FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp22 No. 1 p. 12-13
  • 4 | Ekeo ny Fanampian’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • 4 | Ekeo ny Fanampian’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fampianaran’ny Baiboly:
  • Inona no dikan’izany?
  • Inona no azonao atao?
  • Manova Olona ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Inona no Hanampy ny Olona Tsy Hifankahala Intsony?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Afaka Mandresy ny Fankahalana Isika!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Maninona ny Olona no Mifankahala?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
wp22 No. 1 p. 12-13
Olona maromaro manatona Baiboly mivelatra manazava an-dry zareo. Ny fankahalana nananan-dry zareo taloha no tiana haseho amin’ny aloka ao aoriany.

INONA NO HANAMPY NY OLONA TSY HIFANKAHALA INTSONY?

4 | Ekeo Ny Fanampian’andriamanitra

Fampianaran’ny Baiboly:

‘Ny vokatry ny fanahy dia fitiavana, fifaliana, fihavanana, faharetana, hatsaram-panahy, hatsaran-toetra, finoana, fahalemem-panahy, ary fifehezan-tena.’​—GALATIANINA 5:22, 23, f.a.p.

Inona no dikan’izany?

Hahavita tsy hankahala olona intsony isika rehefa ampian’Andriamanitra. Tsy ho vitantsika samirery mihitsy ny hanana toetra sasany, raha tsy ampian’ny fanahiny masina isika. Aza miady irery àry mba handresena ny fankahalana, fa miantehera amin’Andriamanitra. Raha manao an’izany ianao, dia hahatsapa hoatran’ny apostoly Paoly hoe: “Manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.” (Filipianina 4:13) Ho afaka hiteny koa ianao hoe: “Avy amin’i Jehovah no ahazoako fanampiana.”​—Salamo 121:2.

Inona no azonao atao?

“Nahery setra aho nefa novan’i Jehovah ho tsara fanahy.”​—WALDO

Mivavaha amin’ny fo, dia mangataha fanahy masina amin’i Jehovah. (Lioka 11:13) Iangavio izy mba hanampy anao hanana toetra tsara. Ianaro izay toetra lazain’ny Baiboly hoe manampy anao tsy hankahala olona, anisan’izany ny fitiavana, fihavanana, faharetana, ary fifehezan-tena. Mitadiava fomba hampisehoana an’ireo toetra ireo, ary miaraha amin’ny olona miezaka hanana toetra hoatr’izany. Afaka mandrisika anao “hampiseho fitiavana sy hanao asa tsara” mantsy ry zareo.​—Hebreo 10:24.

Tantara Tena Nisy​—WALDO

Lasa Tsy Nankahala Olona sy Tsy Nahery Setra Intsony Izy

Waldo.

Nijaly be i Waldo tamin’izy mbola kely, dia lasa nankahala olona. Izao no nolazainy: “Niady tamin’ny mpivarotra zava-mahadomelina foana aho ... Nisy andian-jiolahy nanakarama mpamono olona kalazalahy mba hamono ahy. Soa fa afa-nandositra aho, ka tsy matiny fa naratra kely fotsiny.”

Tsy faly i Waldo rehefa nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny. Izao no teniny: “Tsy tiako maizina ny Vavolombelona, ka imbetsaka aho no nilelalela sy nanompa azy ireo. Tsara fanahy foana anefa izy ireo.”

Nianatra Baiboly koa i Waldo tatỳ aoriana. Hoy izy: “Tsy mora tamiko anefa ny nampihatra izay nianarako. Tsapako hoe tsy ho vitako mihitsy ny hifehy ny fahatezerako.” Nisy vokany be taminy anefa ny zavatra iray nianarany tao amin’ny Baiboly.

Nanazava i Waldo hoe: “Nasain’i Alejandro, ilay nampianatra Baiboly ahy, novakiko ny Galatianina 5:22, 23 indray andro. ... Nanazava izy fa tsy ho vitako ny hanana an’ireo toetra ireo raha tsy eo ny fanampian’ny fanahy masina. Tena nanova ny fomba fijeriko izany!”

Niantehitra tamin’Andriamanitra i Waldo, dia nahavita tsy nankahala olona intsony. Izao no nolazainy: “Gaga be ny havako sy ny namako taloha nahita ny fiovako.” Hoy koa izy: “Nahery setra aho nefa novan’i Jehovah ho tsara fanahy.”

Afaka mahita ny tantaran’i Waldo ianao, ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 2013, pejy 12-13.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara