Efa Vonona ve ny Zanakao?
1. Nahoana ny mpianatra no mila miomana?
1 Ho avy indray izao ny fidiran’ny mpianatra. Azo inoana fa hiatrika olana sy fanerena vaovao indray ny zanakao. Hahazo faritany vaovao koa anefa izy ireo, ka ho afaka “hanambara ny marina.” (Jaona 18:37) Efa vonona ve ny zanakao?
2. Inona no tokony ho fantatry ny zanakao, mba ho vonona tsara izy?
2 Fantatry ny zanakao ve hoe inona avy no tsy tokony hatao, rehefa misy fananganan-tsaina na fety fanaon’ny mpanompo sampy? Hainy ve hoe nahoana ny Kristianina no tsy tokony handray anjara amin’ireny? Efa hainy koa ve ny mamaly, raha misy manery azy hanao fianarana ambony, hampiaraka, hisotro toaka, na hifoka rongony? Hiteny fotsiny ve izy hoe tsy mety amin’ny fivavahany ilay izy, sa mba hainy ny manazava ny zavatra inoany?—1 Pet. 3:15.
3. Ahoana no azo anampiana ny ankizy, mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana?
3 Ampiofano izy mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana: Afaka miresaka amin’ny zanakao ianao mandritra ny taom-pianarana, rehefa tena miseho ny olana. Hatoky tena kokoa anefa izy, raha dinihinareo mialoha ny olana mety hitranga, dieny mbola tsy miditra ny mpianatra. Maninona raha izany no atao amin’ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, indray mandeha na imbetsaka? Anontanio izy hoe inona no tena mampanahy azy, raha vao mieritreritra ny fidiran’ny mpianatra izy. Azo dinihina indray ireo lafin-javatra efa noresahina tamin’ny herintaona, satria efa lehibe sy misaina kokoa izy izao. (Sal. 119:95) Manaova koa fanazaran-tena, ka ianao no manao mpampianatra na mpiara-mianatra. Ampianaro azy hoe ahoana no hamaliana amin’ny alalan’ny Baiboly. Atoroy azy ny fampiasana ny boky Fandresen-dahatra sy Manontany ny Tanora. Nampanaovin’ny Kristianina iray fanazaran-tena ny zanany, mba ho hainy ny hanazava amin’ny mpampianatra hoe Vavolombelon’i Jehovah izy, dieny vao manomboka ny taom-pianarana.—Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 15 Desambra 2010, pejy 3-5.
4. Inona no hataon’ny ray aman-dreny hendry?
4 Vao mainka “tsy mora setraina” ny olana atrehin’ny tanora kristianina, amin’izao andro farany izao. (2 Tim. 3:1) Efa mieritreritra an’ireny mialoha ny ray aman-dreny hendry, ary manampy ny zanany hiatrika izany. (Ohab. 22:3) Ataovy àry izay azonao atao, mba hanampiana ny zanakao ho vonona tsara, alohan’ny fidiran’ny mpianatra.