Loharanon-kevitra ao Amin’ny Tari-dalana ho An’ny Fiainantsika sy ny Fanompoana
7-13 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 21-22
“Aoka ny Sitrapon’i Jehovah no Hatao”
“Aoka ny Sitrapon’i Jehovah no Hatao”
15 Mbola tao an-tranon’i Filipo i Paoly no tonga ny vahiny iray nohajaina. Tsy iza izany fa i Agabo. Fantatr’ireo olona tao an-tranon’i Filipo fa mpaminany i Agabo. Efa naminany izy hoe hisy mosary lehibe tamin’ny fotoana nanjakan’i Klaodio. (Asa. 11:27, 28) Lasa saina angamba ny rehetra hoe: ‘Inona no anton-dian’i Agabo? Inona no hafatra entiny?’ Nibanjina azy ny rehetra tamin’izy naka ny fehikibon’i Paoly, izay tsy inona fa lamba lavalava nafatotra teo amin’ny andilana, ary azo nasiana vola na zavatra hafa. Io no namatoran’i Agabo ny tongony aman-tanany. Niteny izy avy eo, ary nampieritreritra ny teniny. Hoy izy: “Izao no lazain’ny fanahy masina: ‘Toy izao no hamatoran’ny Jiosy any Jerosalema ny lehilahy tompon’ity fehikibo ity, ary hatolotr’izy ireo eo an-tanan’ny olona hafa firenena izy.’”—Asa. 21:11.
16 Nohamafisin’ilay faminaniana fa ho any Jerosalema i Paoly. Voalaza tao koa fa hatolotra “eo an-tanan’ny olona hafa firenena” izy rehefa hitory amin’ireo Jiosy any. Nisy vokany lalina tamin’izay nanatrika teo ilay faminaniana. Hoy i Lioka: “Rehefa nandre izany izahay sy ireo tao amin’io toerana io, dia niangavy an’i Paoly mba tsy hiakatra ho any Jerosalema. Fa namaly izy hoe: ‘Fa nahoana ianareo no mitomany sy manaketraka ny foko toy izao? Izaho ange vonona ny hafatotra e, ary na ny ho faty any Jerosalema koa aza, noho ny anaran’i Jesosy Tompo.’”—Asa. 21:12, 13.
“Aoka ny Sitrapon’i Jehovah no Hatao”
17 Eritrereto ange e! Niangavy an’i Paoly tsy handeha tany Jerosalema ireo rahalahy, anisan’izany i Lioka. Nitomany ny sasany. Tsapan’i Paoly fa tia sy niahy azy izy ireo, ka niteny tamim-pitiavana izy hoe “manaketraka ny foko” ianareo, na “manakivy” ahy ianareo, araka ny andikan’ny Baiboly sasany an’ilay teny grika. Mbola tapa-kevitra ny ho any Jerosalema izy, toy ny efa nolazainy tamin’ireo rahalahy tany Tyro, ka tsy navelany hampiova hevitra azy ny fiangaviana sy ny ranomaso. Nohazavainy kosa hoe nahoana no tsy maintsy ho any izy. Be herim-po sy tena tapa-kevitra izy! Nanahaka an’i Jesosy izy, ka tapa-kevitra ny hankany Jerosalema. (Heb. 12:2) Tsy te ho maritiora i Paoly, nefa raha tsy maintsy hitranga izany, dia raisiny ho voninahitra ny hoe maty satria nanara-dia an’i Kristy Jesosy.
“Aoka ny Sitrapon’i Jehovah no Hatao”
18 Ahoana no nataon’ireo rahalahy? Nohajainy ny fanapahan-kevitr’i Paoly. Hoy ny Baiboly: “Koa tsy nety niova hevitra mihitsy izy ary nanaiky ny teniny izahay, ka nanao hoe: ‘Aoka ny sitrapon’i Jehovah no hatao.’” (Asa. 21:14) Tsy niziriziry tamin’ny heviny ireo niezaka nandresy lahatra an’i Paoly tsy ho any Jerosalema. Nihaino an’i Paoly izy ireo ary nilefitra, ka nanaiky ny sitrapon’i Jehovah, na dia sarotra tamin’izy ireo aza izany. Niroso ho amin’ny dia hitarika azy ho amin’ny fahafatesana i Paoly. Ho mora kokoa aminy ny hiatrika izany raha tsy nitady hampiova hevitra azy, ireo tia azy.
Andao Hikaroka Harena Miafina
‘Henoy fa Hiteny Hiaro ny Tenako Aho’
10 Teo koa anefa ireo mbola tia nitandrina ny fanao jiosy sasantsasany, toy ny tsy fiasana amin’ny Sabata sy ny fifadiana sakafo sasany. Nihevitra ny fihetseham-pon’izy ireny àry i Paoly. (Rom. 14:1-6) Tsy namorona fitsipika momba ny famorana koa izy. Noforany, ohatra, i Timoty mba tsy hiahiahy an’i Timoty ny Jiosy, satria Grika ny rainy. (Asa. 16:3) Ny tsirairay no hanapa-kevitra na hoforana na tsia. Hoy i Paoly tamin’ny Galatianina: “Samy tsy misy vidiny na ny famorana na ny tsy famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ny alalan’ny fitiavana no misy vidiny.” (Gal. 5:6) Tsy ampy finoana anefa ny olona iray raha manaiky hoforana ho fankatoavana ny Lalàna, na mihevitra fa ilaina ny famorana mba hahazoana sitraka amin’i Jehovah.
11 Mbola nanahiran-tsaina ny Kristianina jiosy ihany ilay tsaho momba an’i Paoly, na dia tsy marina aza. Nanoro hevitra an’i Paoly toy izao àry ireo anti-panahy: “Misy efa-dahy eto, izay efa nivoady. Ento ireo, ka midiova miaraka aminy ianao araka ny Lalàna, ary aloavy izay ho lany mba hanaratana ny lohany. Amin’izay dia ho fantatry ny rehetra fa tsy misy mitombina ny tsaho naely momba anao, fa mitondra tena tsara ianao sady mitandrina ny Lalàna koa.”—Asa. 21:23, 24.
12 Afaka nilaza i Paoly hoe tsy ilay tsaho momba azy no tena olana fa ny Jiosy mpino fatra-panaraka ny Lalàn’i Mosesy. Vonona ny hilefitra anefa izy, raha mbola tsy nifanohitra tamin’ny fitsipik’Andriamanitra izany. Hoy izy, tany aloha kokoa: “Tamin’izay teo ambanin’ny lalàna, dia tonga toy izay teo ambanin’ny lalàna aho, na dia tsy eo ambanin’ny lalàna aza, mba hahazoako izay eo ambanin’ny lalàna.” (1 Kor. 9:20) Nanaraka ny tenin’ireo anti-panahy tao Jerosalema àry i Paoly, ka lasa “toy izay teo ambanin’ny lalàna.” Afaka manahaka azy isika, ka hanaraka ny tenin’ny anti-panahy, fa tsy hanizingizina ny hanaovana izay tiantsika.—Heb. 13:17.
nwtsty: Fanazavana As 22:16
hiantso ny anarany mba ho voasasa ho afaka amin’ny fahotana: Tsy ilay rano anaovana batisa an’ilay olona no manadio azy ho afaka amin’ny fahotany. Ho voasasa ho afaka amin’ny fahotany kosa izy raha miantso ny anaran’i Jesosy, izany hoe maneho finoana azy ary mampiseho an’izany amin’ny ataony.—As 10:43; Jk 2:14, 18.
Famakiana Baiboly
14-20 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 23-24
“Nolazaina fa Nanakorontana sy Nampirisika ny Olona Hikomy”
“Mahereza!”
5 Tonga ara-potoana ilay fampaherezana nomena an’i Paoly. Ny ampitson’iny mantsy, dia nisy lehilahy jiosy 40 mahery ‘niray tetika mangingina ka niozona fa tsy hihinana na hisotro raha tsy efa matiny i Paoly.’ Tena vonona ny hamono an’i Paoly ireo Jiosy ireo, matoa “niray tetika sy niozona.” Nino izy ireo fa raha tsy tanterak’izy ireo ilay tetika, dia hihatra aminy ihany ilay ozona. (Asa. 23:12-15) Izao ilay tetika: Mody atao hoe te hahalala ny tena marina izy ireo ka atao indray izay hitondrana an’i Paoly eo anatrehan’ny Fitsarana Avo, mba hofotopotorana bebe kokoa. Hiandry kendry tohina eny an-dalana anefa izy ireo mba hamono an’i Paoly. Nankasitraka an’ilay tetika ny lehiben’ny mpisorona sy ny anti-panahy.
6 Nahare an’ilay tetika anefa ny zanak’anabavin’i Paoly, ka nilaza izany tamin’i Paoly. Nasain’i Paoly nolazainy tamin’i Klaodio Lysia, mpitari-tafika romanina, ilay izy. (Asa. 23:16-22) Azo antoka fa tian’i Jehovah ny tanora toa an’io tovolahy tsy fantatra anarana io. Be herim-po izy ireny ka izay hahasoa ny vahoakan’Andriamanitra no tadiaviny fa tsy ny hahasoa ny tenany. Tsy mivadika koa izy ireny ka manao izay fara heriny mba hampandrosoana ny asan’ilay Fanjakana.
“Mahereza!”
10 ‘Nambenana tao amin’ny lapam-panjakan’i Heroda’ i Paoly tao Kaisaria, teo am-piandrasana an’ireo mpiampanga azy avy tany Jerosalema. (Asa. 23:35) Rehefa afaka dimy andro, dia tonga i Ananiasy Mpisoronabe sy Tertylo mpisolovava, ary ny anti-panahy maromaro. Nandokadoka an’i Feliksa sy nila sitraka taminy aloha i Tertylo, ka nidera azy noho ny zava-bitany ho an’ny Jiosy. Niditra tamin’ny tena resaka i Tertylo avy eo, ka izao no nolazainy momba an’i Paoly: “Mpanakorontana io lehilahy io, ary ampirisihiny hikomy amin’ny fanjakana ny Jiosy rehetra manerana ny tany onenana, ary izy no mitarika an’ilay sektan’ny Nazareanina. Nitady hanazimbazimba ny tempoly koa izy ka nosamborinay.” Ny Jiosy koa ‘niampanga azy ka nanizingizina fa izany tokoa no izy.’ (Asa. 24:5, 6, 9) Heloka lehibe mety hanamelohana azy ho faty no niampangana an’i Paoly. Ireto avy izany: Nampirisika olona hikomy tamin’ny fanjakana, nitarika sekta mampidi-doza, ary nanazimbazimba tempoly.
“Mahereza!”
13 Ahoana raha entina eo anatrehan’ny manam-pahefana isika noho ny fivavahantsika, ka endrikendrehina ho mpanakorontana, na mpitaona olona hikomy, na “sekta mampidi-doza”? Nanome ohatra tsara ho antsika i Paoly. Tsy nila ranondranony tamin’ilay governora izy, ka tsy nandokadoka azy toy ny nataon’i Tertylo. Tony sy nanaja olona foana i Paoly. Nofidiny tsara ny teny nampiasainy, ary marina sy mazava ny porofo nomeny. Nilaza i Paoly fa tsy teo ny “Jiosy avy any amin’ny faritr’i Azia”, izay niampanga azy ho nanazimbazimba tempoly. Raha araka ny lalàna anefa, dia tokony hifanatrika aminy eo ireo mba hilaza an’izay iampangany azy.—Asa. 24:18, 19.
14 Tsara homarihina koa fa tsy niahotra nanambara ny finoany i Paoly. Sahy nilaza indray izy fa nino ny fitsanganana amin’ny maty, nefa io ilay resaka niteraka korontana tamin’izy tao amin’ny Fitsarana Avo. (Asa. 23:6-10) Nanasongadina an’ilay fanantenana fitsanganana amin’ny maty i Paoly, tamin’izy niaro ny tenany. Nahoana? Satria nitory momba an’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty i Paoly, nefa tsy nino an’izany ireo nanohitra azy. (Asa. 26:6-8, 22, 23) Momba ny fitsanganana amin’ny maty àry no tena niadian-kevitra, izany hoe momba ny finoana an’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana As 23:6
Fariseo aho: Nahafantatra an’i Paoly ny olona sasany teo. (As 22:5) Tsy hoe namitaka akory i Paoly rehefa niteny hoe zanaky ny Fariseo izy. Fantatr’ireo Fariseo anisan’ny Fitsarana Avo Jiosy mantsy fa efa lasa Kristianina nafana fo izy. Te hilaza fotsiny i Paoly teo hoe Fariseo izy taloha, ary mino ny fitsanganana amin’ny maty toa azy ireo. Mety ho antony hafa mihitsy koa no nahatonga an’i Paoly hilaza hoe Fariseo izy. Samy nanatrika teo ny Fariseo sy ny Sadoseo. Nino ny fitsanganana amin’ny maty hoatran’i Paoly ny Fariseo, fa tsy hoatr’izany kosa ny Sadoseo. Mety ho nitady marimaritra iraisana tamin’ireo Fariseo anisan’ilay fitsarana àry i Paoly. Nanantena angamba izy hoe hanohana azy izy ireo, rehefa niresaka an’io fampianarana tsy nampitovy hevitra io izy. (As 23:7-9) Niaro tena teo anatrehan’i Agripa Mpanjaka i Paoly tatỳ aoriana, ary mifanaraka amin’ilay teniny ao amin’ny As 23:6 ny zavatra nolazainy. (As 26:5) Nilaza koa izy tao amin’ny taratasiny ho an’ireo Kristianina tany Filipy fa Fariseo izy. Te hilaza izy hoe nitovy ny zavatra sasany ninoany sy ninoan’ny Fariseo. (Fi 3:5) Mahaliana koa ilay fitantarana ao amin’ny As 15:5 momba ny mpino sasany. Hita ao fa na dia efa lasa Kristianina aza izy ireo, dia mbola resahina foana hoe efa tao amin’ny sektan’ny Fariseo izy taloha.
nwtsty: Fanazavana As 24:24
Drosila: Faravavin’i Heroda Agripa I (ilay Heroda voaresaka ao amin’ny As 12:1) ary zanany vavy fahatelo. Tamin’ny taona 38 tany ho any izy no teraka. I Agripa II no anadahiny, ary i Berenika sy Mariamne III no rahavaviny. Ilay mpanjaka syrianina atao hoe Azizus avy any Émèse no vadiny voalohany. Nisaraka taminy anefa i Drosila, ary nanambady an’i Feliksa Governora tamin’ny taona 54 tany ho any. Mety ho 16 taona izy tamin’izay. Niaraka tamin’i Feliksa teo angamba izy tamin’i Paoly niresaka “momba ny fahamarinana sy ny fifehezan-tena ary ny fitsarana ho avy.” (As 24:25) I Festosy indray, tatỳ aoriana, no lasa governora nandimby an’i Feliksa. Mbola navelan’i Feliksa tao am-ponja ihany i Paoly tamin’izay, “satria te hahazo sitraka tamin’ny Jiosy” izy. Misy mihevitra hoe nanao an’izany izy mba hampifaliana an’i Drosila vadiny. Jiosy mantsy izy io.—As 24:27.
Famakiana Baiboly
21-27 JANOARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 25-26
“Nangataka ny Hotsarain’i Kaisara i Paoly ary Nitory Tamin’i Agripa Mpanjaka”
“Ampakariko any Amin’i Kaisara ny Raharaha!”
6 Ny ain’i Paoly no notandindomin-doza rehefa nila sitraka tamin’ny Jiosy i Festosy. Nampiasa ny zony tamin’ny naha Romanina azy àry i Paoly, ka hoy izy tamin’i Festosy: “Mijoro eto anoloan’ny fitsaran’i Kaisara aho, ary eto no tokony hitsarana ahy. Tsy nanao ratsy tamin’ny Jiosy aho, ary fantatrao tsara koa izany. ... Ampakariko any amin’i Kaisara ny raharaha!” Raha vao nampakatra fitsarana ny Romanina iray, dia tsy azo nofoanana intsony izany matetika. Nanamafy izany ny tenin’i Festosy hoe: “Nampakarinao any amin’i Kaisara ny raharaha, ka dia ho any amin’i Kaisara tokoa ianao.” (Asa. 25:10-12) Nampakatra fitsarana i Paoly, ary modely ho an’ny tena Kristianina ankehitriny izany. Mitory any amin’ny fitsarana koa isika mba hiarovana ny vaovao tsara, rehefa “mitetika ny hanisy ratsy amin’ny alalan’ny lalàna” ny mpanohitra.—Sal. 94:20.
“Ampakariko any Amin’i Kaisara ny Raharaha!”
10 Nisaotra an’i Agripa tamim-panajana i Paoly, satria navela hiteny hiaro ny tenany teo anatrehany. Niaiky koa i Paoly fa mahay tsara ny fanao sy ny adihevitra rehetra eo amin’ny Jiosy i Agripa. Hoy i Paoly, avy eo, rehefa nitantara ny fiainany: “Efa Fariseo aho, ka nanaraka ilay sekta hentitra indrindra tao amin’ny fivavahanay.” (Asa. 26:5) Efa Fariseo i Paoly ka nanantena fa ho avy ny Mesia. Kristianina kosa izy izao, ary sahy nilaza fa i Jesosy Kristy io Mesia nandrasana hatry ny ela io. Samy nino i Paoly sy ireo niampanga azy fa ho tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra tamin’ny razamben’izy ireo. Io finoana io no antony nitsarana an’i Paoly tamin’io andro io. Vao mainka liana tamin’izay holazain’i Paoly àry i Agripa.
11 Nampahatsiahivin’i Paoly ny nampahoriany ny Kristianina, ka hoy izy: “Raha izaho aloha dia tena nihevitra aho tany anatiko tany fa tokony hanao zavatra maro hanoherana ny anaran’i Jesosy avy any Nazareta. ... Satria tezitra mafy dia mafy [tamin’ny mpanara-dia an’i Kristy] aho, dia vitako hatramin’ny nanenjika azy tany amin’ny tanàna ivelany mihitsy aza.” (Asa. 26:9-11) Tsy nanitatra i Paoly rehefa nilaza izany, satria maro no nahalala fa nahery setra tamin’ny Kristianina izy. (Gal. 1:13, 23) Lasa saina angamba i Agripa hoe: ‘Inona no nampiova ny olona toa an’i Paoly?’
12 Mamaly izany ny tenin’i Paoly manaraka. Hoy izy: “Nandeha ho any Damaskosy [aho] fa nahazo fahefana sy fanomezan-dalana avy tamin’ny lehiben’ny mpisorona, dia nahita hazavana teny an-dalana, tamin’ny mitataovovonana, ry mpanjaka ô, dia hazavana namirapiratra mihoatra noho ny masoandro. Nanjelanjelatra avy tany an-danitra ilay izy, ka nanodidina ahy sy izay niara-dia tamiko. Dia lavo tamin’ny tany daholo izahay rehetra, ary nandre feo aho nilaza tamiko tamin’ny teny hebreo hoe: ‘Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy ianao? Ianao ihany ange no ho voan’ny ataonao raha mitsipaka lava ny hazo fanindronana ianao e!’ Fa hoy aho: ‘Iza moa ianao, tompoko?’ Dia hoy ny Tompo: ‘Izaho no Jesosy izay enjehinao.’”—Asa. 26:12-15.
13 Toy ny hoe ‘nitsipaka ny hazo fanindronana’ i Paoly talohan’iny zava-nahagaga iny. Mandratra tena ny biby rehefa mitsipaka an’ilay tendrony maranitra amin’ny hazo fanindronana. Nanimba ny fifandraisany tamin’Andriamanitra koa i Paoly satria nanohitra ny sitrapony. Niova anefa io olona tso-po diso lalana io, rehefa niseho taminy teny an-dalana ho any Damaskosy i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty.—Jaona 16:1, 2.
14 Niova tokoa i Paoly. Hoy izy tamin’i Agripa: ‘Tsy nanda aho, fa nankatò an’ilay fahitana avy tany an-danitra. Koa nankany amin’izay tany Damaskosy aho aloha, ary avy eo nankany amin’izay tany Jerosalema sy eran’ny faritr’i Jodia ary tany amin’ny firenen-kafa, nitondra ilay hafatra hoe tokony hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra izy ireo ka hampiseho amin’ny ataony fa nibebaka.’ (Asa. 26:19, 20) Nanao an’ilay asa nampanaovin’i Jesosy azy i Paoly, nandritra ny taona maro. Inona no vokany? Nibebaka ireo nandray ny teny notoriny, ary niala tamin’ny fitondran-tena maloto sy ny fanaovana ny tsy marina, ka niverina tamin’Andriamanitra. Lasa olom-pirenena vanona izy ireny, ary nampirisika ny olona hanaja lalàna sy tsy hanakorontana.
15 Nitondra soa àry ny fitorian’i Paoly, saingy tsy nisy dikany tamin’ireo Jiosy nanohitra azy izany. Hoy i Paoly: “Izany no antony nisamboran’ny Jiosy ahy tao amin’ny tempoly ka saika namonoany ahy. Nahazo ny fanampian’Andriamanitra anefa aho, ka mbola mijoro ho vavolombelona mandraka androany, na amin’ny madinika na amin’ny lehibe.”—Asa. 26:21, 22.
16 “Vonona foana” hiaro ny finoany ny tena Kristianina. (1 Pet. 3:15) Rehefa manazava ny finoantsika amin’ny mpitsara sy ny manam-pahefana isika, dia tsara ny hanahafantsika an’izay nataon’i Paoly tamin’izy niteny teo anatrehan’i Agripa sy Festosy. Mety hanohina ny fon’izy ireny isika raha milaza amim-panajana fa nanatsara ny fiainantsika ny fahamarinana, sady nanatsara ny fiainan’ireo mandray ny hafatra torintsika.
“Ampakariko any Amin’i Kaisara ny Raharaha!”
18 Hoy anefa i Paoly tamin’ilay governora: “Tsy lasa adala aho akory, ry Festosy Governora hajaina ô, fa milaza tenin’ny fahamarinana sy tenin’olona misaina tsara. Mahalala tsara izany ny mpanjaka ka sahy miresaka aminy momba izany aho. ... Mino ny Mpaminany ve ianao, ry Agripa Mpanjaka? Fantatro fa mino ianao.” Hoy i Agripa: “Raha nisy kely foana dia ho naharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao.” (Asa. 26:25-28) Tsy fantatra raha vokatry ny fo io teniny io na tsia. Hita eo anefa fa nisy vokany lalina tamin’ilay mpanjaka ny fitorian’i Paoly.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana As 26:14
mitsipaka ny hazo fanindronana: Hazo marani-doha fanindronana biby mba hibaikoana azy. (Mpts 3:31) Avy amin’ny ohabolana hita ao amin’ny asa soratra grika ilay hoe ‘mitsipaka ny hazo fanindronana.’ Omby iray mafy loha tsy mety manitsy ny lalany no tonga ao an-tsaina rehefa maheno an’io fomba fiteny io. Mitsipaka an’ilay hazo anindronana azy ilay omby, ka maratra avy eo. Hoatr’izany koa no nataon’i Paoly tamin’izy mbola tsy Kristianina. Izy ihany no voa mafy rehefa nanenjika an’ireo mpanara-dia an’i Jesosy. Nanohana azy ireo mantsy i Jehovah Andriamanitra. (Ampitahao amin’ny As 5:38, 39; 1Ti 1:13, 14) Oharina amin’ny “hazo fanindronana omby” ny tenin’ny olona hendry ao amin’ny Mpto 12:11. Mandrisika ny olona hanaraka torohevitra mantsy ny teniny.
Ampio ny Olona Hanaiky ny Hafatra Momba Ilay Fanjakana
14 Fantatr’i Paoly fa nilaza ny tenany ho Jiosy i Agripa, izany hoe nahalala ny Jodaisma. Nampisaintsaina azy àry i Paoly, ary nanazava fa rehefa nitory izy dia ‘tsy nilaza afa-tsy izay nambara fa hitranga’ momba ny fahafatesan’ny Mesia sy ny fitsanganany amin’ny maty, “araka ny voalaza ao amin’ny Mpaminany sy Mosesy.” (Asan’ny Apostoly 26:22, 23) Nanontany mivantana an’i Agripa izy hoe: “Mino ny Mpaminany ve ianao, ry Agripa Mpanjaka?” Sahiran-tsaina i Agripa tamin’izay. Raha nilaza mantsy izy hoe tsy nino ny mpaminany, dia tsy hino azy ho Jiosy intsony ny olona. Raha nanaiky kosa anefa izy, dia ho niombon-kevitra tamin’ilay apostoly teo imasom-bahoaka, ka mety ho nantsoin’ny olona hoe Kristianina. Naneho fahendrena àry i Paoly, ka izy ihany no namaly ilay fanontaniany. Hoy izy: “Fantatro fa mino ianao.” Voatosika hilaza inona i Agripa tamin’izay? Hoy izy: “Raha nisy kely foana dia ho naharesy lahatra ahy ho tonga Kristianina ianao.” (Asan’ny Apostoly 26:27, 28) Marina fa tsy lasa Kristianina i Agripa, nefa hita fa nanohina ny fony ihany ny hafatra notorin’i Paoly.—Hebreo 4:12.
Famakiana Baiboly
28 JANOARY–3 FEBROARY
HARENA AVY AO AMIN’NY TENIN’ANDRIAMANITRA | ASAN’NY APOSTOLY 27-28
“Nandeha Sambo Nankany Roma i Paoly”
“Tsy Hisy Aminareo Hamoy ny Ainy”
15 Azo inoana fa maro tamin’ireo tao an-tsambo no efa nitorian’i Paoly momba ‘ny fanantenana an’ilay fampanantenana nataon’Andriamanitra.’ (Asa. 26:6; Kol. 1:5) Toa efa ho rendrika izao ilay sambo, ka afaka nilaza antony tokony hananana fanantenana i Paoly. Hoy izy: ‘Nisy anjely nitsangana teo anilako halina, ka nanao hoe: “Aza matahotra, ry Paoly, fa tsy maintsy mijoro eo anatrehan’i Kaisara ianao. Tsara fanahy Andriamanitra ka hitsimbina ny ain’izay rehetra miara-dia aminao ato an-tsambo.”’ Nampirisika azy ireo i Paoly hoe: “Koa mahereza! Mino an’Andriamanitra aho ka fantatro fa ho tanteraka tokoa izay nolazainy tamiko. Tsy maintsy hidona amin’ny nosy iray anefa isika.”—Asa. 27:23-26.
“Tsy Hisy Aminareo Hamoy ny Ainy”
18 Tody tao amin’ny nosy iray izy 276, ary fantatra fa i Malta any atsimon’i Sisila izy io. (Jereo ilay efajoro hoe “Aiza no Misy An’i Malta?”, pejy 209.) Hafa fiteny ny mponina tao. “Tena tia olona” sy “tsara fanahy” izy ireo, ka nandrehitra afo mba hanafana an’ireo vahiny kotsa sy nangovitra ireo, satria nangatsiaka sy nanorana ny andro. (Asa. 28:2) Nisy fahagagana nitranga koa noho io afo io.
“Tsy Hisy Aminareo Hamoy ny Ainy”
21 Nipetraka tao amin’ilay faritra i Poplio, lehilahy mpanankarena sady nanan-tany. Izy angamba no lehiben’ny miaramila romanina tao Malta. Nilaza i Lioka fa “lehiben’ilay nosy” i Poplio. Io anaram-boninahitra io mihitsy no ao amin’ireo soratra tranainy roa hitan’ny mpikaroka tao Malta. Nampiantrano an’i Paoly sy ny namany nandritra ny telo andro i Poplio. Narary anefa ny rainy. Marina sy voafaritra tsara ny teny nilazan’i Lioka an’ilay aretina. Hoy izy: “Teo am-pandriana [ilay lehilahy] fa nanavy sady nivalan-dra.” Nivavaka sy nametra-tanana taminy i Paoly ka sitrana izy. Gaga ny mponina tao, ka nitondra marary hafa mba hositranina. Nitondra fanomezana ho an-dry Paoly izy ireo ka nahazo izay nilainy ry Paoly.—Asa. 28:7-10.
“Nitory Tamin’ny Fomba Feno” Izy
10 Tonga tao Roma ry Paoly tamin’ny farany. “Navela hitokan-trano i Paoly, niaraka tamin’ilay miaramila niambina azy.” (Asa. 28:16) Matetika no nafatotra rojo vy tamin’ny mpiambina azy ny voafonja nambenana tany an-trano, mba tsy handosirany. Izany no nanjo an’i Paoly, nefa tsy nahasakana azy tsy hitory ilay Fanjakana izany. Nampiantso an’ireo lohandohan’ny Jiosy tao Roma izy mba hampahafantatra ny tenany sy hitory amin’izy ireo, nefa vao telo andro monja no nialany sasatra taorian’ilay diany.
Andao Hikaroka Harena Miafina
nwtsty: Fanazavana As 27:9
ny fifadian-kanina amin’ny andro fandrakofam-pahotana: Na “ilay fifadian-kanina amin’ny fararano.” A.b.t.: “ilay fifadian-kanina.” Ny teny grika nadika hoe “ilay fifadian-kanina” dia manondro ny fifadian-kanina natao tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana, na Yom Kippour (heb.: yôhm hakkipporim, na “andron’ireo fandrakofana”). Izy io ihany no fifadian-kanina notakin’ny Lalàn’i Mosesy. (Le 16:29-31; 23:26-32; No 29:7) Nasaina ‘nampahory tena’ ireo Israelita tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Midika izany fa nampihafy tena izy ireo, ka anisan’ny nataony ny hoe nifady hanina. (Le 16:29) Hita avy amin’ny As 27:9 fa ny fifadian-kanina no tena nataon’ny olona rehefa nampahory tena izy ireo, tamin’ny Andro Fandrakofam-pahotana. Tamin’ny faramparan’ny volana Septambra na voalohandohan’ny Oktobra no natao ilay fifadian-kanina.
nwtsty: Fanazavana As 28:11
Zanakalahin’i Zeosy: (Grika: Diôskorôi) Kambana izy ireo, araka ny angano grika sy romanina, ary Castor sy Pollux no anarany. Zanak’ilay andriamanitra atao hoe Zeosy (Jopitera) sy Leda mpanjakavavin’i Sparta, hono, izy ireo. Lazaina koa hoe mpiaro an’ireo tantsambo i Castor sy Pollux, ka afaka namonjy an’izay tantsambo tratran’ny loza teny an-dranomasina. Resahina ao amin’ilay andininy fa nisy marika hoe “Zanakalahin’i Zeosy” teo amin’ny lohan’ilay sambo nandehanan-dry Paoly. Hita avy amin’io tsipiriany io fa tena nahita maso ny zava-nitranga ilay mpanoratra.
Famakiana Baiboly