Inona avy ny Fitaovana Anananao?
1. Nahoana ny mpitory no azo ampitahaina amin’ny mpanao asa tanana?
1 Manana fitaovana isan-karazany ny mpanao asa tanana mahay. Amin’ny zavatra tena manokana ihany no ampiasainy ny fitaovana sasany, fa ny sasany kosa ilainy foana. Matetika no tsy misaraka aminy ireny fitaovana tena ilaina ireny, ary ireny no tena manavanana azy. Ampirisihin’ny Baiboly hanatsara ny fanompoany ny Kristianina, mba ho lasa “mpiasa tsy mitsanga-menatra na amin’inona na amin’inona.” (2 Tim. 2:15) Inona anefa ny fitaovana ilaintsika indrindra? Ny Tenin’Andriamanitra, satria io no fitaovana tena ampiasaintsika rehefa ‘manao mpianatra.’ (Mat. 28:19, 20) Tokony hiezaka àry isika mba hahay ‘hanazava ny tenin’ny fahamarinana amin’ny fomba marina tsara.’ Ankoatra ny Baiboly anefa, dia misy fitaovana maromaro koa fampiasantsika matetika mba hampianarana ny fahamarinana, ka tokony hanavanana antsika.—Ohab. 22:29.
2. Inona avy ireo fitaovana fampiasantsika matetika?
2 Ireo fitaovana fampiasantsika matetika: Inona koa ny fitaovana tokony hampiasaintsika rehefa mampianatra ny fahamarinana, ankoatra ny Baiboly? Ny voalohany indrindra dia ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Ny “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra” kosa no ampiasaina aorian’izay, mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny toro lalan’ny Baiboly. Tena tokony hahay hampiasa an’ireo boky ireo àry isika. Fitaovana tena ilaina koa ny bokikely. Manampy antsika mba hanomboka fampianarana Baiboly, ohatra, ny Vaovao Tsara Natao ho Anao! Azontsika ampiasaina koa ny Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao, raha tsy dia mahay mamaky teny ilay olona, na tsy misy boky amin’ny fiteniny. Tena mandaitra ilay bokikely hoe Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?, mba hitarihana ny mpianatra hanatona ny fandaminana. Ankoatra izany, dia manana video maromaro isika, anisan’izany ireto: Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?, Inona no Atao any Amin’ny Efitrano Fanjakana?, ary Manana Anarana ve Andriamanitra? Mila mianatra mampiasa azy ireny koa isika.
3. Inona no mbola hivoaka amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana?
3 Mbola hisy lahatsoratra maro havoaka amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana, mba hanampiana antsika hahay hampiasa tsara an’ireo fitaovana ananantsika ireo. Ianaro tsara àry ny fomba fampiasa azy ireny, ka ampiharo ilay torohevitra ao amin’ny 1 Timoty 4:16 hoe: “Tandremo tsara foana ny tenanao sy ny fampianaranao. Ary mahareta amin’izany, fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy ireo mihaino anao.”