Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 6 Jona
HERINANDRON’NY 6 JONA
Hira 68 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 4 § 13-20, efajoro p. 34 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Salamo 34-37 (10 min.)
No. 1: Salamo 35:1-18 (4 min. na latsaka)
No. 2: Fahatanterahan’ny Faminanian’ny Baiboly ve ny Zava-mitranga any Israely Ankehitriny?—rs p. 303 § 3–p. 304 § 3 (5 min.)
No. 3: Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Lioka 12:13-15, 21? (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana sy Inona no Zava-bitantsika? Lahateny misy fiaraha-midinika, ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Derao ny fiangonana noho ny ezaka natao tamin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana, ary resaho ireo zava-bita. Asao ny mpanatrika hilaza izay nahafinaritra azy, rehefa nanao mpisava lalana mpanampy tamin’ny Martsa sy Aprily ary Mey.
10 min: Mahaiza Mampiasa Fanontaniana Rehefa Mampianatra, Fizarana 2. Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana (p. 237, feh. 3–p. 238, feh. 5). Ataovy fampisehoana vetivety ny hevitra iray na roa.
15 min: Arovy ny Zanakao mba Tsy Hampidiran-dra. Lahateny ataon’ny anti-panahy mahay.
Hira 83 sy Vavaka