Aoka Ianao Hiahy ny Olona ka Mahaiza Mandinika
1 I Jehovah Andriamanitra sy Kristy Jesosy no tena mahay mamantatra izay ilain’ny olona sy mahay manampy azy ireny. (2 Tant. 16:9; Marka 6:34) Rehefa tsikaritsika ny zavatra mahaliana sy mampanahy ny olona, dia mety ho azontsika ampifanarahina amin’izany ny fomba itoriantsika ny vaovao tsara.
2 Mahaiza mandinika: Nahay nandinika i Jesosy. (Marka 12:41-43; Lioka 19:1-6) Toy izany koa fa raha mahamarika sary masina, na teny filamatra eo amin’ny fiara, na kilalao eo an-tokotany isika, rehefa manatona ny varavaran’ny olona, dia mety hahita hevitra mahomby hitoriana ny vaovao tsara.
3 Mety ho hita eo amin’ny endriky ny olona sy ny fihetsiny, fa misy zavatra mahazo azy. (Ohab. 15:13) Nidonam-pahoriana angamba izy na niharan-javatra mampalahelo hafa, ka mila fampiononana. Mety ho faly izy raha amakiantsika andinin-teny mifanentana amin’izany. (Ohab. 16:24) Maika ve izy sa mitrotro zaza mitomany? Tsara kokoa angamba raha anontaniantsika izy hoe afaka miverina ve isika amin’ny manaraka. Mety hihaino izy rehefa tsidihintsika indray, raha miahy azy sy ‘miara-miory’ aminy isika.—1 Pet. 3:8.
4 Mahaiza mampifanara-javatra: Voamariky ny apostoly Paoly fa nisy alitara “Ho An’Andriamanitra Tsy Fantatra” tao Atena, ka nampifanarahiny tamin’izany ny fomba nitoriany ny vaovao tsara. Hoy izy: “Izay tsy fantatrareo nefa ivavahanareo, dia izy no toriko aminareo.” Nahay nandanjalanja i Paoly, ka nanjary nandinika ny hafatra momba ilay Fanjakana sy lasa mpino, ny sasany tamin’ireo nihaino azy.—Asa. 17:23, 34.
5 Raha mahay mandinika koa isika, dia mety hahamarika izay mahaliana ny olona, ka hahay hampifanaraka izany amin’ny zavatra lazaintsika. Mametraha fanontaniana mety hahatonga azy hilaza ny heviny. Mieritrereta andinin-teny azo ampiasaina mba hahatonga azy ho liana kokoa. (Ohab. 20:5) Aoka àry isika hahay handinika sy hiahy ny olona. Hanampy antsika hahay hitory ny vaovao tsara izany.