FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/05 p. 1
  • Hoantitranterina Kokoa ny Baiboly!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hoantitranterina Kokoa ny Baiboly!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Mitovitovy Aminy
  • Ry Mpamaky
    Mifohaza!—2006
  • Gazety Mahaliana ny Besinimaro ny Mifohaza!
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! — Gazetin’ny Fahamarinana Tonga Amin’ny ...
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
  • Fampiasana Isan-trano Ireo Gazetintsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
km 3/05 p. 1

Hoantitranterina Kokoa ny Baiboly!

1 Tamin’ny 1 Oktobra 1919 no nivoaka voalohany ny gazety Fotoam-pahasambarana. Fitaovana tena nahasoa teo amin’ny asa fitoriana izy io. Nahoana? Satria ho an’ny besinimaro no tena namoahana azy. Tsy toy izany kosa Ny Tilikambo Fiambenana. Ho an’ny “ondry vitsy” no tena namoahana azy, nandritra ny taona maro. (Lioka 12:32) Tena tian’ny mpitory ny Fotoam-pahasambarana, ka nihoatra lavitra noho Ny Tilikambo Fiambenana no voazara, nandritra ny taona maro.

2 Ny tanjon’ny gazety Fotoam-pahasambarana, dia ny hampiseho amin’ny olona fa ny Fanjakana Arivo Taonan’i Kristy ihany no tena vahaolana amin’ny zava-manahirana azy ireo, sady hitondra ilay tena fotoam-pahasambarana ho azy. Nisy fanitsiana maromaro natao tamin’io gazety io, tatỳ aoriana, arakaraka ny zava-nitranga. Novana hoe Fampiononana ny anarany tamin’ny 1937. Lasa hoe Mifohaza! kosa izy io tamin’ny 1946, ary izay no ahalalantsika azy hatramin’izao.

3 Tena nanampy tamin’ilay asa fitoriana lehibe natao nanomboka tamin’ny 1919 io gazety io, hatramin’ny nivoahany. (Matio 24:14) Efa tena akaiky anefa izao ny farany, ka hita fa tsara hasiana fanitsiana fanampiny ny Mifohaza!

4 Olona an-tapitrisany no tia mamaky ny Mifohaza!, satria miresaka loha hevitra tsy ara-pivavahana maro samihafa amin’ny fomba manintona izy io. Azo inoana fa mpamaky azy io tsy tapaka ny ankamaroan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana isan-taona. Izay rehetra maniry ho voafina amin’ny “andro fahatezeran’i Jehovah” anefa, dia tokony hampiana hanao zavatra bebe kokoa, fa tsy ho mpamaky tsy tapaka ny gazetintsika fotsiny.—Zef. 2:3; Apok. 14:6, 7.

5 Hanantitrantitra bebe kokoa momba ny Fanjakan’Andriamanitra àry ny Mifohaza! manomboka amin’ny Janoary 2006. Hampirisika mivantana kokoa ny mpamaky io gazety io, mba hitady vahaolana ao amin’ny Baiboly rehefa manan-java-manahirana. Hanasongadina kokoa ny fanazavan’ny Baiboly ny zava-miseho ankehitriny koa izy io. Hazava kokoa amin’ny mpamaky amin’izay ny dikan’izy ireny, ka mety ho voatosika hianatra bebe kokoa momba an’i Jehovah izy.—Zak. 8:23.

6 Mbola hiresaka loha hevitra isan-karazany mahaliana ihany ny Mifohaza! Ny Baiboly anefa no hoantitranteriny bebe kokoa. (1 Tes. 2:13) Tsy ilaina havoaka indroa isam-bolana intsony àry izy io, satria efa hiorina kokoa amin’ny Soratra Masina ny lahatsoratra ao aminy, sady efa misy fanazavana ara-baiboly lalina ao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Havoaka indray mandeha isam-bolana ny Mifohaza! manomboka amin’ny Janoary 2006. Tena hanamora ny fanomanana sy ny fandikana ary ny fandefasana ny gazetintsika izany.

7 Ny 40 isan-jato eo ho eo amin’ireo fiteny amoahana ny Mifohaza! ihany no ho voakasik’io fiovana io. Efa mivoaka isam-bolana na isan-telo volana mantsy ny Mifohaza! amin’ny fiteny hafa ankoatra an’ireo. Mbola hivoaka indroa isam-bolana kosa Ny Tilikambo Fiambenana.

8 Afaka manolotra an’ilay Mifohaza! miaraka amin’ny Tilikambo iray mivoaka mandritra ny volana ny mpitory. Mifohaza! iray foana amin’izay no hatolony mandritra ny volana, ka tsy voatery hanova ny fomba fampiseho ampiasainy, toy ny amin’izao fotoana izao, izy eny antenatenan’ny volana.

9 Nanomboka tamin’ny 1919, dia tena nanampy teo amin’ny asa fitoriana ny Mifohaza!, izay nantsoina taloha hoe Fotoam-pahasambarana sy Fampiononana. Mivavaka isika mba hotahin’i Jehovah hatrany ny fizarana io gazety hohavaozina io. Mivavaka koa isika mba hanampy olona maro kokoa avy amin’ny “firenena sy foko sy vahoaka ary fiteny rehetra” izy io. Ho hitan’izy ireo amin’izay fa ny Fanjakan’Andriamanitra ihany no azony antenaina.—Apok. 7:9.

[Fanontaniana]

1. Ho an’iza, tamin’ny voalohany, no tena namoahana Ny Tilikambo Fiambenana, ary ho an’iza kosa ny Fotoam-pahasambarana?

2. Inona no anaran’ny Fotoam-pahasambarana ankehitriny, ary inona no tanjon’izy io hatramin’ny voalohany?

3. Tena nanampy tamin’ny fahatanterahan’ny faminaniana iray ny Mifohaza! Inona izany faminaniana izany?

4. a) Inona no tokony hataon’ny olona, raha tiany ny ho voafina amin’ny “andro fahatezeran’i Jehovah”? b) Araka ny Apokalypsy 14:6, 7, inona no asain’ilay ‘anjely manidina eny afovoan’ny lanitra’ ataon’ny olona rehetra?

5. a) Inona no hasongadina kokoa ao amin’ny Mifohaza!, manomboka amin’ny Janoary 2006? b) Mety ho voatosika hanao inona ny olona, ary inona no faminaniana ho tanteraka amin’izany?

6, 7. a) Ahoana no hanampian’ny Mifohaza! ny olona mba hampihatra ny 1 Tesalonianina 2:13? b) Havoaka impiry isam-bolana ny Mifohaza!, ary firy isan-jato amin’ny fiteny amoahana azy no ho voakasik’izany fiovana izany?

8. Ahoana no azo anolorana ny Mifohaza!?

9. Mbola hanampy amin’ny inona foana ny Mifohaza!? 

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara