Fampandrenesana
◼ Aogositra: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana (natao ho an’ny Silamo), Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Septambra: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly dieny eo am-pitoriana. Raha efa manana boky ilay olona, nefa tsy manaiky hianatra Baiboly, dia omeo gazety tranainy izy na bokikely mety hahaliana azy. Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Omeo an’ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? izay olona liana. Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly. Novambra: Bokikely Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
◼ Hampiasaina amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana amin’ny hoavy ilay video hoe Nampiseho ny Finoany ny Vavolombelon’i Jehovah—Fizarana Voalohany: Niala Tamin’ny Haizina sy ilay hoe Manambara ny Voninahitr’Andriamanitra ny Hakanton’ny Zavaboary. Tokony hanao fanafarana haingana amin’ny alalan’ny fiangonana izay mila izany.
◼ Tsy hampiasaina mandritra ny Fivoriana Momba ny Fanompoana ilay lahatsoratra hoe “Afaka ‘Miampita Mankany Makedonia’ ve Ianao?” Afaka mamaky azy io samirery ny mpitory.