Ankamamio ny Fianarana Ilay Boky Ampianarina
1 Anisan’ny zavatra nampietam-po tamin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra “Mankatoava An’Andriamanitra” ny famoahana ilay boky hoe Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Tsy ho ela isika dia hampiasa azy io matetika eny amin’ny fanompoana, indrindra rehefa mitarika fampianarana Baiboly. Ilaintsika àry ny hahafantatra tsara an’io boky vaovao io. Ho azo atao izany satria hianatra azy io isika, any amin’ny Fianarana Boky, manomboka ny herinandron’ny 17 Aprily 2006.
2 Hisarika ny saina ho amin’ireo fanontaniana eo am-piandohan’ny toko tsirairay ny mpiandraikitra Fianarana Boky. Hampiasa ny fanontaniana erỳ ambany izy avy eo mba hitarihana ny fianarana, ary hovakina sy hohazavaina ny andinin-teny fototra. Hanampy amin’ny famerenana ny fianarana, ilay efajoro eo amin’ny faran’ny toko tsirairay hoe “Inona no Ampianarin’ny Baiboly?” Ho hita eo mantsy ny valiny omen’ny Soratra Masina amin’ireo fanontaniana eo am-piandohan’ny toko. Ho tianao ny hanome valin-teny satria mazava sy tsotra ary mahaliana ireo foto-kevitra ao amin’io boky io.
3 Ahitana tsipiriany momba ny foto-dresaka samihafa ao amin’ny Fanazavana Fanampiny amin’io boky io. Ho azontsika ampiasaina izy io rehefa mila fanazavana bebe kokoa momba ny loha hevitra iray ny olona ampianarintsika. Hisy ampahany amin’ilay Fanazavana Fanampiny hodinihina indraindray mandritra ny Fianarana Boky. Hovakin’ny mpamaky teny ny Fanazavana Fanampiny rehetra momba ny foto-kevitra iray. Ho azo tsinjaraina kosa ny fandinihana ireo lahatsoratra lava kokoa. Tsy misy fanontaniana amin’ilay Fanazavana Fanampiny, fa azon’ilay mpitarika atao ny mametraka fanontaniana hanasongadinana ireo hevi-dehibe.
4 Ho haingana be ny hamitana ny fianarana an’io boky io any amin’ny Fianarana Boky. Tsy voatery hanao toy izany anefa isika rehefa hiara-mianatra an’io boky io amin’ny olona, indrindra raha tsy mahay Baiboly firy na tsy mahay Baiboly mihitsy izy. (Asa. 26:28, 29) Mila hazavaintsika bebe kokoa ireo andinin-teny sy sary sy ny toy izany, mandritra ilay fianarana. Ataovy tanjona àry ny hanatrika isan-kerinandro ny fianarana an’ilay boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?, ary mandraisa anjara feno amin’izany.