“Ataovy Hatrany Izao ho Fahatsiarovana Ahy”
Hankalazaina Amin’ny 2 Aprily ny Nahafatesan’i Jesosy
1. Nahoana no daty miavaka ny 2 Aprily 2007?
1 Olona an-tapitrisany eran-tany no hivory, amin’ny 2 Aprily 2007, mba hankalaza ny nahafatesan’i Jesosy. Maty ho sorona i Jesosy, satria niaro ny zon’i Jehovah hitondra. Noporofoiny tamin’izany fa mpandainga i Satana Devoly, rehefa nilaza fa manompo an’Andriamanitra noho ny fitiavan-tena fotsiny ny olona. (Joba 2:1-5) Mampahatsiahy antsika koa ny Sakafo Harivan’ny Tompo, fa ‘nanome ny ainy’ lavorary sy tsy nisy ota i Jesosy, mba “ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Matio 20:28) Nandidy ny mpianany àry i Jesosy hoe: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (Lioka 22:19) Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra matoa izy nanome io fanomezana sarobidy io. Mankasitraka azy ve ianao, ka miomana dieny izao mba hankalaza ny Fahatsiarovana?—Jaona 3:16.
2. Ahoana no hanomanantsika ny fontsika ho amin’ny Fahatsiarovana?
2 Omano ny fonao: Ho voaomana hanatrika ny Fahatsiarovana ny fontsika, raha misaintsaina izay nitranga tamin’ireo andro faramparany niainan’i Jesosy teto an-tany isika. (Ezra 7:10) Mba hanampiana antsika amin’izany, dia misy fandaharana famakiana Baiboly manokana ao amin’ny Fandinihana ny Soratra Masina 2007 sy ny Kalandrie 2007. Isaky ny andro tsirairay, dia misy andinin-teny hovakina, izay miresaka ireo zava-nitranga talohan’ny nahafatesan’i Jesosy. Andro sy daty amin’ny kalandrie jiosy no ampiasaina ao amin’ireo andinin-teny ireo. Tsy mitovy amin’ny antsika ny fomba fanisan’ny Jiosy andro. Manomboka amin’ny takariva iray ka hatramin’ny ampitso hariva ny andro iray ao amin’ny kalandrien’izy ireo. Natao mifanaraka amin’ny daty ao amin’ny kalandrie jiosy àry ny datin’ilay famakiana Baiboly amin’ny Fahatsiarovana. Handray soa be dia be avy amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana isika, raha mandinika an’ireny andinin-teny ireny, sy misaintsaina amim-bavaka momba ny halalin’ny fitiavan’Andriamanitra.
3. Ahoana no hanampiantsika ny olona vaovao sy ireo tsy mitory intsony, mba handraisany soa amin’ny Fahatsiarovana?
3 Manasà olona: Resahina ao amin’ny takelaka fanampiny ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Febroary, fa hisy ezaka manokana hanasana ny olona hanatrika io fotoan-dehibe io. Efa nanamboatra ny fandaharam-potoananao ve ianao, mba handraisana anjara araka izay azo atao amin’ilay ezaka manokana? Efa nataonao lisitra ve ny anaran’ireo olona tianao hasaina? Efa niresaka tamin’izy ireo ve ianao? Miezaha ho tonga aloha amin’ny takarivan’ny Fahatsiarovana, mba handray an’ireo olona nasainao sy ny olona vaovao hafa. Azonao atao ny miara-mipetraka aminy, ary omeo Baiboly sy fihirana izy. Ampifankahalalao amin’ny olon-kafa eo anivon’ny fiangonana izy. Manokàna fotoana hamaliana ny fanontaniany, aorian’ilay fivoriana. Asao izy hanatrika ilay lahateny manokana, hatao amin’ny 15 Aprily. Tokony hohamarinin’ny anti-panahy raha nahazo fanasana amin’ny Fahatsiarovana sy amin’ny lahateny manokana ireo tsy mitory intsony.
4. Ahoana no hanampiantsika ny olona hitombo fahalalana sy finoana an’i Jehovah, rehefa avy nanatrika Fahatsiarovana izy?
4 Ampio ny vaovao sy ireo tsy mitory intsony: Hanazava fohifohy momba ny fampianarana Baiboly ataontsika ilay mpandahateny amin’ny Fahatsiarovana, sady hampirisika an’ireo vaovao mba hianatra hatrany momba an’i Jehovah. Azonao averina amin’ilay olona nasainao ny tenin’ilay mpandahateny, mba hanasana azy hianatra bebe kokoa momba an’i Jehovah. Raha mbola tsy mianatra Baiboly izy, dia tsidiho avy hatrany aorian’ny Fahatsiarovana, ary asehoy azy ny fomba fanaovana izany. Mila manatrika fivoriana koa izy, raha te hitombo fahalalana sy finoana an’i Jehovah. (Heb. 10:24, 25) Asao àry izy mba hanatrika izany tsy tapaka. Tokony hanao fandaharana ny anti-panahy, mba hitsidihana an’ireo Kristianina tsy mitory intsony nefa nanatrika Fahatsiarovana. Ampiany hisaintsaina bebe kokoa an’ireo hevitra novelabelarina tamin’ny lahatenin’ny Fahatsiarovana, ilay olona. Mety hahatonga azy hiara-manompo indray amin’ny fiangonana izany.
5. Inona no soa raisintsika raha manatrika ny Fahatsiarovana isika?
5 Fotoana isaintsainantsika lalina momba izay nataon’i Jehovah sy Jesosy ho antsika ny Fahatsiarovana. Mampitombo ny fitiavantsika azy ireo izany fisaintsainana izany, ka hisy vokany eo amin’ny fitondran-tenantsika. (2 Kor. 5:14, 15; 1 Jaona 4:11) Izao àry no fotoana tokony hiomanantsika sy hanasantsika an’ireo olona vaovao, mba hanatrika an’ilay fotoan-dehibe, izay ‘hanambarantsika ny fahafatesan’ny Tompo.’—1 Kor. 11:26.