Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 30 Mey
HERINANDRON’NY 30 MEY
Hira 33 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 4 § 5-12 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Salamo 26-33 (10 min.)
No. 1: Salamo 31:9-24 (4 min. na latsaka)
No. 2: Ireo Olona Tena Nanetry Tena ao Amin’ny Baiboly (5 min.)
No. 3: Tsy Maintsy Mino An’i Jesosy ve ny Jiosy mba ho Voavonjy?—rs p. 303 § 1-2 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fampandrenesana. Ataovy fampisehoana ilay fomba fitory modely eo amin’ny pejy 4, mba hanombohana fampianarana. Ampirisiho ny rehetra hampihatra azy io ny asabotsy voalohany amin’ny Jona.
15 min: Ahoana no Fanaovana Fikarohana? Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 33-38. Asio fampisehoana ahitana mpitory miteny irery. Manao fikarohana izy mba hamaliana fanontaniana iray napetraky ny olona teny am-pitoriana.
10 min: Miomàna Hanolotra ny Gazety Amin’ny Jona. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny iray na roa minitra izay raketin’ireo gazety. Mifidiana lahatsoratra roa na telo, ary anontanio ny mpanatrika hoe inona no fanontaniana sy andinin-teny azo ampiasaina. Ataovy fampisehoana ny fomba azo anolorana an’ilay Tilikambo sy ilay Mifohaza!
Hira 113 sy Vavaka