Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
3-9 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JAONA 1-2
“Ilay Fahagagana Voalohany Nataon’i Jesosy”
Miseho Amin’ny Alalan’i Kristy ny Herin’Andriamanitra
Tao amin’ny mariazy iray tany Kana, any Galilia, i Jesosy no nanao fahagagana voalohany. Nihoatra angamba ny isan’ny olona tonga tao ka lany ny divay. Anisan’ireo nasaina i Maria, renin’i Jesosy. Azo antoka fa efa ela izy no nisaintsaina an’ireo faminaniana momba an’io zanany io. Efa fantany, ohatra, fa hantsoina hoe “Zanaky ny Avo Indrindra” izy io. (Lioka 1:30-32; 2:52) Nety ho nino àry izy fa hahavita zavatra miavaka i Jesosy, na dia mbola tsy nanao an’izany mihitsy aza. Hita fa nalahelo an’ilay mpivady vao i Maria sy Jesosy, tamin’io mariazy io. Nahamenatra mantsy ilay zava-nitranga. Fantatr’i Jesosy koa fa noheverina ho adidy ny mandray vahiny. Nanao fahagagana àry izy ka nanova rano 380 litatra teo ho eo ho “divay tsara.” (Vakio ny Jaona 2:3, 6-11.) Voatery nanao an’izany ve i Jesosy? Tsia. Nanao azy io anefa izy satria tsara fanahy sady tia manome, toy ilay Rainy any an-danitra.
Ny Fahagagana Voalohany Nataon’i Jesosy
Io no fahagagana voalohany nataon’i Jesosy. Vao mainka nino azy ny mpianany vaovao rehefa nahita azy io. Nankany Kapernaomy, tanàna eo avaratrandrefan’ny Ranomasin’i Galilia, i Jesosy sy ny reniny ary ireo rahalahiny taorian’izay.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Jn 1:1
ny Teny: Avy amin’ilay teny grika hoe hô lôgôs. Anaram-boninahitra izy eto, ary misy azy io koa ao amin’ny Jn 1:14 sy ny Ap 19:13. Hita avy amin’ny tenin’i Jaona fa i Jesosy ilay hoe ny Teny. Anaram-boninahitr’i Jesosy izy io talohan’ny naha olombelona azy, sy tamin’izy olona lavorary teto an-tany, ary taorian’ny niakarany tany an-danitra. Mpitondra Tenin’Andriamanitra i Jesosy, ka tamin’ny alalany no nampitan’Andriamanitra fanazavana sy toromarika ho an’ny anjely sy ny olombelona. Azo inoana àry fa talohan’ny naha olombelona ny Teny, dia izy no nampiasain’i Jehovah mba hitondra ny teniny.—Ge 16:7-11; 22:11; 31:11; Ek 3:2-5; Mpts 2:1-4; 6:11, 12; 13:3.
niaraka: Avy amin’ilay mpampiankina amin’ny teny grika hoe prô. Ilazana olona mifanakaiky kely izy eto, ary manondro olona roa samy hafa. Hita avy amin’izany fa samy hafa ny Teny sy ilay tena Andriamanitra.
ny Teny dia andriamanitra: Na “fanahy tahaka an’Andriamanitra”, na “manana ny toetran’Andriamanitra.” Manasongadina ny toetran’ny “Teny” (avy amin’ny teny grika hoe hô lôgôs, jereo Fanazavana ny Teny ao amin’ny Jn 1:1) na i Jesosy Kristy ireo teny ireo. Antsoina hoe “andriamanitra” izy satria Zanaka lahimatoan’Andriamanitra, ary izy no nampiasain’Andriamanitra tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra. Betsaka ny mpandika teny nandika azy io hoe “ny Teny dia Andriamanitra”, ka lasa hoatran’ny hoe mitovy ihany ny Teny sy ilay Andriamanitra Mahery Indrindra. Misy porofo manamarina anefa hoe tsy izany no tian’i Jaona hotenenina. Voalohany, resahina eo amin’io andininy io sy ilay manaraka fa “niaraka tamin’Andriamanitra” ny Teny. Hita tamin’ny teny grika tany am-boalohany koa fa miverina intelo eo amin’ny andininy 1 sy 2 ilay hoe teôs [Andriamanitra]. Misy mpanoritra eo alohan’ilay teôs voalohany sy fahatelo, fa tsy misy kosa eo alohan’ilay faharoa. Betsaka ny manam-pahaizana milaza fa misy dikany be izany. Rehefa misy mpanoritra eo alohan’ilay hoe teôs, dia ilay Andriamanitra Mahery Indrindra no tiany horesahina. Rehefa tsy misy mpanoritra kosa eo alohan’io teny io, dia mpamari-toetra izy io, ka ny toetra mampiavaka ny “Teny” no asongadiny. Izany àry no nasongadin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy ny Baiboly hafa amin’ny teny anglisy sy frantsay ary alemà, rehefa nandika an’io andininy io. Asehon’ireo fandikan-teny ireo fa “andriamanitra” ny Teny, “fanahy tahaka an’Andriamanitra”, ary “manana ny toetran’Andriamanitra.” Izany koa no hita ao amin’ny Filazantsaran’i Jaona amin’ny fitenim-paritra kôpta toy ny Sahidìka sy Bôhairika, izay nadika tamin’ny taonjato fahatelo sy fahefatra. Samy hafa ny nandikana an’ilay teôs voalohany sy faharoa ao amin’ny Jaona 1:1, amin’ireo fiteny ireo. Ny maha izy ny Teny àry no asongadin’ireo Baiboly ireo, fa tsy hoe ny Teny ihany ilay Rainy na ilay Andriamanitra mahery indrindra. Manamarina an’izany ny Kol 2:9. Hazavaina ao mantsy fa manana ny “fahafenoan’ny toetran’Andriamanitra” i Kristy. Na ireo hiara-manjaka aminy koa aza ho lasa “fanahy tahaka an’Andriamanitra”, araka ny 2Pe 1:4. Mitovy ny dikan’ireo teny hebreo hoe el sy elôhim [Andriamanitra] sy ilay teny grika hoe teôs ao amin’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo. Azo adika hoe “Mahery” ireo teny hebreo ireo. Ampiasaina izy ireo indraindray mba hilazana an’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, andriamanitra hafa, na olombelona. Mety ny iantsoana ny Teny hoe “andriamanitra” na hoe “mahery.” Mifanaraka amin’ny Is 9:6 izany. Resahina ao mantsy hoe “Andriamanitra Mahery” (fa tsy “Andriamanitra Mahery Indrindra”) ny Mesia. Ho “Ray Mandrakizay” koa izy ho an’ireo olona lasa vahoakan’ilay Fanjakana. Ny hafanam-pon’ny Rainy, na i “Jehovah Tompon’ny tafika”, no hanatanteraka izany.—Is 9:7.
nwtsty: Fanazavana Jn 1:29
ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra: Nalain’ny Devoly fanahy i Jesosy rehefa vita batisa. Nantsoin’i Jaona Mpanao Batisa hoe “Zanak’ondrin’Andriamanitra” izy taorian’izay. Eo amin’io andininy io sy ao amin’ny Jn 1:36 ihany no ahitana an’ireo teny ireo. (Jereo sgd Fiz. 4.) Hita ao amin’ny Baiboly fa natao fanatitra ny ondry mba hampisehoana hoe nibebaka ny olona iray ary te hihavana amin’Andriamanitra indray. Mifanitsy amin’ny sorona nataon’i Jesosy ireny fanatitra ireny, tamin’izy nanome ny ainy lavorary ho an’ny olombelona. Mety àry raha oharina amin’ny zanak’ondry i Jesosy. Tena nahay tsara ny Soratra Hebreo i Jaona Mpanao Batisa. Nieritreritra andinin-teny hafa tao amin’ny Soratra Masina angamba izy rehefa niteny an’ilay hoe “Zanak’ondrin’Andriamanitra.” Mety ho tao an-tsainy, ohatra, ilay ondry nataon’i Abrahama fanatitra ho solon’i Isaka. (Ge 22:13) Tsaroany koa angamba ilay zanak’ondrin’ny Paska, izay novonoina tamin’ny Israelita nafahana avy tany Ejipta. (Ek 12:1-13) Teo koa ireo zanak’ondry natao fanatitra teo amin’ny alitara tany Jerosalema, marain-tsy hariva. (Ek 29:38-42) Mety ho tao an-tsain’i Jaona koa ny faminanian’i Isaia ao amin’ny Is 52:13; 53:5, 7, 11. Resahina ao fa “nentina toy ny ondry hovonoina” ilay antsoin’i Jehovah hoe “mpanompoko.” Niantso an’i Jesosy hoe “zanak’ondrin’ny Paska” koa ny apostoly Paoly, tao amin’ny taratasiny voalohany ho an’ny Korintianina. (1Ko 5:7) Nilaza ny apostoly Petera fa “tahaka ny ran’ny zanak’ondry tsy misy tsiny sy tsy misy pentina” ny “ra sarobidy” nalatsak’i Kristy. (1Pe 1:19) In-25 mahery koa i Jesosy, efa mpanjaka any an-danitra, no antsoina hoe “Zanak’ondry” ao amin’ny Apokalypsy.—Ap 5:8; 6:1; 7:9; 12:11; 13:8; 14:1; 15:3; 17:14; 19:7; 21:9; 22:1.
Famakiana Baiboly
10-16 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JAONA 3-4
“Nitory Tamin’ilay Vehivavy Samaritanina i Jesosy”
nwtsty: Fanazavana Jn 4:6
Reraka: Io andininy io ihany no miresaka hoe ‘reraka’ i Jesosy. Efa mitataovovonana tamin’izay. Nandeha an-tongotra avy tany amin’ny Lohasahan’i Jordana, any Jodia, angamba i Jesosy tamin’io ary tonga tany Sykara, any Samaria. Fiakarana be koa ny lalana, satria eo amin’ny 900 m mahery eo ho eo ny haavon’ny tanànan’i Samaria raha miala avy eo amin’ilay lohasaha.—Jn 4:3-5; jereo sgd Fiz. 4.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Jn 3:29
ny naman’ny mpampakatra: Olona iray akaiky azy ary nisolo tena azy ara-dalàna. Nanampy azy tamin’ny fikarakarana an’ilay mariazy koa izy io. Raha tsy nisy an’io olona io dia mety tsy ho lasa mpivady ny mpampakatra sy ny ampakarina. Mankao an-tranon’ilay mpampakatra na ny an’ny rainy izy roa sy ny mpanotrona azy, satria ao no atao ny fanasambe. Faly ilay naman’ny mpampakatra rehefa maheno ny feon’ny mpampakatra miresaka amin’ny vadiny. Fantany mantsy hoe vitany tsara ny andraikiny. Nilaza i Jaona Mpanao Batisa fa hoatran’ilay “naman’ny mpampakatra” izy. Te hilaza izy hoe i Jesosy ilay mpampakatra ary ny mpianany [voahosotra] rehetra ilay ampakarina. Tamin’io i Jaona no nampahafantatra an’i Jesosy Kristy tamin’ireo mpianatra voalohany ho anisan’ilay “ampakarina.” Toy ny hoe nanomana ny lalan’ny Mesia izy rehefa nanao an’izany. (Jn 1:29, 35; 2Ko 11:2; Ef 5:22-27; Ap 21:2, 9) Tsy olona miavaka intsony ilay “naman’ny mpampakatra” rehefa vita ny adidiny. Izany no nahatonga an’i Jaona hilaza hoe: “Tsy maintsy mitombo iny olona iny [Jesosy], fa izaho kosa tsy maintsy mihena.”—Jn 3:30.
nwtsty: Fanazavana Jn 4:10
rano velona: Midika ara-bakiteny hoe “rano velona” ilay teny grika ampiasaina eo, ary entina ilazana rano mandeha, loharano, na rano amin’ny vovo. Tsy mitovy amin’ny rano ao anaty lavaka fanangonan-drano izy io. Midika ara-bakiteny hoe “rano velona” ilay teny hebreo nadika hoe “rano mandeha” ao amin’ny Le 14:5. Resahina ao amin’ny Je 2:13 sy 17:13 fa “loharanon’ny rano velona” i Jehovah, izany hoe loharanon’ny rano manome fiainana. Tsy rano ara-bakiteny no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay hoe “rano velona”, na dia izany aza no fahazoan’ilay vehivavy samaritanina azy tamin’ny voalohany.—Jn 4:11.
Famakiana Baiboly
17-23 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JAONA 5-6
“Diniho ny Antony Anarahanao ny Dian’i Jesosy”
nwtsty: Fanazavana Jn 6:10
dia nandry ilika ny olona, ary dimy arivo teo ho eo ny isan’ny lehilahy: I Matio irery no nanampy hoe “ankoatra ny zaza amam-behivavy”, rehefa nitantara an’io fahagagana io. (Mt 14:21) Mety ho nahatratra 15 000 mahery àry ny olona nomena sakafo tamin’io fahagagana io.
nwtsty: Fanazavana Jn 6:14
ilay mpaminany: Milaza ny De 18:15, 18 fa hisy mpaminany toa an’i Mosesy ho avy. Maro ny Jiosy tamin’ny taonjato voalohany nieritreritra hoe ny Mesia izy io. Efa niandry ny Mesia ny Jiosy tamin’izany. Rehefa nahita an’i Jesosy àry izy ireo dia nilaza hoe izy ilay mpaminany ho tonga amin’izao tontolo izao. I Jaona ihany no nitantara momba an’io zava-nitranga io.
nwtsty: Fanazavana Jn 6:27, 54
sakafo mety simba, ... sakafo maharitra izay mitondra fiainana mandrakizay: Fantatr’i Jesosy fa te hahazo zavatra fotsiny ny olona sasany niaraka taminy sy ny mpianany. Ilaina eo amin’ny fiainana andavanandro ny sakafo. Ny “sakafo” avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra anefa no hahazoantsika fiainana mandrakizay. Hoy àry i Jesosy tamin’ilay vahoaka: ‘Miasà hahazoanareo sakafo maharitra izay mitondra fiainana mandrakizay.’ Mila miezaka mianatra ny Tenin’Andriamanitra izy ireo sady mino an’izay ianarany.—Mt 4:4; 5:3; Jn 6:28-39.
mihinana ny nofoko sy misotro ny rako: Hita avy amin’ny andinin-teny manodidina fa tsy hoe mihinana sy misotro ara-bakiteny akory no tiany holazaina eo. Toy ny hoe mihinana ny nofon’i Jesosy sy misotro ny rany kosa ilay olona rehefa maneho finoana an’i Jesosy Kristy. (Jn 6:35, 40) Tamin’ny taona 32 i Jesosy no niteny an’io. Tsy ny Sakafo Harivan’ny Tompo no tiany horesahina teo, satria mbola herintaona taorian’izay izy vao nankalaza azy io. Taloha kelin’ny “Paska, fetin’ny Jiosy”, i Jesosy no nilaza an’ireo teny ireo. (Jn 6:4) Mety ho nahatonga azy ireo hisaintsaina an’io fety io àry ny teniny. Tonga tao an-tsain’izy ireo koa angamba hoe sarobidy ny ran’ilay zanak’ondry, satria namonjy aina izy io tamin’ilay alina nialan’ny Israelita tany Ejipta. (Ek 12:24-27) Tian’i Jesosy hasongadina hoe tena sarobidy koa ny ra halatsany, satria hanampy an’ireo mpianany hahazo fiainana mandrakizay.
Handeha Amin’ny Anaran’i Jehovah Andriamanitsika Isika
Tapa-kevitra ny hanaraka an’i Jesosy ihany anefa ilay vahoaka, ka nahita azy “teny ampitan’ny ranomasina”, araka ny tenin’i Jaona. Nahoana izy ireo no mbola nanaraka azy, nefa izy efa tsy nety natao mpanjaka? Hita fa ny sakafo no tena nahaliana azy ireo. Ny sakafo nomen’i Jehovah tany an-tany efitra, tamin’ny andron’i Mosesy, mantsy no nantitranteriny. Toa te hilaza izy ireo fa tokony hanome hatrany ny sakafo nilain’izy ireo i Jesosy. Tsikaritr’i Jesosy fa ratsy ny antony nanosika azy ireo hitady azy, ka nanomboka nampianariny ny fahamarinana izy ireo, mba hanitsiana ny fisainany. (Jaona 6:17, 24, 25, 30, 31, 35-40) Nimonomonona taminy anefa ny sasany, indrindra rehefa nanao ity fanoharana ity izy: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo, dia tsy manana fiainana ao anatinareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako dia manana fiainana mandrakizay, ary izaho hanangana azy amin’ny maty amin’ny andro farany.”—Jaona 6:53, 54.
Matetika ny fanoharan’i Jesosy no nampirisika ny olona hampiseho raha tena naniry hiara-mandeha amin’Andriamanitra izy ireo na tsia. Tsy nisy hafa tamin’izany ilay fanoharana nataony teto. Nanao ahoana ny fihetsik’ireo nandre azy io? Izao no vakintsika: “Maro tamin’ny mpianany izay nandre izany no nanao hoe: ‘Manafintohina izany teny izany. Iza no mahahaino izany?’ ” Nohazavain’i Jesosy tamin’izy ireo fa tokony hofantariny ny hevitr’ilay fanoharana. Hoy izy: “Ny fanahy no manome fiainana, fa ny nofo tsy mahasoa mihitsy. Ny teny nolazaiko taminareo no fanahy sy fiainana.” Maro anefa no tsy nihaino azy, araka ny voatantara hoe: “Maro tamin’ny mpianany àry no nihemotra, ka tsy niara-nandeha taminy intsony.”—Jaona 6:60, 63, 66.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana Jn 6:44
taomin’ny: Misarika trondro amin’ny alalan’ny harato no tiana holazaina amin’ilay matoanteny grika nadika hoe ‘mitaona.’ (Jn 21:6, 11) Tsy midika anefa izany hoe manery ny olona hanatona azy i Jehovah. Midika hoe “manintona” koa mantsy io matoanteny io. Ny tenin’i Jehovah tamin’ny vahoakany, ao amin’ny Je 31:3, angamba no tao an-tsain’i Jesosy tamin’izy niteny an’io. Izao no voalaza ao: “Izany no antony nisarihako anao, ka ny hatsaram-panahiko feno fitiavana no nentiko nanintonana anao.” (Io matoanteny grika io koa no ampiasain’ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo eo amin’io andininy io.) Hoatran’izany koa no ataon’i Jesosy mba hitaomana ny karazan’olona rehetra hanara-dia azy, araka ny Jn 12:32. Resahin’ny Soratra Masina fa avelan’i Jehovah hisafidy ny olona. Afaka misafidy izy ireo na hanompo azy na tsia. (De 30:19, 20) Taomin’Andriamanitra hanatona azy ny olona manana toe-po tsara, ary ataony amim-pitiavana izany. (Sl 11:5; Oh 21:2; As 13:48) Asain’i Jehovah mitory amin’ireny olona ireny ny mpanompony. Mampiasa ny fanahy masina koa izy mba hitaomana ny olona. Ireo olona manatona ny Ray no resahin’ilay faminaniana ao amin’ny Is 54:13, izay miverina ao amin’ny Jn 6:45.—Ampitahao amin’ny Jn 6:65.
nwtsty: Fanazavana Jn 6:64
fantatr’i Jesosy hoe ... iza ilay hamadika azy: I Jodasy Iskariota no tian’i Jesosy holazaina eo. Nivavaka tamin’ny Rainy nandritra ny alina manontolo i Jesosy, talohan’ny nifidianany an’ireo apostoly 12. (Lk 6:12-16) Mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika àry i Jodasy tamin’ny voalohany. Fantatr’i Jesosy anefa ilay faminaniana ao amin’ny Soratra Hebreo hoe hamadika azy ny olona iray akaiky azy. (Sl 41:9; 109:8; Jn 13:18, 19) Fantatr’i Jesosy rehefa niova i Jodasy ka nanomboka nanao ratsy. Mahalala izay any am-po sy any an-tsain’ny olona mantsy izy. (Mt 9:4) Efa fantatr’Andriamanitra mialoha hoe hamadika an’i Jesosy ny olona iray akaiky azy. Tsy hoe efa voalahatr’Andriamanitra anefa hoe tsy maintsy i Jodasy no hamadika an’i Jesosy. Tsy mandahatra mialoha toy izany izy, rehefa jerena ny toetrany sy izay efa nataony talohan’izay.
Hatrany am-piandohana: Na “hatrany am-boalohany.” Tsy tamin’i Jodasy teraka akory no tiana hotenenina eo. Tsy tamin’izy nofidina ho apostoly koa, satria efa nivavaka nandritra ny alina manontolo i Jesosy vao nifidy ny apostoliny. (Lk 6:12-16) Tamin’i Jodasy nanomboka nieritreritra ny hamadika an’i Jesosy kosa no tiana holazaina eo. Tonga dia fantatr’i Jesosy mantsy rehefa niova i Jodasy. (Jn 6:70; 13:11; ampitahao amin’ny Jn 2:24, 25; Ap 1:1; 2:23) Hita avy amin’izany koa fa tsy hoe niova tampoka akory i Jodasy. Efa ela izy no nieritreritra ny hamadika an’i Jesosy. Miovaova ny hevitr’ilay teny grika nadika hoe ‘fiandohana’ (Grika: arke) ao amin’ny Soratra Grika Kristianina. Ny fiandohan’ny famoronana, ohatra, no dikan’izy io ao amin’ny 2Pe 3:4. Voafaritra kokoa anefa izy io matetika. Nilaza, ohatra, i Petera hoe: “Nilatsaka [tamin’ny hafa firenena] ny fanahy masina, toy ny nilatsahany tamintsika tamin’ny voalohany.” (As 11:15) Tsy tamin’i Petera vao teraka na lasa apostoly anefa no tiany holazaina tamin’ilay hoe “voalohany” eo. Ny Pentekosta taona 33 kosa ny tiany holazaina, izany hoe ilay fotoana “voalohany” nandatsahana ny fanahy masina, noho ny antony manokana. (As 2:1-4) Ireto koa misy ohatra hafa mampiseho hoe miovaova arakaraka ny teny manodidina ny dikan’ilay teny hoe “fiandohana” na “hatrany am-boalohany”: Lk 1:2; Jn 15:27; 1Jn 2:7.
Famakiana Baiboly
24-30 SEPTAMBRA
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | JAONA 7-8
“Nanome Voninahitra ny Rainy i Jesosy”
“Voasoratra Hoe”
Tian’i Jesosy ho fantatry ny olona hoe avy aiza ilay hafatra nentiny. Hoy izy: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’ilay naniraka ahy.” (Jaona 7:16) Nilaza koa izy indray mandeha hoe: “Tsy manao na inona na inona araka ny nahim-poko aho, fa araka izay nampianarin’ny Ray ahy no ilazako izany.” (Jaona 8:28) Ary mbola niteny izy hoe: “Tsy araka ny nahim-poko no ilazako ny teny lazaiko aminareo, fa ny Ray izay tafaray foana amiko no manao ny asany.” (Jaona 14:10) Namerina matetika izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra i Jesosy, mba hanaporofoana fa marina ireo teniny ireo.
Rehefa dinihina ny tenin’i Jesosy rehetra ao amin’ny Baiboly, dia hita fa namerina andinin-teny avy ao amin’ny antsasany mahery amin’ireo boky ao amin’ny Soratra Hebreo izy. Izay voalazan’ilay andininy mihitsy no nolazainy, na ny hevitra tao anatiny. Mety hisy hieritreritra anefa hoe: ‘Tsy dia betsaka loatra izany. Telo taona sy tapany ange izy no nitory sy nampianatra e! Nahoana no tsy nampiasainy daholo izay ampahany tamin’ny Soratra Masina efa nisy tamin’izany?’ Mety ho izany mihitsy no nataony, raha ny marina. Ampahany kely monja amin’ny teniny sy ny zavatra nataony mantsy no nosoratana ao amin’ny Baiboly. (Jaona 21:25) Mety ho vitanao ao anatin’ny ora vitsivitsy monja mihitsy aza ny hamaky amin’ny feo avo ny tenin’i Jesosy rehetra voasoratra. Ahoana anefa raha omena ora vitsivitsy monja ianao mba hiresahana momba an’Andriamanitra sy ny Fanjakany, sady asaina mamerina andinin-teny avy ao amin’ny antsasany mahery amin’ireo boky ao amin’ny Soratra Hebreo? Tena sarotra izany! Tsy vitan’izany fa matetika i Jesosy no tsy nanana horonam-boky hovakina. An-kandrina daholo, ohatra, no namerenany an’ireo andinin-teny be dia be avy tao amin’ny Soratra Hebreo, rehefa nanao ilay Toriteny malaza teo an-tendrombohitra izy!
Raiso ny Fanahin’Andriamanitra fa Aza Mandray ny Fanahin’izao Tontolo Izao
Mankatoava tanteraka an’i Jehovah. Nanao izay nampifaly ny Rainy foana i Jesosy. Tsy nitovy hevitra tamin-drainy izy indray mandeha, momba izay tokony hatao, kanefa tsy nisalasala izy nilaza hoe: “Aoka tsy ny sitrapoko no atao, fa ny anao.” (Lioka 22:42) Mila manontany tena àry ianao hoe: ‘Mankatò an’Andriamanitra ve aho, na dia rehefa sarotra aza izany?’ Iankinan’ny aina ny fankatoavana. Tokony hankatò azy isika, satria izy no namorona antsika sy nanome aina antsika, ary mamelona antsika. (Sal. 95:6, 7) Tsy misy na inona na inona azontsika atao, ka hoe mahasolo ny fankatoavana. Tsy mahazo sitraka amin’Andriamanitra isika, raha tsy mankatò.
Andao Hikaroka Harena Miafina
Nahoana Isika no Tokony Hilaza ny Marina?
Ahoana no nataon’i Jesosy Kristy tamin’ny toe-javatra toy izany? Indray mandeha dia naniry hahafantatra momba ny diany ny olona sasany tsy nino azy. Nanoro hevitra an’i Jesosy izy ireo hoe: “Mialà eto ianao, ka mankanesa any Jodia.” Ahoana no navalin’i Jesosy? “Mandehana ianareo mamonjy ny fety [any Jerosalema], fa izaho mbola tsy handeha hamonjy an’io fety io, satria mbola tsy tena tonga ny fotoana voatondro ho ahy.” Nandeha nankany Jerosalema anefa i Jesosy, fotoana fohy taorian’izay. Fa nahoana àry izy no nilaza fa “mbola tsy handeha”? Satria tsy nanan-jo hahafantatra ny tsipiriany momba izay halehany ireo olona ireo. Tsy nandainga i Jesosy. Tsy nilaza ny marina rehetra kosa anefa izy, mba hisorohana ny zava-dratsy mety hataon’izy ireo aminy na amin’ny mpanara-dia azy. Tsy nandainga izy, satria hoy ny apostoly Petera: “Tsy nanota izy, ary tsy nahitana fitaka teo am-bavany.”—Jaona 7:1-13; 1 Petera 2:22.
nwtsty: Fanazavana Jn 8:58
efa nisy aho: Nilaza i Jesosy hoe “efa nahita an’i Abrahama.” Nitady hitora-bato azy àry ireo Jiosy tsy tia azy, satria “mbola tsy dimampolo taona akory”, hono, izy. (Jn 8:57) Tian’i Jesosy horesahina tamin’izy ireo fa efa anjely mahery tany an-danitra izy talohan’ny nahaterahan’i Abrahama. Io tenin’i Jesosy ao amin’ny Jn 8:58 io no entin’ny olona sasany ilazana fa mitovy ihany i Jesosy sy Andriamanitra. Mitovy amin’ilay teny grika ampiasaina eo (egô eimi, nadika hoe “Izy Aho”, Prot.), hono, ilay ao amin’ny Ek 3:14. Milaza izy ireo hoe tokony hitovy ny fomba andikana an’ireo andininy ireo. Zavatra nitranga talohan’ny nahaterahan’i Abrahama sady mbola nitohy tamin’io fotoana io anefa no tiana holazaina amin’ilay teny grika hoe eimi eto. Mety tsara àry ny andikana azy io hoe “efa nisy aho” fa tsy hoe “Izy Aho.” Betsaka koa ny Baiboly tranainy sy maoderina mampiasa teny mitovitovy amin’ny hoe “efa nisy aho.” Misy an’ilay matoanteny hoe eimi koa ao amin’ny Jn 14:9, ary izao no nandikana azy: “Izay ela izay no efa niarahako taminareo, ka mbola tsy mahalala ahy ihany ve ianao, ry Filipo?” Mitovitovy amin’izany koa ny fomba nandikan’ny Baiboly hafa an’io matoanteny grika io. Mety àry raha adika hoe “efa” ampiana matoanteny milaza ny lasa ilay hoe eimi. (Misy ohatra hafa mitovitovy amin’izany koa ao amin’ny Lk 2:48; 13:7; 15:29; Jn 1:9; 5:6; 15:27; As 15:21; 2Ko 12:19; 1Jn 3:8.) Hita amin’ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Jn 8:54, 55 koa fa tsy olona iray ihany akory izy sy ny Rainy.
Famakiana Baiboly