FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/07 p. 6
  • Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
  • Mitovitovy Aminy
  • Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Fandaharana Vaovao ho An’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Fivoriamben’ny Faritra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriamben’ny Faritra
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2007
km 8/07 p. 6

Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra

Mendrika ny homem-boninahitra i Jehovah. Ahoana no anomezantsika voninahitra azy? Nahoana izany no sarotra amin’ny Kristianina sasany? Inona no fitahiana raisin’ireo manome voninahitra an’Andriamanitra? Hamaly izany ny fivoriamben’ny faritra 2008. Izao no foto-kevitr’izy io: “Ataovy ho Voninahitr’Andriamanitra ny Zava-drehetra.” (1 Kor. 10:31) Handray sakafo ara-panahy tondraka isika mandritra ny roa andro.

Ny mpiandraikitra ny vondrom-paritra dia hanao ny lahateny hoe “Nahoana Isika no Tokony Hanome Voninahitra An’Andriamanitra?”, sy ny hoe “Aoka Isika ho Fakan-tahaka Amin’ny Fanaovana Izay Takin’Andriamanitra.” Izy no hanao ny lahateny ho an’ny besinimaro hoe “Iza no Manome Voninahitra An’Andriamanitra?” sy ny lahateny famaranana hoe “Miara-manome Voninahitra An’Andriamanitra ny Vahoakany.” Izy koa no hitarika ny Sekolin’ny Fanompoana. Hanao ireto lahateny ireto kosa ny mpiandraikitra ny faritra: “Aoka Isika ho Faly Hanome Taratry ny Voninahitr’Andriamanitra”, “Fandinihana ny Zavatra Ilain’ny Faritra”, ary ilay hoe “Aoka Isika ‘Hiorina Tsara amin’ny Fahamarinana’ Foana” izay miorina amin’ny 2 Petera 1:12. Ho rentsika any koa ilay lahateny hoe “Manome Voninahitra An’Andriamanitra ny Asan’ny Mpisava Lalana.” Hisy lahateny mifampitohy tena mampisaintsaina any. Ny voalohany dia hoe “Aoka Isika Hanome Voninahitra An’Andriamanitra eo Amin’ny Lafiny Rehetra Amin’ny Fiainantsika”, izay hanazava ny 1 Korintianina 10:31. Ny faharoa kosa dia hoe “Manaova Fanompoana Masina mba Hiderana An’i Jehovah.” Hiresaka an’ireo karazana fanompoana masina ataontsika izy io. Handinika ny teny hodinihina isan’andro isika ny alahady maraina, sady handre ny famintinana Ny Tilikambo Fiambenana. Hisy batisa ny asabotsy.

Tsy miraharaha an’Andriamanitra ny ankamaroan’ny olona. Be atao loatra izy ireo, ka tsy manam-potoana hisaintsainana ny fahalehibeazan’i Jehovah. (Jaona 5:44) Isika kosa miaiky fa tena ilaina ny manokana fotoana mba hisaintsainana ny fomba hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra, amin’ny zava-drehetra. Ataovy àry izay hanatrehanao ny fandaharana rehetra, raha tianao ny handray soa faran’izay betsaka.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara