FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/12 p. 4
  • Fomba Fitory Modely

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Fitory Modely
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 8/12 p. 4

Fomba Fitory Modely

Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Septambra

“Matetika ny olona no mihevitra an’i Jesosy hoe zazakely ao amin’ny fihinanam-bilona, na hoe eo amin’ny hazo fijaliana, izany hoe izy tamin’ny roa arivo taona lasa. Araka ny hevitrao, inona izao no ataon’i Jesosy? [Avelao izy hamaly.] Mariho ity.” Omeo an’ilay olona Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra, ary iaraho midinika aminy ny fanontaniana voalohany eo amin’ny pejy 16 sy ny andinin-teny iray, fara fahakeliny. Atolory ireo gazety ary mifanaova fotoana hamaliana ny fanontaniana manaraka.

Ny Tilikambo Fiambenana 1 Aogositra

“Maro no mino ny fahagagana nefa misy koa ny misalasala. Mino ve ianao hoe tena misy ny fahagagana? [Avelao izy hamaly.] Nampahery olona maro ity fampanantenana ity. [Mamakia andinin-teny iray amin’ireo eo amin’ny pejy 9-10.] Hazavain’ity gazety ity hoe nahoana no tsy mitombina ny zavatra telo mampisalasala ny olona momba ny fahagagana.”

Mifohaza! Aogositra

“Maro izao no matahotra mandeha irery, indrindra amin’ny alina. Araka ny hevitrao, misy zavatra azo atao ve mba hampihenana ny herisetra? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity gazety ity izay azontsika atao mba hihavanana kokoa amin’ny hafa. Resahina ato koa hoe ahoana no hahatanterahan’ity faminaniana mampahery ity.” Vakio ny Salamo 72:7.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara