Ahoana no Fampiasana ny Taratasy Tsidiho Azafady (S-43)?
Tokony hameno an’io taratasy io ianao rehefa mahita olona liana tsy mipetraka ao amin’ny faritaninao, na miteny vahiny. Nameno azy io isika taloha rehefa mahita olona miteny vahiny, na liana izy na tsia. Amin’izao kosa, dia izay liana ihany no amenoantsika S-43. Rehefa mahita olona marenina anefa isika, dia tokony hameno S-43 foana, na liana izy na tsia.
Atao ahoana ilay S-43 rehefa avy nofenoina? Tokony homena ny mpitan-tsoratry ny fiangonana ilay izy. Raha fantany ilay fiangonana tokony handefasana azy io, dia halefany amin’ireo anti-panahy any fotsiny ilay izy, ka izy ireo indray no hikarakara an’ilay olona liana. Halefany any amin’ny biraon’ny sampana kosa ilay izy, raha tsy fantany ny fiangonana handefasana azy.
Raha miteny vahiny ilay olona liana, nefa ao amin’ny faritaninareo ihany, dia azonao atao ny mitsidika azy foana aloha, mandra-piandry an’izay mpitory mahay ny fiteniny afaka manampy azy.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2009, pejy 4.