-manahirana toy izao misy ankehitriny izao isika? [Avelao izy hamaly. Vakio avy eo ny Matio 6:10.] Efa mba noeritreretinao ve hoe inona marina io Fanjakan’Andriamanitra io?” Sokafy eo amin’ny lesona 6 ilay bokikely, ary vakio ireo fanontaniana eo am-piandohana. Atombohy ny fiaraha-midinika ilay lesona, na manaova fotoana mba handinihana izany amin’ny manaraka.
“Mbola mampijaly sy miteraka alahelo foana ankehitriny ny aretina sy ny fahafatesana, na dia betsaka aza ny fandrosoana vitan’ny olona. Fantatrao ve hoe inona no hataon’i Jesosy ho an’ny marary, ny antitra, ary ny maty?” Avelao izy hamaly. Raha maniry hahalala ny valiny ilay olona, dia sokafy eo amin’ny lesona 5 ilay bokikely, ary vakio ny fanontaniana 5-6. Iaraho midinika ireo fehintsoratra, na manaova fotoana mba hanaovana izany amin’ny manaraka.
Manatòna An’i Jehovah
“Maniry hanatona akaiky kokoa an’Andriamanitra ny olona maro mino azy. Fantatrao ve fa manasa antsika hanatona azy Andriamanitra? [Vakio ny Jakoba 4:8.] Ity boky ity dia natao hanampiana ny olona hampiasa ny Baiboliny, mba hanatonany an’Andriamanitra.” Vakio ny fehintsoratra voalohany, eo amin’ny pejy 16.
“Manjaka ny tsy rariny ankehitriny. Tanteraka mihitsy ny voalazan’ity andinin-teny ity. [Vakio ny Mpitoriteny 8:9b.] Maro no manontany tena hoe mbola miahy antsika ihany ve Andriamanitra? [Vakio ny fehezanteny roa voalohany eo amin’ny fehintsoratra 4, eo amin’ny pejy 119.] Hazavain’ity toko ity hoe nahoana no avelan’Andriamanitra hisy ny tsy rariny.”
Miambena Hatrany!
“Maro no sahiran-tsaina noho ireo olana lehibe sy fisehoan-javatra mahatsiravina fahita ankehitriny. [Milazà zava-niseho iray fantatry ny olona.] Fantatrao ve fa izy ireny dia anisan’ny famantarana fa hitondra tsy ho ela ny tany ny Fanjakan’Andriamanitra? [Avelao izy hamaly. Mamakia andinin-teny mifanaraka amin’ilay zava-niseho, toy ny Matio 24:3, 7, 8; Lioka 21:7, 10, 11; na 2 Timoty 3:1-5.] Resahin’ity bokikely ity hoe nahoana isika ankehitriny no tena tokony ho mailo handinika ny dikan’ireo zava-mitranga ireo.”
“Maro ankehitriny no kivy noho ireo fisehoan-javatra mahatsiravina mitranga eran-tany, na noho ny zavatra nanjo azy. Ao ny manontany tena hoe: Nahoana Andriamanitra no mamela azy ireny hitranga? Manome toky antsika anefa ny Baiboly, fa tsy ho ela Andriamanitra dia hanala ny fijaliana. [Vakio ny Apokalypsy 14:6, 7.] Mariho ny ho vokatry ny didim-pitsaran’Andriamanitra eo amin’ny olombelona. [Vakio ny 2 Petera 3:10, 13.] Manome fanazavana bebe kokoa momba izany foto-kevitra lehibe izany ity bokikely ity.”
Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe
“Araka ny hevitrao, hihatsara ve izao tontolo izao raha manaraka an’ity torohevitra ity ny olona? [Vakio ny Matio 7:12a, ary avelao izy hamaly.] Misy lesona be dia be avy amin’ilay mpampianatra lehibe indrindra teto an-tany ato amin’ity boky ity.” Asongadino ny sary sy ny fanontaniana miaraka aminy eo amin’ny toko 17.
“Miezaka mampianatra tsikelikely ny zanany mba hanana toetra tsara ny ankamaroan’ny ray aman-dreny ankehitriny. Tena ilaina ve izany, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly. Vakio avy eo ny Ohabolana 22:6.] Mariho fa ampirisihina ny ray aman-dreny eto, mba hampianatra ny zanany dieny mbola zaza izy ireo. Hanampy ny ray aman-dreny amin’izany ity boky ity.” Asongadino ny sary sy ny fanontaniana miaraka aminy eo amin’ny toko 15 na 18.
“Mahagaga ny ray aman-dreny matetika ny fanontaniana apetraky ny zanany. Sarotra ny mamaly ny sasany amin’izy ireny, sa tsy izany? [Avelao izy hamaly. Vakio avy eo ny Efesianina 6:4.] Manampy ny ray aman-dreny hamaly ny fanontanian’ny zanany ity boky ity.” Asongadino ny sary sasany sy ny fanontaniana miaraka aminy, eo amin’ny toko 11 sy 12 na 34 ka hatramin’ny 36.
Mifalia Amin’ny Fiainana eto An-tany Mandrakizay!
“Efa mba nanontany tena ve ianao raha hanao zavatra ihany Andriamanitra, amin’izao faharatsiana be dia be eto an-tany izao? [Avelao izy hamaly.] Hazavain’ny Baiboly fa haringana tsy ho ela ny ratsy fanahy. [Vakio ny Salamo 92:7.] Raha izany no izy, iza no afaka hanome tari-dalana tsara sy hiaro antsika? [Vakio ny Salamo 145:20.] Tsy ho voavonjy àry isika, raha tsy mifandray tsara amin’i Jehovah Andriamanitra Mpamorona antsika. Tokony hoeritreretintsika ireo fitahiana ampanantenainy ho an’ny olona rehetra mankatò.” Avadiho eo amin’ny sary 49 avy eo ilay bokikely, ary vakio ilay fanazavana miaraka aminy. Asongadino ireo fitahiana hita eo.
Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
“Araka ny hevitrao, aiza no azontsika itadiavana fanampiana mba hiatrehana ny adim-piainana? [Avelao izy hamaly. Vakio avy eo ny Romanina 15:4.] Mariho fa manome fianarana, fampiononana, ary fanantenana ho antsika ny Soratra Masina. Manome hery antsika mba hiatrehana zava-manahirana izany. Manome soso-kevitra izay manampy antsika handray soa be dia be avy amin’ny famakiana ny Baiboly ity boky ity.” Asongadino ireo lafiny efatra eo amin’ny pejy 30.
“Efa nivavaka ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra foana ny olona maro, hatramin’ny nandalovan’i Jesosy tetỳ an-tany. Efa nanontany tena ve ianao hoe inona no hataon’io Fanjakana io ho antsika? [Avelao izy hamaly. Vakio avy eo ny Daniela 2:44.] Hazavain’ity boky ity hoe inona ny Fanjakan’Andriamanitra, sy ny zavatra hataony, ary izay azontsika atao mba handraisan-tsoa amin’ny fitondrany.” Asongadino ilay sary eo amin’ny pejy 92-93.
Ny Baiboly—Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?
“Saika ny olon-drehetra no miatrika olana lehibe amin’izao fotoana izao. Maro no mitady tari-dalana any amin’ireo mpanolo-tsaina isan-karazany. Ny sasany mitady fanampiana any amin’ny mpanandro. Aiza, araka ny hevitrao, no ahitantsika torohevitra tsara mba handaminana ny olana mahazo antsika? [Avelao izy hamaly.] Milaza zava-dehibe tokony ho fantatsika rehetra ny Baiboly. [Vakio ny 2 Timoty 3:16. Sokafy ao amin’ny pejy 187 ilay boky, ary vakio ny fehintsoratra 9.] Asehon’ity boky ity fa tena mahasoa foana ny fanarahana izay lazain’ny Baiboly.”
Ny Fanambarana—Akaiky ny Fiafarany Malaza!
“Efa renao angamba fa [milazà zava-nitranga iray]. Rehefa maty tampoka toy izany ny olona, dia maro no manontany tena hoe ahoana no azo ampiononana ireo fianakaviana nidonam-pahoriana. Ahoana no hevitrao?” Avelao izy hamaly. Sokafy eo amin’ny pejy 299 avy eo ilay boky, ary asehoy ilay sary momba ny fitsanganana amin’ny maty. Resaho avy eo hoe: “Maro no gaga mahafantatra fa na ny marina na ny tsy marina, dia samy hatsangana amin’ny maty ao amin’ny Paradisa eto an-tany. [Vakio ny Asan’ny Apostoly 24:15 izay voasoratra eo amin’ny fehintsoratra 9 ao amin’ny pejy 297, ary vakio ilay fanazavana eo amin’ny fehintsoratra 10.] Misy tsipiriany mahaliana maro hafa mahakasika ny fikasan’Andriamanitra momba ny hoavy, ato amin’ity boky ity.”
Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana
Azonao atao ny milaza toy izao, raha mihaona amin’ny tanora ianao: “Maro amin’ireo mitovy taona aminao no mieritreritra momba ny fanambadiana. Aiza anefa no ahitanao fanazavana azo itokisana momba izany? [Avelao izy hamaly.] Milaza ny tanora matetika, fa tsy fantany raha vonona ho amin’ny fanambadiana izy. Tiako haseho anao izay lazain’ity boky ity momba izany.” Sokafy eo amin’ny pejy 14 ny boky Fahasambaram-pianakaviana, ary vakio ny fehintsoratra 3. Asehoy azy avy eo ny lohatenikely tsirairay ao amin’ilay toko. Atolory ilay boky, ary manaova fotoana aminy mba hitsidika azy indray.
Raha miresaka amin’ny ray na reny ianao, dia afaka miteny hoe: “Miresaka toro lalana mahasoa sasany, izay tena azo ampiharina amin’ny fitaizan-janaka izahay. Natambatra ato amin’ity boky Ny Tsiambaratelon’ny Fahasambaram-pianakaviana ity izany.” Sokafy eo amin’ny pejy 55 ilay boky. Vakio ny fehintsoratra 10, sy ny voalazan’ny Deoteronomia 6:6, 7 eo amin’ny fehintsoratra 11. Sariho ny sainy ho amin’ireo fehezanteny amin’ny sora-mandry eo amin’ny fehintsoratra 12-16. Milazà toy izao avy eo: “Nanampy ray aman-dreny maro mba hahomby kokoa tamin’ny fitaizana ny zanany ity boky ity. Azoko omena anao izy ity, raha tianao ny hamaky azy.”
Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao
“Miezaka manampy an’ireo rehetra nidonam-pahoriana aho. Tsy misy zavatra mafy noho izany angamba. Izany no namoahana ity bokikely ity hoe Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao. Efa nanampy olona an-tapitrisany izy ity. Tiako haseho anao izay lazainy momba ny fampanantenana iray mahafaly nomen’i Jesosy Kristy. [Vakio ny fehintsoratra 5 eo amin’ny pejy 27, anisan’izany ny Jaona 5:21, 28, 29.] Mariho ity sary eo amin’ny pejy 26 ity, izay mampiseho ny fitantaran’ny Filazantsara ny nananganan’i Jesosy an’i Lazarosy tamin’ny maty. Mampionona ity bokikely ity, ka faly aho hametraka azy aminao, raha tianao ny hamaky azy.”
Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?
“Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana Andriamanitra no mamela ny fijaliana hisy, raha tena miahy ny olona izy? [Avelao izy hamaly.] Manome valiny mahafa-po momba izany ity bokikely ity. Resahina ato koa fa mampanantena hanala ny fijalian’ny olona Andriamanitra, sady hanamboatra ny tany izay nosimban’izy ireo.” Vakio ny fehintsoratra 23 eo amin’ny pejy 27. Asehoy ilay sary eo ambany, ary vakio ny Salamo 145:16 eo amin’ny fehintsoratra 22. Atolory ilay bokikely. Raha raisiny ilay izy, dia mametraha fanontaniana hovaliana amin’ny fitsidihana manaraka, toy ny hoe: “Irinao ve ny hahafantatra hoe ahoana no hanatanterahan’Andriamanitra ny fikasany hitondra fitahiana ho an’ny olona, sy hanova ny tany ho paradisa?”