Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 25 Jona
HERINANDRON’NY 25 JONA
Hira 63 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 22 § 15-21 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Ezekiela 1-5 (10 min.)
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana (20 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fampandrenesana. Ataovy fampisehoana ilay fomba fitory modely eo amin’ny pejy 4, mba hanombohana fampianarana Baiboly ny asabotsy voalohany amin’ny Jolay.
15 min: Ampiasao Tsara ny Fotoana Rehefa Manompo. (Efes. 5:15, 16) Lahateny misy fiaraha-midinika, ka ireto fanontaniana ireto no ampiasaina: 1) Ahoana no hampiasana tsara ny fotoana rehefa: a) mitarika fivoriana alohan’ny fanompoana? b) vita ny fivoriana alohan’ny fanompoana? d) miresaka ela be amin’ny olona liana iray ny mpitory iray ao amin’ny andiany misy antsika? e) mifanalavitra ny fiverenana mitsidika? 2) Nahoana no mitsitsy fotoana ny fanaovana an’ireto: a) Tonga ara-potoana daholo ny mpitory amin’ny fivoriana alohan’ny fanompoana. b) Mihaino tsara an’ilay mpitarika ny rehetra rehefa mizara ny andia-mpitory izy, ary tsy averina alamina intsony izany aorian’ny fivoriana alohan’ny fanompoana. d) Ampahafantarina ny rehetra hoe aiza no manomboka ny faritany, alohan’ny handehanana any.
10 min: Zavatra Atolotra Amin’ny Jolay. Lahateny misy fiaraha-midinika. Asongadino ny zavatra sasany mampiavaka an’ireo bokikely ary asio fampisehoana iray na roa.
Hira 29 sy Vavaka