Fianakaviana Miara-manompo An’i Jehovah
1 Betsaka ny zavatra niarahan’ny fianakaviana natao fahiny. Niara-nanao raharaha izy ireo isan’andro, ary ny tena lehibe indrindra dia niara-nanompo an’i Jehovah. (Lev. 10:12-14; Deot. 31:12) Vitsy ny zavatra iarahan’ny fianakaviana manao ankehitriny, any amin’ny tany maro. Na izany aza, dia eken’ny Kristianina fa mahasoa ny fianakaviana ny miara-manao zavatra, indrindra raha mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah ilay izy. Azo antoka fa tena mahafaly an’ilay Mpamorona ny fianakaviana, ny mahita fianakaviana miara-manompo azy!
2 Miaraha mitory: Lasa mifandray akaiky kokoa ny mpianakavy, rehefa miara-mitory ny vaovao tsara. Tokony hitory tsy tapaka hiaraka amin’ny vady aman-janany àry ny anti-panahy, ankoatra ny fiarahany manompo amin’ny mpitory ao amin’ny fiangonana. (1 Tim. 3:4, 5) Na ny mpiandraikitra mpitety faritany aza dia manokana fotoana hiarahana manompo amin’ny vadiny, nefa efa feno be ny fandaharam-potoanany.
3 Afaka manampy ny zanany ho lasa mpitory ny ray aman-dreny, rehefa miara-mitory aminy. Ho hitan’izy ireo amin’izay fa faly sy afa-po ny ray aman-dreniny rehefa manompo. Ho hitany koa fa maneho fitiavana an’i Jehovah sy ny mpiara-belona izy ireo. (Deot. 6:5-7) Tokony hiara-manompo amin’ny zanany foana ny ray aman-dreny, na dia rehefa mihalehibe aza izy ireo. Manan-janaka telo lahy, 15 taona ka hatramin’ny 21 taona, ny mpivady iray. Mbola miara-manompo tsy tapaka amin’izy ireo foana izy mivady. Hoy ny rain’izy ireo: ‘Misy zavatra ampianarinay azy ireo foana, isaky ny mandeha mitory izahay. Ataonay azo antoka koa fa mahafinaritra sy mampahery azy ireo ireny fotoana ireny.’
4 Miaraha manomana: Hitan’ny fianakaviana maro fa mahasoa ny miara-manomana alohan’ny hitoriana. Tian’ny ankizy matetika ny manao fanazaran-tena miaraka amin’ny mpianakaviny, ka mifandimby maka ny toeran’ny mpitory sy ny tompon-trano izy mianakavy. Manokana minitra vitsivitsy aorian’ny fianaram-pianakaviana ny sasany mba hanaovana izany.
5 Hitombo ny fifaliantsika, rehefa manao zavatra tena ilaina sy mahafa-po miaraka amin’ny havan-tiantsika isika. Hahafinaritra ny fianakaviana tokoa ny miaraka mitory isan-trano sy manao fitsidihana ary mampianatra Baiboly! Rehefa miara-manompo an’i Jehovah àry ianao sy ny fianakavianao, dia ho faly ianao hilaza hoe: “Raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.”—Josoa 24:15.