Manahafa An’ilay Mpampianatra Lehibe Rehefa Mampiasa ny Boky Ampianarina
1. Ahoana no nataon’i Jesosy rehefa nampianatra?
1 Nanazava zavatra tamin’ny fomba tsotra sy mazava foana i Jesosy, ilay Mpampianatra Lehibe. Nanontany ny hevitry ny mpihaino azy izy indraindray, mba hampirisihana azy ireo hieritreritra. (Matio 17:24-27) Nisarika ny sain’ny olona ho amin’ny Tenin’Andriamanitra izy. (Matio 26:31; Marka 7:6) Nitandrina izy mba tsy hanazava zavatra be loatra tamin’ny mpianany. (Jaona 16:12) Niezaka koa i Jesosy mba hamantatra raha ninoan’ny mpianany sy azon’izy ireo ny zavatra nampianariny azy. (Matio 13:51) Natao hanampiana antsika hampianatra toy ny nataony ny boky Ampianarina.
2. Ahoana no azontsika ampiasana ny fanontaniana eo am-piandohan’ny toko tsirairay?
2 Fanontaniana eo am-piandohan’ny toko: Tsara ny hisarihana ny sain’ilay mpianatra ho amin’ireo fanontaniana eo ambanin’ny lohateny, raha vao manomboka toko vaovao ianareo. Vakio fotsiny ireo fanontaniana ireo mba hahatonga azy ho liana, na asaivo milaza vetivety ny heviny momba izany izy. Tsy dia ilaina ny hiresahana betsaka momba izay lazainy, na hanitsiana izay diso rehetra teneniny. Mety hisaotra azy noho ny nilazany ny heviny fotsiny ianao, ary hanomboka ny fandinihana ny fehintsoratra. Ho hitanao amin’izay lazainy momba ny fanontaniana eo am-piandohan’ny toko, raha misy hevitra mila handaniana fotoana kokoa noho ny hafa, ao amin’ilay fianarana.
3. Ahoana no azontsika atao mba ho tsotra foana ilay fianarana?
3 Andinin-teny: Tokony hiorina amin’ny Soratra Masina ilay fianarana. (Heb. 4:12) Tsy voatery hovakina anefa ny andinin-teny rehetra. Antitrantero kosa izay andinin-teny iorenan’ny zavatra inoantsika. Tsy voatery hovakina ny andininy manome fanazavana fanampiny. Tsy sarotra ny fomba iresahana ny fahamarinana ao amin’ny boky Ampianarina. Ataovy tsotra àry ilay fianarana. Mifantoha amin’ny hevi-dehibe, ary mitandrema mba tsy hiresaka tsipiriany be loatra na hanampy fanazavana tsy tena ilaina.
4. Ahoana no ahafantarana raha tokony handinika ny fanazavana fanampiny ianareo, mandritra ny fianarana?
4 Fanazavana fanampiny: Misy foto-kevitra 14 ho famenon’izay voalazan’ny fehintsoratra, ao amin’ny fanazavana fanampiny. Tsy voatery hodinihina mandritra ilay fianarana izy ireny. Mety ho tianao ny hampirisika an’ilay mpianatra mba hamaky samirery ny foto-kevitra sasany, indrindra fa raha azony tsara sady ekeny ny fanazavana tao amin’ny fehintsoratra. Raha efa inoany, ohatra, fa i Jesosy no Mesia, dia mety tsy hilaina ny hiarahana mandinika an’ilay hoe “Jesosy Kristy: Ilay Mesia Nampanantenaina”, rehefa mianatra ny toko faha-4 hoe “Iza i Jesosy Kristy.” Mety ho tsara anefa indraindray ny handinihana ny foto-kevitra sasany ao amin’ny fanazavana fanampiny, mandritra ny fianarana.
5. Raha hiara-mandinika ny fanazavana fanampiny ianareo, ahoana no azo atao?
5 Aoka hatao hoe hiara-mandinika ny fanazavana fanampiny ianareo. Afaka manomana fanontaniana mialoha ianao amin’izay, ka hodinihinareo isaky ny fehintsoratra, toy ny fanao amin’ny fianarana ihany ilay izy. Azonareo dinihina vetivety koa anefa ilay izy, arakaraka izay ilain’ilay olona ampianarinao. Minitra vitsivitsy monja no mety hilainareo amin’izany. Ho azonao antoka amin’izay raha azony tsara ilay fanazavana efa nasaina novakiny samirery.
6. Ahoana no azo ampiasana ny efajoro any amin’ny faran’ny fianarana tsirairay?
6 Efajoro any amin’ny farany: Mamaly an’ireo fanontaniana eo am-piandohan’ny toko mazàna ilay efajoro any amin’ny faran’ny toko tsirairay. Azonao ampiasaina ny hevitra voalaza ao mba hamerenana ny hevi-dehibe tao amin’ilay toko. Hitan’ny mpitory sasany fa tsara raha vakina miaraka amin’ilay mpianatra ny hevitra tsirairay voalaza ao, sy ny andinin-teny omena koa angamba. Asainy hazavain’ilay mpianatra vetivety avy eo hoe nahoana ilay andinin-teny no manamarina ilay hevitra voalaza. Ho hitan’ilay mpampianatra amin’izay raha azon’ilay mpianatra tsara ireo hevi-dehibe tao amin’ilay fianarana, sy ny fomba anaporofoan’ny Baiboly an’ilay izy. Ho hitany koa raha ekeny izany. Manampy an’ilay mpianatra koa izany mba ho zatra mampiasa Baiboly rehefa manazava ny fahamarinana.
7. Ahoana no azontsika ampiasana ny boky Ampianarina, mba hanatanterahana ny asa nanirahana antsika?
7 Ny fanahafana ny fomba fampianatr’i Jesosy no fomba mandaitra indrindra mba hanatanterahana ny asa nanirahana antsika, dia ny hampianatra ny olona. (Matio 28:19, 20) Afaka manampy antsika hanao izany ny boky Ampianarina. Ampiasao tsara àry izy io mba hampianarana ny olona ny fahamarinana amin’ny fomba mazava sy tsotra ary mahaliana.