FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 10/10 p. 2
  • Hanolotra Bokikely Vaovao Isika!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hanolotra Bokikely Vaovao Isika!
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fampiasa An’ilay Bokikely hoe Vaovao Tsara Natao ho Anao!
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Manahafa An’i Jehovah Amin’ny Fiahiana Marina ny Hafa
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
  • Mampiasa An’ireto Bokikely Ireto ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Ambarao ny Vaovao Tsara Momba Ilay Fanjakana Amin’ny Alalan’ny Bokikely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1996
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
km 10/10 p. 2

Hanolotra Bokikely Vaovao Isika!

1. Inona no zavatra hatolotra amin’ny Novambra, ary inona no tanjon’izy io?

1 Navoaka tamin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritra 2009 hoe “Miambena Hatrany!” ny bokikely Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly? Hizara voalohany azy io ny fiangonana rehetra eran-tany amin’ny Novambra. Ahoana no hanampian’izy io ny olona eo amin’ny faritanintsika? Tsy mahalala firy ny Baiboly ny ankamaroan’ny olona, indrindra fa ny ao amin’ireo fivavahana tsy kristianina. Ny ‘hamintina izay voalazan’ny Baiboly’ àry no tanjon’ilay bokikely, araka ny hazavain’ny pejy 3.

2. Ahoana no azo anolorana an’ilay bokikely?

2 Fomba fanolorana azy io: Afaka milaza isika hoe: “Mba te hahafantatra ny hevitrao momba ity andinin-teny ity izahay. [Vakio ny 2 Timoty 3:16.] Manaiky an’io ny ankamaroan’ny olona. Misy indray mihevitra fa toy ny boky hafa rehetra fotsiny ny Baiboly. Ary ahoana ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Tena tokony handinika ny Baiboly isika, na inona na inona finoantsika. [Vakio ilay teny fampidirana eo ambony indrindra amin’ny pejy 3.] Mamintina an’izay voalazan’ny Baiboly ity bokikely ity, ary tena mahaliana satria lazainy ato fa mamelabelatra loha hevitra iray ihany ny Baiboly.”

3. Inona koa no azontsika lazaina, indrindra raha olona ao amin’ireo fivavahana tsy kristianina no itoriantsika?

3 Afaka milaza toy izao koa isika, indrindra raha olona ao amin’ireo fivavahana tsy kristianina no itoriantsika: “Mba te hahafantatra ny hevitrao momba ity voalazan’ny Soratra Masina (na boky masina) ity izahay. [Vakio ny Salamo 37:11.] Araka ny hevitrao, hanao ahoana ny fiainana rehefa ho tanteraka izany? [Avelao izy hamaly.] Santionany fotsiny amin’izay ampanantenain’ny Baiboly ny olona rehetra tsy an-kanavaka izany.” Vakio ilay teny fampidirana eo ambony indrindra amin’ny pejy 3, ary atolory ilay bokikely.

4. Ahoana no azo ampiasana ilay bokikely mba hanombohana fampianarana?

4 Manomboha fampianarana Baiboly: Ampahatsiahivo azy ilay resaka nataonareo tamin’ny farany, rehefa miverina ianao. Mandiniha fehintsoratra iray na roa momba izany, ary apetraho ireo fanontaniana eo amin’ny faran’ilay toko. Vakio ny pejy farany amin’ilay bokikely, raha tianao hatolotra avy hatrany ny boky Ampianarina. Atolory ilay boky ary asaivo mifidy toko iray mahaliana azy izy. Mandiniha fehintsoratra iray na roa ao amin’io toko io. Enga anie isika rehetra hazoto hanolotra an’io bokikely io amin’ny Novambra!

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara