Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 12 Martsa
10 min: Fampandrenesana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Febroary sy ny Mifohaza! Febroary. Azo atao koa ny mampiasa fomba fitory hafa mandaitra.
15 min: Tsy Manompo An’i Jehovah Intsony ve ny Havanao? Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 2006, pejy 17-21.
20 min: “Ataovy Hatrany Izao ho Fahatsiarovana Ahy.”a Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 3, dia miresaha fanazavana avy ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 2006, pejy 1, fehintsoratra 3. Atorony ao ny fomba azo ampiasana ny boky Ampianarina mba hanazavana ny Fahatsiarovana amin’ireo olona liana asaintsika hanatrika azy io.
Herinandron’ny 19 Martsa
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 3. Resaho ireo hevi-dehibe ao amin’ilay efajoro hoe “Fampahatsiahivana Momba ny Fahatsiarovana”, sy ny hevi-dehibe ao amin’ny Valin’ny Fanontanianareo eo amin’ny pejy 3.
20 min: Fomba Anitarana ny Fanompoana. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny toko faha-10 amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah.
15 min: “Ahoana no Havalinao?”b Asio fampisehoana fohy iray ahitana ny fomba azo ampiasana an’io lahatsoratra io amin’ny fianaram-pianakaviana.
Herinandron’ny 26 Martsa
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Martsa. Vakio ny tatitra momba ny kaonty ary ankasitraho ireo fanomezana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa sy ny Mifohaza! Martsa, miaraka amin’ilay taratasy fanasana manokana ho amin’ny Fahatsiarovana. Azo atao koa ny mampiasa fomba fitory hafa mandaitra.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: Inona no Hataoko eo Amin’ny Fiainana? Lahateny miorina amin’ny Mifohaza! Jolay 2006, pejy 23-25. Manadinadìna olona iray na roa, izay nanomboka ny fanompoana manontolo andro raha vao nahavita fianarana teny amin’ny lise. Nahoana izy ireo no nifidy ny fanompoana manontolo andro? Inona no fitahiana azony tamin’izany?
Herinandron’ny 2 Aprily
10 min: Fampandrenesana. Resaho ilay fanasana ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily 2007, pejy 32, ary ampirisiho ny mpitory hanasa ireo olona liana, mba hanatrika ilay lahateny manokana izay hatao ny 15 Aprily.
20 min: Tohizo ny Fanampiana Ireo Nanatrika ny Fahatsiarovana. Lahateny ataon’ny anti-panahy. Lazao ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana teo anivon’ny fiangonanareo, ary resaho hoe tokotokony ho firy ny isan’ny ireo olona liana nanatrika. Milazà fitantarana miavaka momba ireo nanaiky ilay fanasana manokana ho amin’ny Fahatsiarovana, na olona nanatona ny mpikarakara ny mpanatrika, taorian’ny fivoriana, mba hangataka fampianarana Baiboly. Manomeza soso-kevitra ny amin’ny fomba hanampiana bebe kokoa an’ireo olona nanatrika Fahatsiarovana. (Jereo ny km 3/06 p. 1, feh 5; km 2/05 p. 4, feh. 9; km 2/04 p. 5, feh. 16.) Ampirisiho ny mpitory mba tsy hangataka andro.
15 min: Ampiasao Tsara ny Diary 2007. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Resaho ireo hevi-dehibe ao amin’ny “Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana.” Milazà zava-misongadina avy ao amin’ny “Tatitra Maneran-tany.” Asio olona vitsivitsy efa niomana mialoha, hilaza izay tatitra na fitantarana hitany ho tena nampahery sy nanatanjaka ny finoany. Ampirisiho ny fianakaviana hamaky tsikelikely ilay Diary manontolo, ao anatin’ny taona. Milazà fomba azo ampiasana ilay boky mba hitarihana ireo vaovao ho amin’ny fandaminan’i Jehovah sy hampirisihana azy ireo hivory.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.