Mahasoa Antsika sy ny Hafa ny Tranonkalantsika
Nasain’i Jesosy hitory “maneran-tany” momba ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana isika, “ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Mat. 24:14) Mba hanampiana antsika ‘hanatanteraka tsara ny fanompoantsika’ dia nohavaozina ilay tranonkala jw.org ao amin’ny Internet, ka natambatra ao ny tranonkala watchtower.org sy ny jw-media.org ary ny jw.org.—2 Tim. 4:5.
“Maneran-tany”: Ny ampahatelony eo ho eo amin’ny mponina eran-tany no mampiasa Internet. Io no lasa fitaovana tena ahazoan’ny olona maro fanazavana, indrindra fa ny tanora. Afaka mahita ny valiny marina amin’ireo fanontaniana ara-baiboly ny olona noho ny tranonkalantsika. Mampahafantatra azy ireo ny fandaminan’i Jehovah izy io ary lasa mora aminy ny mangataka hampianarina Baiboly maimaim-poana. Tonga any amin’ny toerana tsy dia andrenesana ny hafatra momba ilay Fanjakana àry ny vaovao tsara.
“Firenena rehetra”: Mba hitoriana amin’ny “firenena rehetra” dia tsy maintsy avoaka amin’ny fiteny samihafa ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly. Afaka mahazo fanazavana amin’ny fiteny 400 eo ho eo ny mpitsidika ny jw.org ary betsaka noho ny an’ny tranonkala hafa izany.
Ampiasao tsara izy io: Tsy natao hitoriana amin’ny olona fotsiny ilay tranonkala vaovao, fa natao hampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah koa. Ampirisihinay ianao hizatra azy io raha afaka mampiasa Internet. Ireto àry misy soso-kevitra vitsivitsy hanampy anao.
[Kisary, pejy 3]
(Jereo ny fanompoana)
Andramo Ilay Izy
1 Soraty eo amin’ny toerana fampidirana adiresy ao amin’ilay programa ijerenao Internet ny hoe www.jw.org/mg.
2 Tsindrio ireo fizarana sy rohy samihafa mba hahitana an’izay raketin’ilay tranonkala.
3 Andramo amin’ny fitaovana elektronika entin-tanana ampiasainao ilay tranonkala. Mitovy ihany ny fanazavana ao saingy natao antonona ny efijerin’ ilay fitaovana ny zavatra miseho.