Fanitsiana ny Fivoriana Andavanandro
Tsy ho 25 minitra intsony ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana, manomboka amin’ny herinandron’ny 3 Septambra, fa ho 30 minitra. Tokony hamintina ny fianarana teo aloha mandritra ny iray minitra ilay mpitarika, amin’ny teny fampidirany. Tsy ho 35 minitra intsony koa ny Fivoriana Momba ny Fanompoana fa ho 30 minitra. Tsy hisy intsony ilay anjara hoe Fampandrenesana. Holazaina eo am-panombohan’ny anjara voalohany amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana izay fampandrenesana mila atao. Matetika no zara raha misy ny fampandrenesana, ary tsy ilaina ny milaza hoe inona avy ireo anjara manaraka. Tsy tokony hisy ny fampandrenesana momba ny fanompoana eny amin’ny saha sy ny fanadiovana ary ny firarian-tsoa. (km 10/08 p. 1, feh. 4) Raha hisy fampandrenesana lavalava, dia tsara raha ampahafantarina mialoha ireo manana anjara mba hanafohezan’izy ireo ny anjarany.