FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/12 p. 4
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 8/12 p. 4

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Aogositra: Bokikely 32 pejy: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana (natao ho an’ny Silamo), Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? (natao ho an’ireo mino ny evolisiona), Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina, rehefa miverina mitsidika. Raha tsy mifanaraka amin’izay ilain’ilay olona io boky io, dia ampiasao ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao. Septambra sy Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina, rehefa mitsidika olona liana. Raha tsy mifanaraka amin’izay ilain’ilay olona io boky io, dia ampiasao ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao. Novambra: Taratasy mivalona: Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana, Fiainam-piadanana ao Amin’ny Tontolo Vaovao, Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra!, Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?, Iza Marina no Manapaka Ity Tontolo Ity?, Iza moa i Jehovah?, Jesosy Kristy—Iza moa Izy?, Manana Fanahy Tsy Mety Maty ve Ianao?, Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry?, ary Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Raha liana ilay olona, dia asehoy azy ny fianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina na amin’ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao.

◼ Izao no lahatenin’ny mpiandraikitra ny faritra, manomboka amin’ny Septambra: “Miaraha Mandeha Amin’Andriamanitra, dia Handray Soa Dieny Izao sy ho Mandrakizay Ianao.”

◼ Zavatra vaovao misy:

Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Braille malagasy

Mifohaza! 2011 vita boky malagasy

Ny Tilikambo Fiambenana 2011 vita boky malagasy

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara