FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 3/08 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 10 Martsa
  • Herinandron’ny 17 Martsa
  • Herinandron’ny 24 Martsa
  • Herinandron’ny 31 Martsa
  • Herinandron’ny 7 Aprily
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 3/08 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana

Herinandron’ny 10 Martsa

Hira 131, Hira 8

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 4, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary sy ny Mifohaza! Febroary, miaraka amin’ny taratasy fanasana ho amin’ny Fahatsiarovana.

20 min: Nahoana Isika no Mivory? Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2007, pejy 11-13. Asao ny mpanatrika hitantara ny soa noraisiny avy amin’ny fivoriana kristianina. Asao koa izy ireo hiresaka ny vato misakana tsy maintsy noreseny mba hanatrehana fivoriana tsy tapaka.

15 min: “Afaka Manome ho An’i Jehovah Isika.”a Asao ny mpanatrika hanazava ireo andinin-teny voatonona, raha ampy ny fotoana.

Herinandron’ny 17 Martsa

Hira 144, Hira 214

10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpanatrika hitondra Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa sy ny Mifohaza! Martsa, amin’ny herinandro manaraka, sady hieritreritra mialoha ny fomba azo ametrahana an’ireo gazety ireo eny amin’ny faritany. Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 3.

15 min: Valin’ny Fanontanianareo. Ataon’ny anti-panahy. Vakio sy iaraho midinika ilay lahatsoratra iray manontolo.

20 min: “Ampio Ireo Olona Manatrika ny Fahatsiarovana.”b Asio fampisehoana fohy, rehefa eo amin’ny fehintsoratra 5: Mpitory iray manomboka fampianarana Baiboly amin’ny olona iray nanatrika ny Fahatsiarovana.

Herinandron’ny 24 Martsa

Hira 111, Hira 29

10 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty sy fankasitrahana ireo fanomezana.

15 min: Miomàna Hanolotra An’ireo Gazety Farany. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Resaho vetivety ny votoatin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa sy ny Mifohaza! Martsa. Avy eo dia anontanio ny mpanatrika hoe inona no lahatsoratra mety hahaliana ny olona eny amin’ny faritany, ary nahoana. Asao izy ireo hilaza izay hevitra tiany hasongadina, rehefa hametraka an’ireo gazety ireo izy. Inona no fanontaniana tsara hapetraka mba hanombohan-dresaka? Inona no andinin-teny ao amin’ilay lahatsoratra tsara hovakina? Ataovy fampisehoana ny soso-kevitra omen’ny mpanatrika, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa sy ny Mifohaza! Martsa.

20 min: Mitondra Teny Soa Mahafaly Isika. Lahateny ataon’ny anti-panahy miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2005, pejy 18-19, fehintsoratra 10-14. Aza atao mihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana. Maro tamin’ny mpanatrika no nahazo fampiononana sady lasa nanana fanantenana, tamin’izy ireo nandre voalohany ny hafatra momba ilay Fanjakana. Asao izy ireo hiresaka momba izany.

Herinandron’ny 31 Martsa

Hira 37, Hira 122

10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Martsa.

20 min: Nahoana no Mangataka Andro? Lahateny ataon’ny anti-panahy miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Jolay 2006, pejy 29-30, fehintsoratra 14-17. Adinadino vetivety ny mpitory iray na roa, izay natao batisa tamin’izy mbola zatovo. Inona no nahatonga azy hanao an’io dingana lehibe io, na dia mbola zatovo aza? Voaro ny tanora rehefa lasa Kristianina matotra. Nahoana ny batisany no nanampy azy hihamatotra?

15 min: “Mifampahereza Rehefa eny Amin’ny Fanompoana.”c

Herinandron’ny 7 Aprily

Hira 186, Hira 225

10 min: Fampandrenesana.

20 min: Ampiasao Tsara ny Diary 2008. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Resaho ny “Taratasy avy Amin’ny Filan-kevi-pitantanana”, eo amin’ny pejy 3-5. Asao ny mpitory roa na telo hilaza ny fitantarana tena nampahery azy tao amin’ilay Diary. Asaivo miomana mialoha ny mpitory iray na roa hiresaka ny fotoana atokany amakiana an’ilay Diary. Ampirisiho ny rehetra hamaky azy io hatramin’ny farany.

15 min: Efa Nampiasa Tari-dresaka Mivantana ve Ianao? Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika miorina amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2002, pejy 6. Iaraho midinika ireo fomba fampiseho ao amin’ilay efajoro. Azo ovana kely izy ireo mba hahafahana hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina. Asio fampisehoana iray na roa. Ampirisiho ny mpitory hampiasa fomba fitory iray, fara fahakeliny, avy ao amin’ilay efajoro, mba hanombohana fampianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina amin’ny herinandro manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara