NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA
Tianao ho Tsara ve ny Valin-teninao?
Mampahery ny fiangonana ny valin-teny tsara. (Ro 14:19) Mandray soa koa ny olona manome azy ireny. (Oh 15:23, 28) Tokony hiezaka hanome valin-teny iray àry isika, fara fahakeliny, isaky ny mivory. Tsy voatery ho voatondro isika isaky ny manangan-tanana, ka tsara raha manomana valin-teny maromaro.
Tsara ny valin-teny raha...
tsotra sy fohy ary mazava. Matetika izy io no azo atao ao anatin’ny 30 segondra na latsaka
atao amin’ny fomba fiteny
tsy mamerina ny valin-tenin’ny hafa
Raha voatondro hamaly voalohany ianao dia...
valin-teny tsotra sy mivantana omena
Raha efa voavaly ilay fanontaniana dia...
asehoy ny ifandraisan’ny andinin-teny voatonona amin’ny hevi-dehibe
resaho hoe ahoana no azo ampiharana an’ilay fanazavana
hazavao hoe ahoana no azo ampiasana an’ilay fanazavana mba hanampiana ny hafa
milazà fitantarana fohy manasongadina ny hevi-dehibe