Aelezo Ireo Gazety Manambara ny Marina
1. Inona no anjara asan’ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza!?
1 Mandray anjara lehibe eo amin’ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra, ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah sy ny Mifohaza! (Matio 24:14; 28:19, 20) Mahafaly antsika ny manolotra tsy tapaka an’ireo gazety ireo, rehefa manatontosa ny lafiny samihafa amin’ny fanompoana isika.
2. Inona avy no niova tamin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ary nahoana?
2 Niova ny haben’ireo gazety sy ny zavatra raketiny, rehefa nandeha ny fotoana. Niova araka izany koa ny fomba fanolorana azy. Inona no anton’izany? Mba hahatonga ireo gazety hahaliana sy hahitam-bokatra kokoa. Amin’izay dia hanohina ny fon’ny “karazan’olona rehetra” ny hafatra momba ilay Fanjakana, ary hahazo “fahalalana marina tsara” izy ireo ka ho ‘voavonjy.’—1 Tim. 2:4.
3. Ahoana no hanolorana Ny Tilikambo Fiambenana manomboka izao?
3 Efa za-draharaha amin’ny fanolorana ny Mifohaza! isam-bolana isika, ary manana fomba isan-karazany anaovana izany. Hanolotra ny iray amin’ireo Tilikambo mivoaka isam-bolana isika manomboka izao, ary hampiasa fomba isan-karazany koa. Ho hitantsika eo amin’ny pejy farany amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana izany. Hanasongadina an’ireo lahatsoratra voalohany ao amin’ilay gazety izy ireny matetika, nefa hanasongadina lahatsoratra mahaliana hafa koa indraindray. Hahitam-bokatra ireo soso-kevitra ireo raha fantarintsika tsara ilay lahatsoratra asongadina, ary ataontsika amin’ny fomba fitenintsika sy mifanaraka amin’ny olona itoriantsika ny fomba fanolorana azy.
4. Nahoana no mety ho tsara kokoa ny mampiasa fomba fanolorana hafa, ankoatra ny efa ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana?
4 Hisy fomba fanolorana roa ho an’ny gazety tsirairay, ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Afaka mampiasa fomba fanolorana hafa anefa ianao. Mety hahaliana kokoa ny olona ao amin’ny faritaninao mantsy ny lahatsoratra hafa ao amin’ilay gazety. Mety hisy lahatsoratra hahaliana anao manokana koa ao, ka mino ianao fa hahita vokatra kokoa raha manasongadina azy io.
5. Inona no tokony hataonao, alohan’ny hanomanana fomba fanolorana gazety?
5 Fomba fanomanana: Tokony ho azonao tsara aloha ny lahatsoratra tianao hasongadina. Tsy voatery hazava tsara aminao avokoa anefa ny lahatsoratra rehetra ao amin’ilay gazety, vao ho afaka hanolotra azy io eny amin’ny saha ianao. Tokony hafana fo fotsiny ianao ary hiteny avy amin’ny fo, rehefa miresaka momba ilay lahatsoratra nofidinao hasongadina. Hahavita izany ianao, raha azonao tsara ny hevitra resahinao.
6. Ahoana no anomanantsika fomba fanolorana gazety?
6 Manomàna koa fampidiran-dresaka isan-karazany mifanaraka amin’ny zava-misy. Azo atao ny manomana fanontaniana mahaliana, mifandray amin’ilay lahatsoratra. Miantehera foana amin’ny Tenin’Andriamanitra mba hanohinana ny fon’ny olona. (Heb. 4:12) Mifidiana andinin-teny mifandray tsara amin’ilay foto-kevitra resahinao. Tsara kokoa raha andininy avy ao amin’ilay lahatsoratra no ampiasaina. Eritrereto ny fomba ampifandraisana an’ilay izy amin’ilay lahatsoratra.
7. Ahoana no azontsika anatsarana ny fomba fanolorantsika gazety?
7 Atolory foana ireo gazety: Tsy maintsy ampiasaina ny fomba fanolorana iray, raha tiana hahitam-bokatra. Miaraha mizara gazety amin’ny fiangonana rehefa asabotsy. Omeo gazety ny olona efa nandray boky hafa sy ny olona ampianarinao Baiboly ary ireo iverenanao mitsidika. Mety ho afaka hanolotra gazety ianao rehefa miantsena, manao dia lavitra, na miandry dokotera. Hatsarao foana ny fomba fanoloranao gazety, mandritra ny volana.
8. Nahoana no tsy manan-tsahala Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!?
8 Tsy manan-tsahala Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, satria manandratra an’i Jehovah, ilay Mpanjakan’izao Rehetra Izao. (Asa. 4:24) Mampahery ny olona amin’ny alalan’ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra koa ireo gazety ireo, sady mampirisika azy hino an’i Jesosy Kristy. (Matio 24:14; Asa. 10:43) Resahiny ny zava-mitranga eran-tany manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly. (Matio 25:13) Ampio àry ny olona ao amin’ny faritaninao mba handray soa avy amin’ireo gazety ireo, ka miomàna hanolotra azy ireo foana.
9. Inona no azontsika atao mba hahafahana hiverina mitsidika?
9 Manomàna fanontaniana hapetraka amin’ireo olona mandray gazety na iresahanao foto-kevitra ara-baiboly. Mety ho afaka hiverina hitsidika azy ianao amin’izay, ka hanohy ny resaka. Matoky isika fa hanokatra ny fon’ireo maniry hahafantatra sy hanompo azy i Jehovah, raha mazoto mamafy ny voan’ny fahamarinana isika.—1 Kor. 3:6.