FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mwb20 Desambra p. 8
  • Ampiasao Foana Ireo Gazety

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampiasao Foana Ireo Gazety
  • Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
  • Mitovitovy Aminy
  • Manolora Gazety Rehefa Manompo
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2005
  • Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara Indrindra Ireo Gazetintsika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1995
  • Gazety Manambara Ilay Fanjakana
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Manokàna Fotoana ho Amin’ny Asa Fizarana Gazety
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1993
Hijery Hafa
Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2020
mwb20 Desambra p. 8
Anabavy mitory amin’ny vehivavy iray, ary miresaka ny foto-kevitra ao amin’ny ‘Mifohaza!’

NY FIAINANTSIKA KRISTIANINA

Ampiasao Foana Ireo Gazety

Foto-kevitra iray ihany no resahin’ny nomerao tsirairay amin’ny gazety ho an’ny besinimaro, nanomboka tamin’ny 2018. Anisan’ny Fitaovana Fampianarana daholo izy ireo, ka azo ampiasaina eny amin’ny fanompoana. Afaka mitondra gazety vitsivitsy isika rehefa miantsena na misy dia alehantsika. Tsy natao hampianarana Baiboly ny gazety, nefa mety hahatonga ny olona ho liana amin’ny fahamarinana.

Rehefa avy miresaka kely amin’ilay olona ianao, dia mamakia andinin-teny, ary miresaha foto-kevitra tao amin’ny gazetintsika izay hitanao hoe mety hahaliana azy. Raha manan-janaka, ohatra, izy, na vao avy nidonam-pahoriana, na miady saina, dia azonao atao ny miteny hoe: “Vao haingana aho no namaky lahatsoratra miresaka momba an’izany. Azoko aseho anao ve?” Raha hitanao hoe liana ilay olona, dia omeo gazety iray izy, na dia amin’ny fitoriana aza. Azonao atao koa anefa ny mandefa rohy hakany azy ao amin’ny Internet. Tsy ny hametraka gazety no tena tanjontsika, nefa mety hanampy antsika hahita an’ireo vonona hampihatra an’izay ianarany izy ireny.—As 13:48.

2018

Sary: Foto-kevitra tao amin’ny ‘Tilikambo Fiambenana’ sy ‘Mifohaza!’ tamin’ny 2018. 1. ‘Mbola Mahasoa Antsika ve ny Baiboly?’ 2. ‘Inona no Hitranga Amin’ny Hoavy?’ 3. ‘Tia Anao ve Andriamanitra?’ 4. ‘Inona no Tena Mahasambatra?’ 5. ‘Torohevitra 12 Mahasambatra ny Fianakaviana.’ 6. ‘Inona no Hanampy Anao Hizaka ny Fahorianao?’

2019

Sary: Foto-kevitra tao amin’ny ‘Tilikambo Fiambenana’ sy ‘Mifohaza!’ tamin’ny 2019. 1. ‘Fantatrao Tsara ve Andriamanitra?’ 2. ‘Mbola Misy Dikany ve ny Fiainana?’ 3. ‘Izao Fotsiny ve ny Fiainana?’ 4. ‘Mba Hilamina Ihany ve ny Fiainana?’ 5. ‘Zavatra Enina Mila Ampianarina ny Ankizy.’ 6. ‘Afaka Manatsara ny Fiainanao ve ny Baiboly?’

2020

Sary: Foto-kevitra tao amin’ny ‘Tilikambo Fiambenana’ sy ‘Mifohaza!’ tamin’ny 2020. 1. ‘Aiza no Misy ny Marina?’ 2. ‘Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?’ 3. ‘Fitahiana Maharitra avy Amin’Andriamanitra.’ 4. ‘Tsy Te Hiady Saina Be Intsony ve Ianao?’ 5. ‘Valin’ny Fanontaniana 5 Momba ny Fijaliana.’ 6. ‘Vahaolana Amin’ny Fanavakavahana.’

Inona no foto-kevitra mahaliana ny olona ao amin’ny faritaninareo?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara