Hatsarao ny Fanompoanao: Miezaha Haneho Fiahiana
Nahoana izany no tena ilaina? Niahy ny olona tsirairay sy tsara fanahy taminy i Jesosy. Te hanasitrana lehilahy iray marenina, ohatra, izy, indray mandeha. Tsapany angamba hoe tsy nahazo aina ilay lehilahy. Nentiny nitokana àry izy rehefa hositraniny, amin’izay ny olona tsy mijerijery be azy. (Mar. 7:31-35) Niahy ny mpianany koa i Jesosy. Nanaiky izy fa voafetra ny zavatra takatr’izy ireo, ka tsy nototofany fanazavana be loatra izy ireo. (Jaona 16:12) Na dia efa any an-danitra aza izy, dia mbola miahy ny olona ihany. (2 Tim. 4:17) Te hanahaka azy isika, satria mpanara-dia azy. (1 Pet. 2:21; 1 Jaona 3:16, 18) Hahita vokatra kokoa isika raha miahy ny olona itoriantsika. Tokony hoheverintsika ho zava-dehibe ny toe-javatra misy azy sy ny zavatra mahaliana azy ary ny zavatra mampanahy azy. Azo antoka fa hihaino antsika izy raha tsapany hoe tena miahy azy isika fa tsy tonga mba hitory na hametraka boky fotsiny.
Andramo izao amin’ity volana ity:
Rehefa manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana ianareo, na rehefa miara-manompo amin’ny mpitory hafa, dia manaova fanazaran-tena hoe ahoana no hampifanarahana ny resaka amin’izay lazain’ny olona itoriana.
Raha mitarika fivoriana alohan’ny fanompoana ianao, dia azonao resahina na asaina atao fampisehoana hoe ahoana no hanehoana fiahiana ny olona.