Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 14 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 3. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana ny Mifohaza! 8 Febroary sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary. Azo atao koa ny mampiasa fomba fampiseho hafa mandaitra. Miverina mitsidika olona fanaterany gazety ilay mpitory, amin’ny iray amin’ireo fampisehoana. Ampiasainy eo am-pamaranana, ny pejy farany amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa, mba hampahatsiahivany an’ilay olona momba ny Fahatsiarovana.
20 min: “Hoantitranterina Kokoa ny Baiboly!”a
15 min: Mifankatiava. (Jaona 13:35) Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2003 pejy 15-18, fehintsoratra 10-21. Araka ny voalaza ao amin’ny fampandrenesana, dia ampirisihina isika hanomboka fampianarana Baiboly. Asongadino izay azon’ny mpitory atao mba hiaraha-miasa amin’ny anti-panahy amin’ny fanampiana ireo malemy.
Herinandron’ny 21 Martsa
10 min: Fampandrenesana.
15 min: “Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso—Fizarana 7.”b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay 2002 pejy 27, fehintsoratra 5-6, rehefa manomana ity anjara ity.
20 min: Inona ny Hara-magedona? Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary iaraho midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 280-284. Asao ny mpanatrika hamaly ireo fanontaniana amin’ny sora-matevina, ka hampiasa ireo andinin-teny voasoratra sy voatonona. Resaho ny fomba azontsika ampiasana ireny fanazavana ireny, rehefa manao fanompoana.
Herinandron’ny 28 Martsa
10 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana ireo fanomezana. Ampirisiho ny rehetra hanasa ny olona liana, mba hanatrika ny lahateny manokana hatao ny 10 Aprily. Resaho ny zavatra atolotra amin’ny Aprily sy Mey.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: Atolory Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Jereo indray ireo fanoloran-kevitra ny amin’ny fomba anolorana gazety maro kokoa, ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Febroary 2005, pejy 8. Miresaha hevitra mahaliana avy amin’ny gazety nivoaka farany. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa sy ny Mifohaza! 8 Martsa. Azo atao koa ny mampiasa fomba fampiseho hafa mandaitra. Hazavao ao amin’ny tsirairay amin’ireo fampisehoana ireo, ny fomba hamatsiana ara-bola ny asantsika.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana, p. 2, na ny Mifohaza! p. 5.
Herinandron’ny 4 Aprily
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo an’ireo mpiandraikitra rehetra izay voalazan’ny fampandrenesana eo amin’ny pejy 3, mahakasika ny fomba fampiasana ny valopy manga.
15 min: “Valin’ny Fanontanianareo.” Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Raha ampy ny fotoana, dia miresaha fanazavana avy ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 26, 130.
20 min: Boky Mampahery Antsika. Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana ary iaraho midinika amin’ny mpanatrika ny Diary 2005. Manjary akaiky an’i Jehovah sy ny rahalahintsika maneran-tany isika, rehefa misaintsaina ny asa mahatalanjona ataony ankehitriny. (Sal. 77:12-14) Lasa mahatohitra ny Devoly, sy manana “finoana matanjaka” koa isika. (1 Pet. 5:8, 9) Manjary mahafantatra sy mankasitraka ny fandaminan’i Jehovah koa ireo vaovao. Asao ny mpanatrika hilaza izay nahafinaritra azy, rehefa namaky ny Diary 2005. Asaivo miomana ny mpitory iray na roa mba hiresaka ny fandaharana ataony mba hamakiana ny Diary.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.