Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 14 Oktobra
HERINANDRON’NY 14 OKTOBRA
Hira 32 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 15 § 7-12 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Filipianina 1–Kolosianina 4 (10 min.)
No. 1: Filipianina 3:17–4:9 (4 min. na latsaka)
No. 2: Mety ve ny Miala Amin’ny Fivavahan’ny Ray Aman-dreny?—rs p. 252 § 4–p. 253 § 2 (5 min.)
No. 3: Nahoana no Manampy Antsika Hanohitra Fakam-panahy ny Vavaka?—Lioka 11:9-13; Jak. 1:5 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
15 min: Manome Voninahitra An’i Jehovah ny Firaisan-tsaintsika Eran-tany. Lahateny miorina amin’ny boky Voalamina (p. 165, feh. 3–p. 168, feh. 1). Asao ny mpanatrika hitantara an’izay novakiny tao amin’ny boky na gazetintsika ka mampiseho hoe nisy olona liana tamin’ny fahamarinana satria mahita antsika mifankatia sy miray saina.
15 min: “Hozaraina Amin’ny Novambra ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana.” Fanontaniana sy valiny. Omeo iray avy amin’ilay Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 38 ny mpanatrika. Asaivo resahin’ny mpiandraikitra ny fanompoana ny fandaharana ataon’ny fiangonana mba hamitana ny faritany. Ataovy fampisehoana ilay fomba fitory modely ao amin’ny pejy faha-4 mba hahitana ny fomba azo anolorana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 38.
Hira 53 sy Vavaka