FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/11 p. 2
  • Valin’ny Fanontanianareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Valin’ny Fanontanianareo
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsidiho Haingana Izy Ireo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
  • Tsidiho Haingana, Aza Fady
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Valin’ny Fanontanianareo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
  • Inona no Atao any Amin’ny Biraon’ny Sampana?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
km 11/11 p. 2

Valin’ny Fanontanianareo

◼ Iza no tokony hameno an’ireo tapakila amin’ny gazety sy hanao fangatahana amin’ny alalan’ny Internet?

Matetika ny gazetintsika no ahitana tapakila azo fenoina sy alefa any amin’ny sampana. Andefasana boky na olona hitsidika azy ilay olona misoratra eo amin’ilay tapakila. Azo ampiasaina angatahana fampianarana Baiboly koa ny adiresintsika ao amin’ny Internet (www.watchtower.org). Nanampy olona maro hahita ny fahamarinana izany. Nisy mpitory anefa nampiasa an’ireny fandaharana ireny, mba hanampiana ny havany na olon-kafa hahalala ny fahamarinana. Niteraka olana izany indraindray.

Nitaraina ny olona sasany rehefa nandefasan’ny sampana boky, satria izy tsy nangataka akory. Manelingelina azy, hono, ny fandaminantsika sady mampiditra azy ho ao anatin’ny lisitra fandefasana boky, izay tsy iriny akory. Nahita raharaha koa ireo mpitory nasaina nankany, satria tezitra be ilay olona. Noho izany, dia ireo olona liana ihany no tokony handefa tapakila sy hanao fangatahana amin’ny alalan’ny Internet, fa tsy mety raha mpitory no manao izany ho an’olon-kafa. Tsy karakarain’ny sampana, amin’ny ankapobeny, ny tapakila na fangatahana voaray raha fantatra hoe mpitory no nandefa azy.

Ahoana àry no azontsika anampiana ny havantsika na olom-pantatsika hahalala ny fahamarinana? Raha tianao hahazo boky na gazety izy, dia azonao alefa any aminy izany ka ataonao fanomezana. Ary ahoana raha liana izy, ka te hotsidihin’ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa ianao tsy afaka mifandray amin’ny anti-panahin’ny fiangonana eo amin’ny toerana misy azy? Mamenoa taratasy Tsidiho Azafady (S-43) ary omeo ny mpitan-tsoratra ao amin’ny fiangonanareo, dia izy no handinika sy handefa izany any amin’ny sampana. Tsy tokony hanoratra any amin’ny sampana ho an’ny olona liana iray anefa ianao, raha migadra izy, na ao amin’ny toby fanarenana, na hopitaly. Azonao atao kosa ny mampirisika azy hiresaka amin’ireo rahalahy mitsidika an’ireny toerana ireny, na hanoratra any amin’ny sampana.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara