FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb19 Aogositra p. 3
  • Miaraha Amin’ny Olona Tia An’i Jehovah

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Miaraha Amin’ny Olona Tia An’i Jehovah
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Mitovitovy Aminy
  • Nivadika Tamin’i Jehovah i Joasy Noho ny Naman-dratsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Joiada
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Nahoana Isika no Tokony Hatahotra An’i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
  • Hamaly Soa Anao i Jehovah Raha Be Herim-po Ianao
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
mwb19 Aogositra p. 3

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Miaraha Amin’ny Olona Tia An’i Jehovah

Nahoana isika no tokony hanao an’izany? Mety hahatonga antsika hanao ny tsara na ny ratsy ny namantsika. (Oh 13:20) Nanao “izay mahitsy teo imason’i Jehovah” foana, ohatra, i Joasy, tamin’izy mbola nampian’i Joiada Mpisoronabe. (2Ta 24:2) Nivadika tamin’i Jehovah anefa i Joasy rehefa maty i Joiada. Lasa niaraka tamin’ny naman-dratsy mantsy izy.—2Ta 24:17-19.

Noharin’ny apostoly Paoly tamin’ny “trano lehibe” ny fiangonana kristianina. Ireo anisan’izy io indray nohariny tamin’ny “fitaovana” fampiasa ao an-tokantrano. Tsy tokony hifandray be amin’ireo olona manao zavatra tsy tian’i Jehovah isika, na havantsika ilay olona na anisan’ny fiangonana. Ho “fitaovana natao hampiasaina amin-javatra mendri-kaja” foana isika amin’izay. (2Ti 2:20, 21) Miezaha àry hinamana amin’ny olona tia an’i Jehovah sy mandrisika anao hanompo azy.

JEREO ILAY VIDEO HOE MIEZAHA TSY HIARAKA AMIN’NY NAMAN-DRATSY, ARY VALIO IRETO:

  • Inona avy no mety hahatonga antsika hiaraka amin’ny naman-dratsy?

  • Inona no nanampy an’ireo rahalahy sy anabavy tao amin’ilay video, mba tsy hiaraka intsony amin’ny naman-dratsy?

  • Inona ny toro lalan’ny Baiboly hanampy anao hahay hifidy namana?

Jaona mandray olona ao amin’ny hotely ary mandraraka divay ao amin’ny veran’izy ireo; Christine mijery tranonkala fifaneraserana; Jayden manao lalao video; Jaona sy ny vady aman-janany, Christine, ary Jayden, mandritra ny fivoriana

“Fitaovana natao hampiasaina amin-javatra mendri-kaja” ve aho?—2Ti 2:21

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara