Fomba Fanolorana Gazety
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa
Vakio ny Eksodosy 20:15. Avy eo dia milazà hoe: “Miezaka mankatò an’io didy io ny ankamaroan’ny olona. Misy anefa mihevitra fa azo atao ny mangalatra na manao zavatra hafa tsy ara-dalàna, rehefa teren’ny zava-misy. Ahoana ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity lahatsoratra ity ny soa azo rehefa manao ny marina foana.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 12.
Mifohaza! Martsa
“Sarobidy amin’ny olona maro ny Baiboly, nefa mihevitra izy ireo fa zara raha ilaina ankehitriny ny ampahany lehibe amin’izy io. Ahoana ny hevitrao? [Avelao izy hamaly, ary vakio ny Romanina 15:4.] Hazavain’ity lahatsoratra ity hoe nahoana no mbola ilaina na dia ny ampahany amin’ny Baiboly nosoratana taloha kokoa aza.” Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy 28.
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aprily
“Maro no mihevitra fa i Jesosy no olona niavaka indrindra hatramin’izay. Izany koa ve no hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mariho hoe nahoana isika no tokony hiezaka hahalala ny tena marina momba azy, na dia samihafa aza ny hevitry ny olona. [Vakio ny Jaona 17:3.] Resahin’ity Tilikambo laharana manokana ity izay tena lazain’ny Baiboly momba an’i Jesosy sy ny fampianarany.”
Mifohaza! Aprily
“Toa tsy ampy ny fotoana hanaovantsika izay tiantsika hatao. Sa tsy izany? [Avelao izy hamaly.] Nanampy olona maro ity torohevitra ity. [Vakio ny Filipianina 1:10.] Misy torohevitra mahasoa hanampy antsika hahay handamim-potoana ato amin’ity gazety ity.”