FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/07 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 13 Aogositra
  • Herinandron’ny 20 Aogositra
  • Herinandron’ny 27 Aogositra
  • Herinandron’ny 3 Septambra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 8/07 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana

Fanamarihana: Hisy fandaharana ho an’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana isan-kerinandro foana ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, mandritra ireo volana misy fivoriambe. Azo ovana araka izay ilaina ilay fandaharana, rehefa hanatrika ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra “Araho ny Dian’i Kristy!” ny fiangonana. Raha mety, dia manokàna 15 minitra amin’ilay Fivoriana Momba ny Fanompoana alohan’ny fivoriambe, mba hijerena indray ireo torohevitra sy fampahatsiahivana avy ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Mey 2007. Afaka iray na roa volana aorian’ny fivoriambenareo, dia manokàna 15 ka hatramin’ny 20 minitra mba hamerenana ireo hevitra nisongadina tamin’ny fivoriambe. Ataovy mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana izany (angamba atao solon’ny zavatra ilain’ny fiangonana). Azo resahina izay hevitra hitantsika fa manampy antsika hahomby kokoa eo amin’ny fanompoana. Ny mpiandraikitra ny fanompoana no tokony hitarika ilay famerenana. Asao ny mpanatrika hilaza ny fomba nampiharany na eritreretiny hampiharana ilay fanazavana eny amin’ny fanompoana.

Herinandron’ny 13 Aogositra

Hira 20, Hira 48

15 min: Fampandrenesana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Jolay sy ny Mifohaza! Jolay. Amin’ny fampisehoana iray, dia asaivo mampiasa ny fanoloran-kevitra eo amin’ny fehintsoratra 3 ao amin’ny pejy 3 ilay mpitory, mba hametrahana fanontaniana hovaliana amin’ny fitsidihana manaraka. Resaho ny “Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra”, ary lazao ny datin’izy io, raha fantatra.

15 min: Ekeo ny Fahefan’izay Lohany, dia Hahita Soa Ianao. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny toko faha-15 amin’ny boky Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah.

15 min: “Fianakaviana Miara-manompo An’i Jehovah.”a Asao ny mpanatrika hilaza ny soa raisiny, rehefa miara-manompo ny fianakaviany. Asio valin-teny iray na roa efa nomanina mialoha.

Herinandron’ny 20 Aogositra

Hira 100, Hira 6

10 min: Fampandrenesana. Resaho ny “Fandaharan’ny Fivoriambe Manokana Iray Andro”, ary lazao ny datin’izy io, raha fantatra.

15 min: Manomboha Fampianarana Baiboly Dieny eo Am-pitoriana, Mandritra ny Septambra. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Hametraka ny boky Ampianarina isika amin’ny Septambra. Miezaha hiara-midinika fehintsoratra vitsivitsy amin’ilay olona, raha vao mitory aminy. Jereo indray ireo fanoloran-kevitra ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2006, pejy 3-6. Asio fampisehoana iray na roa ahitana ny fomba fanombohana fampianarana Baiboly dieny eo am-pitoriana.

20 min: “Natao Hanampiana Antsika ny Fianarana Boky.”b Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 5, dia miresaha fanazavana avy ao amin’ny boky Voalamina, pejy 40, fehintsoratra 3.

Herinandron’ny 27 Aogositra

Hira 98, Hira 196

10 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty sy fankasitrahana ireo fanomezana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra sy ny Mifohaza! Aogositra.

10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.

25 min: “Tanjona Mendrika Hotratrarina Amin’ny Taom-panompoana Vaovao.”c Manadinadìna mpitory iray na roa, izay vao haingana no nanao mpisava lalana mpanampy. Inona no fanovana nataony teo amin’ny fandaharam-potoanany? Inona no soa noraisiny? Raha misy mpitory afaka nanao mpisava lalana mpanampy noho ny fanampian’ny havany, dia tsara raha izy no adinadinina. Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 9, dia lazao ny datin’ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra, raha fantatra.

Herinandron’ny 3 Septambra

Hira 50, Hira 2

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Aogositra.

15 min: “Ankasitraho ny Tombontsoa Anananao!”d Asao ny mpanatrika hanazava ireo andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.

20 min: “Asao Hianatra Baiboly Ireo Nandray Gazety.”e Ataovy fampisehoana fohy ny iray amin’ireo fanoloran-kevitra eo amin’ny fehintsoratra 2. Ampahatsiahivo ny mpitory, fa azo anaovana tatitra ny fampianarana Baiboly, raha efa nianatra indroa ilay olona, taorian’ny nampisehoana taminy ny fomba fianarana, ary azo inoana fa hitohy ilay fianarana.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

e Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara