Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 25 Jona 2012. Natao eo koa ny daty andinihana an’ilay fanontaniana, mba ho afaka hanao fikarohana ianao rehefa manomana isan-kerinandro.
1. Tsy maty i Jeremia rehefa nisy mosary tao Jerosalema. Inona no ianarantsika avy amin’izany? (Jer. 37:21) [7 Mey, jr p. 112, feh. 19]
2. Nahoana i Jehovah no nankasitraka an’i Ebeda-meleka, ary inona no fitahiana nomeny azy? (Jer. 38:8-13) [7 Mey, w07 1/2 p. 18-19, feh. 6-7]
3. Inona no faminaniana tanteraka tamin’ireo Israelita nandositra tany Ejipta, ary inona no ianarantsika avy amin’izany? (Jer. 43:8-13) [14 Mey, jr p. 161, feh. 14; p. 164, feh. 19]
4. Inona no “zavatra lehibe” nokatsahin’i Baroka? Ary nahoana isika no tokony hanaraka fampitandremana toa azy? (Jer. 45:5) [21 Mey, w06 15/8 p. 18, feh. 2; p. 19, feh. 6]
5. Nahoana i Jehovah no niresaka momba ny “mpioty voaloboka” sy “mpangalatra”, rehefa nilaza ny sazy hataony amin’i Edoma? (Jer. 49:9, 10) [28 Mey, w07 1/11 p. 13, feh. 4]
6. Nahoana no nasaina natsipin’i Seraia tao amin’ny reniranon’i Eofrata ny boky mirakitra “ny loza rehetra hanjo an’i Babylona”? (Jer. 51:59-64) [4 Jona, re p. 269, feh. 9-10]
7. Inona ilay ‘fitoeran-tongotr’i Jehovah’ sy ilay “trano rantsankazony”? (Fitom. 2:1, 6) [11 Jona, w07 1/6 p. 9, feh. 2]
8. Inona no dikan’ilay tenin’i Jeremia hoe “hahatsiaro” azy i Jehovah ka ‘hiondrika eo aminy’, ary nahoana izany no tena mampahery antsika? (Fitom. 3:20) [18 Jona, cl 199, feh. 3]
9. Nahoana no tsara ho an’ny tanora ny mitondra zioga, izany hoe miezaka miaritra rehefa misy zava-tsarotra? (Fitom. 3:27) [18 Jona, w07 1/6 p. 11, feh. 4]
10. Tsy natahotra nitory i Ezekiela na dia tsy niraharaha azy aza ny olona. Inona no lesona raisintsika avy amin’izany? (Ezek. 3:8, 9) [25 Jona, w08 15/7 p. 8, feh. 6-7]