Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
Hodinihina amin’ny herinandron’ny 27 Aogositra 2012 ireto fanontaniana ireto. Natao eo koa ny daty nandinihana an’ilay fanontaniana.
1. Ahoana no ahatanterahan’ny Ezekiela 9:4 ankehitriny? [2 Jolay, w08 15/7 p. 5-6, feh. 11]
2. Nahoana isika no tokony hiezaka hitory foana? (Ezek. 12:26-28) [9 Jolay, w07 1/7 p. 13, feh. 8]
3. Araka ny Ezekiela 17:22-24, iza ilay ‘rantsana mbola tanora’, ary inona ilay “tendrombohitra avo sy manerinerina”? Inona kosa no tiana holazaina amin’ilay hoe lasa “hazo sedera lehibe” ilay rantsana? [16 Jolay, w07 1/7 p. 12-13, feh. 7]
4. Inona no tsy tokony hataontsika, araka ny Ezekiela 18:25? [23 Jolay, w10 15/10 p. 3-4, feh. 5]
5. Nahoana ny Ezekiela 21:18-22 no manaporofo fa tsy misy mahavita manova ny fikasan’i Jehovah, na ny olombelona na ny demonia? [30 Jolay, w07 1/7 p. 14, feh. 4]
6. Inona ilay harafesina amin’ilay vilany voaresaka ao amin’ny Ezekiela 24:6, 11, 12, ary inona no toro lalana ianarantsika avy amin’ny andininy faha-14? [6 Aog., w07 1/7 p. 14, feh. 2]
7. Ahoana no nahatanterahan’ny faminaniana momba an’i Tyro? (Ezekiela 26:2-21) [6 Aog., g 3/11 p. 20, feh. 1; si p. 133, feh. 4]
8. Inona avy no teny ao amin’ny Ezekiela 28:2, 12-17 manaporofo fa mitovy amin’ny mpanjakan’i Tyro i Satana, ilay mpamadika voalohany? [13 Aog., w05 15/10 p. 23-24, feh. 10-14]
9. Oviana i Ejipta no lao nandritra ny 40 taona, ary inona no porofo fa tena nitranga izany? (Ezek. 29:8-12) [13 Aog., w07 1/8 p. 8, feh. 5]
10. Ahoana no nandraisan’ny Israelita sasany ny tenin’i Ezekiela, ary inona no zava-mitranga mitovy amin’izany ankehitriny? (Ezek. 33:32) [20 Aog., w01 15/7 p. 17, feh. 9]