Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 9 Desambra
HERINANDRON’NY 9 DESAMBRA
Hira 84 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jl lesona 17-19 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Jaona 1-5; 2 Jaona 1-13; 3 Jaona 1-14–Joda 1-25 (10 min.)
No. 1: 1 Jaona 5:1-21 (4 min. na latsaka)
No. 2: Inona no Tokony Hahatsiarovantsika An’i Jesosy Kristy?—Lioka 1:32, 33; Jaona 17:3 (5 min.)
No. 3: Tena Mino An’i Jesosy Kristy Ireo Manaraka ny Fivavahana Marina—rs p. 257 § 3 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
15 min: Sekolin’ny Fanompoana Amin’ny Taona 2014. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly. Miresaha zavatra vitsivitsy tokony hampiharin’ny fiangonanareo avy ao amin’ilay toromarika amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2014. Hazavao hoe rehefa manomboka amin’ny toko voalohany amin’ny boky iray ny famakiana Baiboly, dia tsy haka hevitra avy ao amin’ny “Soratra Rehetra” intsony izay manao ny hevitra misongadina. Rehefa ny boky Fandresen-dahatra koa no loharanon-kevitry ny mpianatra No. 2 sy No. 3, dia izay manomboka amin’ny andalana somary miankavanana kely ihany no isaina ho fehintsoratra. Ampirisiho ny rehetra hazoto hanao ny anjarany, hanome valin-teny amin’ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, ary hampihatra izay soso-kevitra homena isan-kerinandro avy ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana.
15 min: “Omano Tsara ny Fampidiran-dresakao.” Fanontaniana sy valiny. Ataovy fampisehoana ny fomba hampidiran-dresaka mba hanolorana ny boky Ampianarina. Tsy mahay mampidi-dresaka ilay mpitory amin’ny fampisehoana voalohany, fa amin’ny faharoa kosa izy vao mahay.
Hira 60 sy Vavaka