FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • wp22 No. 1 p. 3
  • Afaka Mandresy ny Fankahalana Isika!

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Mandresy ny Fankahalana Isika!
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Mitovitovy Aminy
  • Maninona ny Olona no Mifankahala?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Fampidirana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Tsy Hisy Intsony ny Fankahalana!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
  • Be dia Be no Mijaly Satria Ankahalaina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2022
wp22 No. 1 p. 3
Sary: Lehilahy kivy tanteraka mieritreritra ny fankahalan’ny olona azy. 1) Vehivavy mitazona telefaonina manambanimbany azy. 2) Vehivavy iray hafa manao tsinontsinona azy. 3) Lehilahy mamaky gazety mikitakita azy. 4) Mpilaza vaovao amin’ny tele.

Afaka Mandresy ny Fankahalana Isika!

Efa nisy fotoana ve ianao nisy nankahala dia nampijaly anao izany?

Na mbola tsy nisy nankahala aza anefa ianao, dia azo inoana hoe efa nahita olona niharan’izany. Mandeha amin’ny vaovao foana mantsy ny hoe misy olona ampijalin’ny hafa satria hafa firazanana, na lehilahy tia lehilahy, na vahiny. Namoaka lalàna àry ny fitondram-panjakana maro, mba hiarovana an’izay iharan’ireny fankahalana ireny.

Vao mainka miteraka fankahalana ny fankahalana. Matetika no mamaly faty ny olona iray rehefa misy mampijaly, dia lasa mankahala an’ilay olona nampijaly azy koa, ary mitohy foana izany.

Efa nisy nanavakavaka angamba ianao, na nitsaratsara, na naneso, na nanambany, na nandrahona. Tsy ireo ihany anefa no ataon’ny olona rehefa mankahala. Matetika izy ireo no mampijaly, manimba zavatra, mikasi-tanana, manolana, mamono, ary mandripaka foko iray mihitsy aza.

Hamaly an’ireto fanontaniana ireto ity gazety ity, ary ho hitantsika hoe ahoana no handresena ny fankahalana:

  • Nahoana no be dia be hoatr’izao ny olona mifankahala?

  • Inona no hanampy ny olona tsy hifankahala intsony?

  • Tsy hisy intsony ve ny fankahalana indray andro any?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara