Tsidiho Haingana Izy Ireo
Nihamaro be ny olona nandefa fangatahana tao amin’ny Internet mba hianatra Baiboly, hatramin’ny nanovana ny tranonkalantsika. Eo koa ireo mangataka hianatra, vokatr’ilay fandaharana vaovao hitoriana eny amin’ny toerana be olona. Karakarain’ny biraon’ny sampana haingana ireny fangatahana ireny. Raha natao tao amin’ny jw.org, ohatra, ilay fangatahana, dia matetika no roa andro monja aorian’izay no mahazo filazana avy amin’ny biraon’ny sampana ny anti-panahy ao amin’ilay faritany. Araka ny tatitra voaray anefa, dia mbola tsy nisy nitsidika ihany ny sasany amin’ireo nanao fangatahana, herinandro maromaro atỳ aoriana. Inona no tokony hatao mba ho azo antoka hoe hahazo fanampiana ilay olona dieny mbola liana?—Mar. 4:14, 15.
Raha misy olona liana nefa tsy mipetraka ao amin’ny faritaninareo, dia fenoy avy hatrany ny taratasy Tsidiho Azafady (S-43), ary omeo ny mpitan-tsoratra amin’ny fivorianareo manaraka. Omeny an’izay fiangonana tompon’ilay faritany ilay izy avy eo, na alefany any amin’ny biraon’ny sampana amin’ny alalan’ny taratasy mahazatra na ao amin’ilay fizarana hoe Fiangonana, ao amin’ny jw.org. Tokony hataony ao anatin’ny iray na roa andro aorian’ny haharaisany azy izany. Tokony hijery matetika an’io tranonkala io koa ny anti-panahy. Raha mahazo filazana izy ireo hoe misy olona tokony hotsidihina, dia hokarakarainy haingana izany. Izay mpitory asaina mitsidika an’ilay olona, dia tokony hanao an’izany ho loha laharana. Azony amelana hafatra kely ilay olona raha tsy tratra, ary mety ho azony omena ny nomeraony na ny toy izany.