Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 14 Mey
10 min: Fampandrenesana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily sy ny Mifohaza! Aprily.
20 min: “ ‘Araho ny Dian’i Kristy!’ Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2007.”* Ataon’ny mpitan-tsoratra. Ampirisiho ny rehetra hiomana aloha be, mba ho afaka hanatrika fivoriambe.
15 min: “ ‘Mampahatanjaka ny Reraka’ i Jehovah.”a Asao ny mpanatrika hanazava ireo andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.
Herinandron’ny 21 Mey
10 min: Fampandrenesana. Resaho ny Valin’ny Fanontanianareo.
20 min: Fanohanana ny Asan’ilay Fanjakana eo An-toerana sy Eran-tany. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah, toko faha-12.
15 min: “Miaro ny Tenin’Andriamanitra ve Ianao?”b Miresaha fanazavana avy ao amin’ireo efajoro ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 143-144.
Herinandron’ny 28 Mey
10 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty sy fankasitrahana ireo fanomezana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Mey. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Mey sy ny Mifohaza! Mey.
20 min: “Ampianaro Hidera An’i Jehovah ny Zanakao.”* Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 4, dia miresaha fanazavana avy ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jolay 2005, pejy 3.
15 min: “Tena Ilaina ny Mpiandraikitra ny Fanompoana.”* Asongadino fa mila manao fandaharana tsara ny fianakaviana sy ny olona tsirairay, mba hanompoana eny amin’ny saha. Manatanjaka finoana ny fahazarana mandeha manompo. Mety hisy mpitory mila fanampiana eo amin’ny fanaovana fanompoana na tsy afaka manatrika fivoriana alohan’ny fanompoana mihitsy. Ampirisiho izy ireny hiresaka amin’ny mpiandraikitra fianarana boky sy ny mpiandraikitra ny fanompoana, mba hahitana izay azo anampiana azy.—2 Kor. 9:6.
Herinandron’ny 4 Jona
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7.
15 min: Atolory ny Boky Fahasambaram-pianakaviana Amin’ny Jona. Lazao ireo lafiny sasany mampiavaka an’ilay boky, izay azo ampiasaina eny amin’ny fanompoana. Ataovy fampisehoana ny fomba fametrahana azy io, ka izay fomba fanolorana mety amin’ny faritany ampiasaina. Raha ampy ny fotoana, dia asao ny mpanatrika hiresaka momba ny vokatra tsara azony, tamin’izy nanolotra an’io boky io tamin’ny havany na olom-patany.
20 min: “Araho ny Dian’i Kristy ka Manehoa Fanajana.”c Ataon’ny mpitan-tsoratra. Lazao ny fivoriambe nanendrena ny fiangonanareo. Resaho ilay efajoro hoe “Fampahatsiahivana Momba ny Fivoriambe.”
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.